Andrianahy Johnson na Lendria. Iza moa izy ?

Mardi, 13 Octobre 2020 15:14 Madagate affiche
Imprimer

Very olomanga ny Faritra Atsimo Atsinanana, indrindra fa i Vangaindrano. Satria nodimandry ny 11 Oktobra 2020 tao Manakara Andriamatoa Johnson Andrianahy dit Lendria.

Anarana : ANDRIANAHY

Fanampinarana : Johnson (Lendria)

Teraka tamin’ny 12 Desambra 1959 tao Antsirabe

Zanak’i Johnson Rachel avy (Nagnasa)

Sy Ravoniarisoa Honorine (Vohilava)

Nianatra tao amin’ny EPP Nagnasa, nanohy tao amin’ny Collège Saint Vincent de Paul Farafangana

- Nahazo BEPC sy BACC tao amin’ny Lycée Sileny Paul tao Manakara

- Nanohy fianara tao amin’ny Université Antananarivo-Ankatso, nianatra Sociologie ary nahazo ny Diplôme DEA

- Nasondrotra ho Chevalier de l’Ordre National tamin’ny taona 2016

Manambady an’i Ramatoa RASOANJANAHARY Jacqueline, Dokotera.

Manana zanaka efatra :

- ANDRIANAHY Stella

- ANDRIANAHY Mahery

- ANDRIANAHY Onivolatiana

- ANDRIANAHY Tovohery

Manana Zafy iray :

- ANDRIANAHY Nathan

Ny asa nandraiketany :

- Directeur du Collège Luthérien Farafangana

- Niasa tamin’ny ODASE : 1989 - 1994

- Niasa tao amin’ny FID Fianarantsoa: 1995 - 2000,

- Niasa tao amin’ny FID Tamatave : 2000 - 2004

- Niasa tao amin’ny FID Toliara : 2004 - 2007

- Chef de Région Antsimo-Atsinanana : 2007 - 2009

- Directeur Régional PNUD : 2009 - 2010

- Niasa tao amin’ny FID Toliara 2010 - 2017

- Niasa tao amin’ny FID Manakara : 2018 - hatramin'izy nodimandry izao.


I ANDRIANAHY Johnson na i Lendria na iaban’ny Stella dia lehilahy nijoro tamin’ny fahamarinana, olon’ny fo, ankaiky ny olon’aby, fa indrindra ny fianakaviany.

Niasa tamina orinasa maro, misahana ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra.

Ny andro-piainany sy ny fahaizany dia natolony ho an’io Fampandrosoana io.

Tsy nataony ambanin-javatra ny Tanindrazany fa dia maro ny asa soa nataony ary dia very olo-manga isika, very azy.

Fa izy dia olo nampianatra zanaka ka ireo koa ny hanohy ny zava-bitany mba ho fampandrosoana ny Tanindrazana.

Zanak’i Vangaindrano i Lendria ka dia miara ory amin’ny Fianakaviana ny Faritra Atsimo Antsinana aby sy izahay ato aminy madagate.org

Mandria am-piadanana Papa,

Mandria am-piadanana Zandry, hoy ny zokinao Alphonsine Razanavony

Mandria am-piadanana Zoky, hoy ny zandrinao Jozia Rachel Baonova Johnson, Norovao Johnson, Victorine Johnson, Andriamahafaly Johnson, Bao Razanatiana Johnson, Arnold Johnson, Rachel Johnson Junior, Doris Johnson.


Mis à jour ( Mardi, 13 Octobre 2020 17:31 )