StarTimes Madagascar. Hisy roa volana fanampiny ny tolotra “BASIC”

Mercredi, 25 Novembre 2020 16:58 Madagate affiche
Imprimer

Nanomboka nitrangan’ny valan’aretina Covid-19, maro ireo orin’asa no niditra fatiantoka. Tao ny nampihena ny isan’ny olona miasa ao aminy, noho ny fidiram-bola ny orin’asa izay nihena tokoa. Misy ihany koa anefa ireo izay niezaka nampifandray amin’ny tranga-javatra, eo amin’ny fomba fihodinan’ny orin’asa.


Orin’asa iray izay anisany nisedra izay fahasarotana izay ny StarTimes, na dia hita aza fa orin’asa mamokatra fialam-boly ho an’ny isa-tokantrano. Ny fihiboana niainana volana maromaro rahateo dia tsy nafahan’ny ankamaroan’ny olona mivoaka noho ny fepetra tsy maintsy nohajaina. hany tokana izay azon’ny isa-tokantrano natao nandritra ny fihiboana ireny ny mijery ny fahitalavitra.


Nandritra ireny vanim-potoana ireny tsy nitsahatra nanao izay hahafa-po ny mpanjifa ny StarTimes. Nanolotra ireo tolotra samihafa ary nisy mihitsy aza ny fampitomboina ny “Canaux” misy ao aminy. Teo koa anefa ny fanomezana tolotra “StarTimes ON” izay afahana mijery écrans telo samihafa nanaovana tolotra nandritra ireny fihiboana ireny ; ny “StarTimes GO” afahana manafatra entana mivantana ary raisina any an-trano ho ireo izay nanafatra.


Hitohy mandritra ny faran’ny taona ny fanomezana fahafaham-po ka anisany tafiditra amin’izany ny fampihenana ny vidin’ny “décodeur” ny Star times efa misy fahana iray volana avy hatrany.


Ny mikasika ny famandrihana “BASIC” indray, ho an’ireo mpanjifa, dia misy tolotra atao hoe “Bouquet supérieur” fanampiny mandritra ny roa volana .

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mercredi, 25 Novembre 2020 17:02 )