Madagascar Coronavirus. Bilan au 25 avril 2020: Zéro décès, 62 guéris, 61 hospitalisés, 1 nouveau cas contact

Samedi, 25 Avril 2020 14:12 Madagate affiche
Imprimer

 

 

MADAGASIKARA CORONAVIRUS, SABOTSY 25 Aprily 2020, 1 ORA ATOANDRO


123 (TELO AMBIN’NY ROAPOLO AMBIN’NY ZATO) androany ny totalin’ireo olona voatily fa manana ny soritr’aretina coronavirus mitondra ilay areti-mandoza maneran-tany mitondra ny anarana hoe covid-19.

61 (IRAIK’AMBIN’NY ENIM-POLO) ireo olona nahitana ny coronavirus, na ireo avy ivelany na ireo cas contacts teto an-toerana, ka mahazo fitsaboina daholo.

Niampy ny CAS VAOVAO 1 (IRAY) ka lehilahy 35 taona hita tany Toamasina f’efa tsaboina any amin’ny hopitaly natokana ho an’izany.

62 (ROA AMBIN’NY ENIMPOLO) kosa ny isan’ireo olona sitrana soa aman-tsara.

TSY NISY NY AINA NAFOY NA IRAY AZA HATRETO ETO MADAGASIKARA NOHO IO ARETINA COVID-19 IO.
ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA IZANY.

TSY MISY INTSONY NY ATAO HOE CAS GRAVE.


Niova ny toro-marika ho an’ny olona miasa sasany, araka ny nambaran’ny Filoham-pirenena ny 19 Aprily 2020.
KANEFA SAMY TOMPONANDRAIKITRA ISIKA SATRIA MISY TOKOA CAS CONTACTS MANDEHANDEHA ANY HI ANY.
AZA MIANDRY ILAY NENINA AORIANA HANDATSA E ! KOA AZA MIALA ARO-TAVA MIHITSY ENY AN-DALANA ENY SY ANATY ANATY FIARAM-BAHOAKA.


Jeannot Ramambazafy

 

Mis à jour ( Samedi, 25 Avril 2020 14:17 )