Madagascar Coronavirus. Bilan au 14 avril 2020: Zéro décès, 23 guéris, 85 hospitalisés, 108 confirmés

Mardi, 14 Avril 2020 16:22 Madagate affiche
Imprimer

MADAGASIKARA CORONAVIRUS, TALATA 14 Aprily 2020
108 (VALO AMBIN’NY ZATO) IZAO ny totalin’ireo olona voatily fa manana ny soritr’aretina coronavirus mitondra ilay areti-mandoza maneran-tany mitondra ny anarana hoe covid-19.

Ny vaovao mahafaly tamin’ity Talata aorian’ny Paska 2020 ity dia niakatra 23 (TELO AMBIN’NY ROAMPOLO) no isan’ireo olona sitrana soa aman-tsara.
Tsy nisy ihany koa ny aina nafoy na iray aza hatreto eto Madagasikara noho io covid-19. Isaorana an’Andriamanitra izany.

Ireo olona 85 nahitana ny coronavirus, na ireo avy ivelany na ireo cas contacts teto an-toerana, dia efa mahazo fitsaboina daholo.
Marihina fa ireo « cas contacts » vaovao miisa 2 nahitana ny coronavirus dia avy eto Antananarivo. Samy 57 taona ary lehilahy avokoa.

Jereo kely ny tabilao eo ambony.

Midika izany fa mivezivezy tokoa izao ilay otrik’aretina.
Noho izany : tsy miova ny toro-marika napetraky ny fitondram-panjaka :

AZA MBOLA MIVOAKA NY TRANO NY DAHOLOBE FA ALEHO MANDEFITRA ALOHA. AMIN’NY LAFINY IRAY IHANY KOA, ALEHO MAHANTRA FA VELONA, TOA IZAY MANAN-KARENA FA ANY AM-PASANA. SA AHOANA, HOY IANAREO ? TOKANA NY AINA FA REHEFA LASA ANIE TSY MIVERINA INTSONY !

MISAOTRA ANTSIKA ISIKA E ! ARY MANANA FINOANA FA HO RESIN-TSIKA MALAGASY IO FAHAVALO IOMBONAN’IZAO TONTOLO IZAO IO.

Jeannot Ramambazafy


Mis à jour ( Mardi, 21 Avril 2020 15:38 )