MADAVISION. HANAMPY NY RAY AMAN-DRENIN’ NY MPIANATRA NY «GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR» SEPT-OKT. 2022

Mardi, 27 Septembre 2022 18:58 Madagate affiche
Imprimer

Marina f’efa nisy ny mpianatra niditra fa mbola misy koa ny hiditra amin’ny volana Oktobra 2022 ho avy. Hanamaivanana ny ray aman-dreny rehetra ary dia ho tontosain’ny orinasa Madavision, tarihin’i Ramatoa Harilala Ramanantsoa, ny « Grande Braderie de Madagascar ».


Ao no hahitan’ny mpitsidika rehetra ireo karazana fitaovam-pianarana hamidy ao amin’ny tranoheva mandray anjara izay hampiatra fihenam-bidy hatrany amin’ny 15%. Eny fa ny entana hafa rehetra dia hisy izay fihenam-bidy izany.


Oviana sy iza no hanatanterahin’ny Madavision io hetsika mahasoa io ? Ny 29 Septambra ka hatramin’ny 02 Oktobra 2022 ao amin’ny Kianjan’ny Barea ao Mahamasina Antananarivo.


Vidim-pidirana : 2.000 ariary

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mardi, 27 Septembre 2022 19:31 )