Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

Samedi, 11 Novembre 2023 07:57 Madagate affiche
Imprimer

Ity misy fanambaran’i Rasolonjatovo Honoré tsara ho tadin’ny Tantaran’i Madagasikara sy ny taranaka fara aman-dimby :

« Nanomboka ny taona 1988 tany aho dia efa nahatsapa fa mikorosofahana isika satria nanomboka teo amin’ny antsoina hoe “libéralisation” dia toy ny hoe mandehana manao izay tiany atao. Tsy misy firy intsony ny fanajàna lalàna. Tsy misy mandray lesona ireo filoha nifandimby. Ny ao ambadiky ny hetsika misy rehetra hatramin’izao dia ny hoe ahoana no fomba handrodanana ny fitondrana misy ? Matetika tsy mahandry ilay 5 taona izahay mpanao politika ary izay no antony ilazako hoe tokony hitady fomba fanaovana politika maoderina amin’izay isika … ».

Marihina f’efa tamin’ny taona 2003, tao Faratsiho, i Rasolonjatovo Honoré no voafidy Solombavambahoaka tsy ankiato. Izany hoe nanditran’ny 20 taona.

Amin'ny anaran'ny mpiara-miasa ato aminy madagate dia miara-ory aminareo fianakavian’i Rasolonjatovo Honoré sy mitondra ambavaka anareo.

Mandria am-piadanana Papa Solo.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 11 Novembre 2023 08:10 )