EDSON ARANTES DO NASCIMENTO fantatra amin’ny anarana hoe PELE

Samedi, 31 Décembre 2022 06:55 Madagate affiche
Imprimer

Nodimandry teo amin'ny faha-82 taonany i Pelé

Pelé dia mpilalao baolina kitra mizaka ny zom-pirenena Brezilianina.

Teraka ny 23 Oktobra 1940 tao Três Corações ary nodimandry 29 Desambra 2022 tao Brésil.

NY ZAVA-BITANY MBOLA TSY NISY NAHARESY :

* Nahatafiditra baolina miisa 757 tamin'ny fifaninanana ofisialy.

* Mpilalao irery hatreto, maneran-tany, no niatrika in-telo ny Amboara eran-tany eo amin’ny baolina kitra izay nobatainy in-telo tao anatin’ny ekipam-pitenena brezilianina na ny Selecao : 1958, 1962 ary 1970.

Efa minisitry ny Fanatanjahantenan’ny Brésil i Pelé (1995-1998).

Taorian'i Diego Maradona izany (30 oktobra 1960 - 25 novambra 2020) dia nisy olo-malaza maneran-tany eo amin’ny baolina kitra iray hafa nandao ity tany fandalovana ity

MANDRIA AM-PIADANANA PELE

Jeannot Ramambazafy

************

NY FILOHA ANDRY RAJOELINA TEO ANATREHIN’NY FAHALASAN’I PELE


Nandao ny kianja farany ny Kintana malaza indrindra maneran-tany eo amin'ny taranja baolina kitra.

Isaorana i Pelé nahatonga ireo mpankafy an-tapitrisany noho ny fomba filalaovany baolina ka nanonofy ny hanana ny talentany izay nanamarika ny Tantara.

Miara-miory amin’ny fianakaviany sy ny mpankafy azy rehetra ny Firenena malagasy.

Dika-teny malalaka : Jeannot Ramambazafy

 

 

Mis à jour ( Samedi, 31 Décembre 2022 07:04 )