Madagascar Coronavirus. Bilan au 21 avril 2020: Zéro décès, 44 guéris, 77 hospitalisés, 121 confirmés

Mardi, 21 Avril 2020 15:33 Madagate affiche
Imprimer

121 (IRAY AMBIN’NY ROAPOLO AMBIN’NY ZATO) tsy niova hatrany ny totalin’ireo olona voatily fa manana ny soritr’aretina coronavirus mitondra ilay areti-mandoza maneran-tany mitondra ny anarana hoe covid-19.

Lasa 44 (EFATRA AMBIN’NY EFAPOLO) ny isan’ireo olona sitrana soa aman-tsara.

TSY NISY NY AINA NAFOY NA IRAY AZA HATRETO ETO MADAGASIKARA NOHO IO ARETINA COVID-19 IO.

ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA IZANY.

Lasa nidina 77 (FITO AMBIN’NY FITOPOLO) ireo nahitana ny coronavirus, na ireo avy ivelany na ireo cas contacts teto an-toerana, ary mahazo fitsaboina daholo.

Niova kely ny toro-marika ho an’ny olona miasa sasany, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena ny 19 Aprily. KANEFA SAMY TOMPONANDRAIKITRA ISIKA. FA AZA MIANDRY ILAY NENINA AORIANA HANDATSA E !


Jeannot Ramambazafy