Agnès Ravalitera, teraka Rakotomalala. Ferapara ny fodiany mandry

Samedi, 10 Octobre 2020 13:42 Madagate affiche
Imprimer

Amin’ny finoana ny fitsanganan’ny maty no ampandrenesana anareo havana, mpiara-miasa, namana sy tapaka, fa nandao ity tany fandalovana ity, tany Frantsa, ny alin’ny 7 Oktobra hifoha ny 8 Oktobra 2020, ny havanay Agnès (Nesy) Ravalitera, teraka Rakotomalala, teo amin’ny faha 71 Taonany.

Efa ela i Nesy no tsy salama. Tratry ny homamiadana eo amin’ny havokavoka (cancer des poumons). Nialana nenina izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Ny nofony dia havadika lavenona ("Crémation") any Frantsa ihany.

Isika rehetra izay nahalala an’i Nesy dia miara-ory amin’i Daniel vadiny, Cinthia, Nirina sy Mirana zanany, Suzette zandriny vavy ary koa ny havan’ireo mpiray tampo aminy rehetra tsy ankanavaka sy ny havan’Itompokovavy Mama Zelina (Roselle) sy Itompokolahy Rafra (François Rakotomalala).


Ny Talata 13 Oktobra 2020 no andro voatondro hanaovam-beloma azy farany. Ny Pompes funèbres CRITON, 10, rue de Lorraine ao Mantes-la-Jolie (78200), France, no hikarakarana izany (Obsèques). Ka toa izao manaraka izao ny fizotrany :

TALATA 13 OKTOBRA 2020

Chambre mortuaire

14h30 : fametrahana ny razana ao anaty tranovorona

15h00 : fanidiana ny tranovorona


Paroisse de Guernes-en-Yvelines, 21, rue de l’Abbé Grouet, Guernes (78520)

15h30 : fotoam-pivavahana ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fanaovam-beloma farany an’i Agnès (NESY)


Crématorium des Yvelines, 52, rue de la Nouvelle France, Les Mureaux (78130)

17h30 : firaisan-tsaina sy firaisam-po (Recueillement) aorian’ny namadihana ny nofony ho lavenona

MANDRIA AM-PIADANANA NY FANAHINAO NESY

Amin’ny anaran’ny fianakaviana iray manontolo.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 10 Octobre 2020 14:10 )