]
Les quotidiens du 24 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Kanto Malagasy. Nodimandry androany 21 Septambra 2020 i Ramahafadrahona

Kanto Malagasy. Nodimandry androany 21 Septambra 2020 i Ramahafadrahona

Na amin’ny fomba ahoana dia tsy maintsy taitra foana aloha raha vao mahare ny fahalasan’ny olona fanta-daza.

Androany Alatsinainy 21 Septambra 2020, tao amin’ny hopitaly HJRA Anosy ary, dia nandao ity tany fandalovana ity i Rahamafadrahona, mpanoratra mpamoron-kira mpihira («auteur compositeur interprète») tsy misy izay tsy mahalala.

Alphonse Rakotomahafadrahona sy Mariette Rasoarinala, nitondra ny anarana Bakomanga, nodimandry ny 2 Jolay 2020

Alphonse Rakotomahafadrahona no tena anarany ary i Ramafa koa no fiantsoina azy. Teraka ny 09 Aogositra 1938 izy. Izany hoe 82 taona izy nandao antsika io. Ny taona 1960 izy no nanomboka niditra teo amin’ny sehatry ny kanto. Hafa mihitsy ny fomba fanetsehany ny lohany… Be hatsikana izay koa izy. «Bakomanga», «Mama», «Raozy Maria», «Ity semboko ity», «Vive l’amour»... Santionan’ny hira nampalaza azy ireo. Fa maro ireo noforoniny ka.


Nanolotra fandaharana ihany koa izy tao amin’ny RNM (Radio nasionaly). Ary izao foana no nanombohan’i Ramafa izany fandaharana izany :

«Dia manolotra ny arahaba soa arahaba tsara ho anareo mpihainon’ny Radio Madagasikara». Io Radio Madagasikara io no anisany nandaniany ny fahatanorany ary mbola hatramin’izy nandao antsika izao. Nankafiziny mihitsy ny manolotra hira gasy ho an’ny mpihaino. Ary dia nanentana ny fandaharana mitondra ny lohateny « Hira gasy » isaky ny Alahady tolakandro ihany koa izy ao amin’ity radiom-pirenena ity. Tsy vitan’izay fa mbola mpilalao tantara an’onjampeo tao ihany koa i Ramafa.


Ary na dia nisotro ronono efa ela izy, dia mbola nanatontosa hatrany io fandaharana mivohy ny kolontsaina tena malagasy io. Izao ny teny filamatr’ilay fandaharana : « Malagasy ve ianao? Malagasy ray sy reny, ary tena Malagasy ara-pomba sy fiteny? ». Io no nentiny nitety firenena maro nandratany hatrany ny kolontsaina malagasy. Izao no fandresen-dahatra nolazainy foana : « Tsy misy ratsy ny mozika fahiny sy ny ankehitriny, fa samy manana ny fanehoana ny kanto fotsiny ».

Mba fantatrareo koa ve fa mpilalao horonantsary koa i Ramafa ? Tsia ? Dia tadiavo ary ilay horonantsary mitondra ny lohateny hoe « Dadabe môderina », izay sady nosoratany no lalaoviny. Mpanoratra tantara, tononkalo ihany koa izy, ary matetika dia ampidiriny ao amin’ny fandaharana tontosainy izany asa sorany izany.

Saogany ihany no laniny

Tsy azo adino koa fa mpandihy i Ramafa ary mpandrindra ny dihy ataon’ny tarika « Ramahafadrahona ».

Hainy ary talenta mampiavaka azy ilay manodina loha iny na any anaty hira na eny an-tsehatra. « Tamin’izaho tany Inde no nianarako iny fihetsika iny », hoy i nanazava, indray mandeha izay.


Be ny azo lazaina mikasika an’i Ramafa izay tena mpanakanto feno tanteraka. Ary tsy adino fa niditra teo amin'ny sehatry ny politika ihany koa izy tamin'ny alalan'ny FVMM, ka kandida ho solombavambahoaka izy ny taona 2013. Fa izao aloha dia maneho ny fiaraha-miory amin’ny fianakaviana aho, amin’ny anaran’ny tenako sy ireo mpanao gazety mpiara-miasa rehetra amiko. Ho lazaina amin’ny manaraka ny momban’ny fanaovam-beloma farany an’i Ramafa.

Jeannot Ramambazafy

Tsy nisy fanaovam-beloma ho an'i Ramafa

Izay tokoa angaha no lahatra ? Ny alin'ny andro nahalasany ihany i Ramafa no nalevina anirotra ao Itaosy Vinany... Tsy hitako izay ambara fa io misy vidéo fahatsiarovana io fotoana sarotra sy mampahonena io... Isaora mitafotafo i Rossy. Fa mandrapahafindrana ny razany dia tsy handry am-piadànana mihitsy aloha i Ramafa e!


Mis Ă  jour ( Jeudi, 24 Septembre 2020 14:38 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety