Beroroha. Notokanan’ny Praiminisitra Christian Ntsay ny CSAO

Mardi, 20 Octobre 2020 14:45 Madagate affiche
Imprimer

Ny Praiminisitra Ntsay Christian tany Beroroha, teo amin'ny fandraisany fitenenany

19 Oktobra 2020. Notokanana tamin'ny fomba ofisialy ny toby « Centre Spécial d’Aguerrissement Opérationnel » (CSAO) an'ny Zandarimariam-pirenena ao Beroroha, Faritra Atsimo Andrefana.

Raha tsiahivina, ny CSAO dia toby iray natokana hanitarana traikefa sy fahaiza-manao ka hampiharana avy hatrany ny hai-ady hamongorana ny asan-dahalo ao anatin'ny faritra mena iray voafaritra, hamondronana ihany koa ny hery rehetra ahafahana mandresy andian-dahalo maro.


Tonga nanome voninahitra izany fotodrafitrasa izany ny Praiminisitra Ntsay Christian, notronin'ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), teo ambany fiahian'ny Jeneraly Ravalomanana Richard Sekreteram-panjakana izay miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG), sy ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, Komandin'ny zandarimariam-pirenena (COMGN). Tonga nanotrona koa ireo olona Manankaja sivily sy miaramila ary ireo tomponandraikitra ambony eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena.

« Tsy ekena intsony ny hisian’ny distrika ho latsa-danja amin’ny fametrahana fandriampahalemana sy fampandrosoana amin’ny ankapobeny ». Izany no anisan’ny nasongadin’ny Praiministra Ntsay Christian tamin’ny fandraisana fitenenana tao anatin’iny fitokanana iny, izay nambarany fa mariky ny firosoana amin’ny paikady entina hampandrosoana sy hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana.


« Miaina ao anaty tsy Fandriampahalemana rahateo i Madagasikara », hoy hatrany ny Lehiben’ny governemanta, « ary velirano voalohan’ ny Filoham-pirenena, ny famerenana ao anatin’ny fotoana fohy ny Fandriampahalemana eto amin’ny tany sy ny fanjakana ». Ary nanolotra fisaorana manokana ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, noho izao fahavitan’ny fotodrafitrasa izao, ny Praiministra Ntsay, izay nanambara fa « fitaovana fotsiny ny fotodrafitrasa, fa ao ambadik’ izany dia misy ny finiavana hiarovana ny vahoaka. Noho izany, dia ilaina ny mandamina ny fomba fiasa mba hisitrahan’ny vahoaka ny Fandriampahalemana ».


Tamin’ity fotoana nihaonany tamin’ny vahoakan’i Beroroha ity koa no nanamafisan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fa «mpiasam-bahoaka ny mpiasam-panjakana ka amin’ izao fanovana rafitra sy tanjona izao dia mila mpiasam-panjakana moderina ny firenena, tokony ho eo akaikin’ny vahoaka lalandava, ary ialàna ny tsolotra sy ny fanaovana tandrevaka, ka mba ho mpiasam-panjakana hentitra, mahay ny asany ary manaja ny rariny sy ny hitsiny amin’ny fanatanterahana ny asany. Izay no hahafahana mamerina ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitondrana amin’ny ankapobeny».

«Raha mikasika ny Faritra Atsimo andrefana manokana, ary amin’ny lafiny fampandrosoana, dia tsara», hoy ny Praiministra namarana ny anjara fitenenany, «raha ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny no mijery ireo zavatra azo trandrahina (« potentiels ») amin’ny toerana iray, ka hampandeha tsara ny asa fampandrosoana any amin’iny faritra iny».


Ny Jeneraly Rakotonirina Richard (MDN) kosa dia niompana tamin'ny fiarahana misalahy amin'ireo mpitandro filaminana mba hisian'ny vokatra tsara amin'ny ady tsi-fandriampahalemana.


Nantitraterin'ny Jeneraly Ravalomanana(SEG) ny mikasika ny fiaraha-miasa hentitra sy milamina tokony hisy eo amin'ny mpisahana ny fitandroana ny filaminana, ny toerana misy ny Dinabe, ny fanadiovana anatiny eo anivon'ny Zandarimaria ary ny « primes de bravoure » ho an'ireo izay zandary mendrika nahazo vokatra tsara.


Taorian'ny lanonana fitokanana no namorian'ny Praiminisitra Ntsay Christian ireo tompon’andraikitra, olomboatendry sy olomboafidy rehetra nanatrika, izay nanomezany toro-marika mba hisian'ny fandriampahalemana any amin'iny faritra iny. Namafisany ny tondrozotra ho amin'ny fampandrosoana sy ny fandriampahalemana ifotony, ny fametrahana ny Sampandraharaham-panjakana rehetra ao antoerana, ny fanatsaràna ny fifandraisana (« réseau téléphonique ») ary ny fampandehanana ny hôpitaly Beroroha. Eo amin’ny lafin'ny fandriampahalemana indrindra dia nambaran’ny Praiminisitra fa hanomboka tsy ho ela ny asa fananganana ny « Commissariat de Police », ary hametrahana Fitsarana ambaratonga voalohany sy hanorenana fonja ao Beroroha. Nampanantena ihany koa izy, fa hotendrena ato ho ato ny Lehiben’ny Distrika izay hampitaovana fiara.

Zandary anjatony no voatendry sy efa tafapetraka hiasa ao miaraka amin'ireo fitaovana vaovao sy manara-penitra. Velom-panantenena ireo vahoaka tao antoerana fa mba ho afaka hamboly sy hiompy ampitoniana manomboka izao.


Noraisin’i Jeannot Ramambazafy

Loharanom-baovao : InfoSeg sy Primatiora

Mis à jour ( Mardi, 20 Octobre 2020 14:58 )