Ahmad, Filohan’ny CAF. Tratry ny aloka tampoka teo ary voasazy mafy

Lundi, 23 Novembre 2020 15:36 Madagate affiche
Imprimer

Tena tsy ny firenena malagasy iray manontolo ve no afa-baraka ? Nianjera tampoka androany Alatsinainy 23 Novambra ny « vaovao » fa nahanton’ny FIFA mandritra ny5 taona ingahy Ahmad Ahmad, Filohan’ny CAF (« Confédération africaine de football ») noho ny tsy nanajan’ny etika sy ny fanodikodinam-bola.


Ny dikany dia tsy mahazo misahana tontolon’ny baolina kitra mihitsy izy na alavitra na akaiky hatramin’ny taona 2028. Asa raha hampiakatra ny raharaha ny tenany. Fa tsy vitan’izay ny saziny fa tsy maintsy mandoa lamandy 185.000 euros (859 220 961,92 Ariary rey olona a ! Vola anie izany an !) koa ity Filohan’ny CF voafidy tamin’ny volana marsa 2017. Efa aman-taonany kosa anie no fantatra izany e ! Efa tamin’ilay raharaha Qatargate, ny taona 2015, fa tsy nisy…nirahaha.


Io ambony io ny vidéo hahitanao sy handrenesanao fa ho potehiny ny caméra an’ilay mpaka sary niaraka tamin’ilay mpanao gazety saika hanontany azy ny momban’io Qatargate io satria voatonona tao ny anarany. Fony izy Filohan’ny FMF (Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra) io vidéo io. Izao dia araky ny fitenin’ny zatovo : tratry ny aloka i Ahmad.

Tsindrio eto

Marihina fa nikasa ho kandida handimby ny tenany ao amin’ny CAF izy, ny 12 marsa 2021, no izao « tra-doza » izao… Inona moa izany ny aminy fa dia mazava tanteraka ny hoe « ny marina tsy mba maty ».

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 23 Novembre 2020 15:46 )