MADAGASIKARA CORONAVIRUS, 12.04.2020. Miisa 106 no misy coronavirus, 20 no sitrana, 0 ny maty

Dimanche, 12 Avril 2020 16:42 Madagate affiche
Imprimer

CCO Ivato, androany Alahadin'ny Paska 2020. 106 (ENINA AMBIN’NY ZATO) ny totalin’ireo olona voatily fa manana ny soritr’aretina coronavirus mitondra ilay areti-mandoza maneran-tany mitondra ny anarana hoe covid-19.

Ny vaovao mahafaly tamin’ity andron’ny Paska 2020 dia miisa 20 (ROAMPOLO) no isan’ny olona sitrana soa aman-tsara. Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy na iray aza hatreto eto Madagasikara noho io covid-19. Isaorana an’Andriamanitra izany.

Ireo olona 86 nahitana ny coronavirus, na ireo avy ivelany na ireo cas contacts teto an-toerana, dia efa mahazo fitsaboina ao amin’ny hopitaly Anosiala, ao amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka Antananarivo ary ao amin’ny hopitaly manara-penitra Toamasina.

Fa tsy miova kosa ny toro-marika napetraky ny fitondram-panjaka :

MARINA FA ALATSINAIN’NY PASKA RAHAMPITSO, FOTOANA HITSANGATSANGANAN’NY FIANAKAVIANA. KANEFA AZA MBOLA MIVOAKA NY TRANO NY DAHOLOBE FA ALEHO MANDEFITRA ALOHA. AMIN’NY LAFINY IRAY IHANY KOA, ALEHO MAHANTRA FA VELONA, TOA IZAY MANAN-KARENA FA ANY AM-PASANA. SA AHOANA, HOY IANAREO ? TOKANA NY AINA FA REHEFA LASA ANIE TSY MIVERINA INTSONY ! MISAOTRA ANTSIKA ISIKA E ! ARY MANANA FINOANA FA HO RESIN-TSIKA MALAGASY IO FAHAVALO IOMBONAN’IZAO TONTOLO IZAO IO.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 12 Avril 2020 16:49 )