]
Les quotidiens du 24 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara-Etazonia. Luke Zahner nampiseho ny tena Demokrasia!

Madagasikara-Etazonia. Luke Zahner nampiseho ny tena Demokrasia!

 

Luke Zahner sady miandry fanontaniana no tonga dia afala mamaly mivantana

Andriamatoa Luke Zahner dia tompon’andraikitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao amin’ny masoivoho amerikana eto Madagasikara. Taorian’ny nandalovan’i Ramatoa Linda Thomas-Greenfield, Sekreteram-panjakana lefitra amerikana misahana ny raharaha aty Afrika, dia nanokatra toerana iseraserana mivantana ao aminy facebook Andriamatoa Zahner. Mila mahalala vaovao marina avy any ifotony ny vahoaka ary anjaran'ny mpanao gazety ny manely azy ireo.

 


Nahazo fanasana tokoa aho fa tsy teo amin’ny solosaina aho tamin’io andro sy ora voatondro io. Ka ny fanontanian’ny zandry Garry, mpanao gazety ao amin’ny « L’express de Madagascar », mikasika ny andramena no asehoko ho anareo mpamaky eto. Marihina fa ny valin’Andriamatoa Luke Zahner dia hevitry ny governementa amerikana fa tsy azy manokana.

 




Ny Ambasadaoron'ny Etazonia, Robert T. Yamate (tsy dia tazana firy tany Iavoloha, ny 8 Janoary teo), ny Sekreteram-panjakana lefitra amerikana misahana ny raharaha aty Afrikany, Linda Thomas-Greenfield, ny Filoha Hery Martial Rajaonarimampianina Rakotoarimanana

 

Ary misy dikany matoa izy nanokatra ity sehatra ao aminy facebook ity, taorian’ny fandalovan’i Ramatoa Thomas-Greenfield teto Madagasikara -mila vaerina indray-. Satria raha ionona amin’ny serasera ofisialin’ity fitondrana ity dia sady mamita-tena izy io no mamita-bahoaka. Hafa ny fomba fiteny ara-pomba diplomatika ary hafa ny zava-misy sy ny tena fijerin’ny fitondrana amerikana ny zava-misy. Aminy tsy manga mihitsy ny lanitry ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna eto Madagasikara, taorian’ny fifidianana tamin’ny volana desambra 2013. Ho voaraoka toa ny Ambasadaoro frantsay François Goldblatt (izay nampiasa ny Twitter nilazany fa tsy mazava ny raharaha tao amin'ny Tahirim-bolam-panjakana nahatonga ny fandroahana an'ny Tale jeneraly Orlando Robimanana), ve i Luke Zahner? Eo isika hahita azy, hoy Jaojoby izay…

Jeannot Ramambazafy – 14 Janoary 2016

 


KOLORINDRA GARRY RANAIVOSON

Salama tompoko. Ny fanontaniako voalohany: Miverina foana ny resaka fanamafisana ny ady amin'ny kolikoly, amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena, ary koa ny resaka « bonne gouvernance », rehefa mandray fitenenana ny solontena amerikanina. Mbola naverin'i Ramatoa Linda Thomas-Greenfield izany. Midika ve izany fa tena mbola tsy hita taratra mihitsy ny ezaka ataon'ny mpitondra amin'ireo sehatra ireo? Raha efa misy azo tsapain-tanana, dia inona izany no mbola tsy ampy, matoa averimberina foana ireo teboka ireo?


LUKE ZAHNER

Faly mitafa aminao Garry. Na nisy aza ireo ezaka vita teo amin’ny lafiny fitantànana taorian’ny fifidianana ny taona 2013, ny zava-misy aloha dia nitohy tsy nijanona ny fitrandrahana sy fanondranana tsy ara-dalàna ny andramena. Toe-javatra mampiahiahy ny mahita fa maro kokoa ireo olona nampidirina am-ponja fa nolazaina fa nanala-baraka ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna ny andramena noho ny isan’ireo tena mpanondrana andramena naiditra am-ponja.

Efa tena ezaka ny hoe manana governemanta voafidy isika taorian’ny dimy taona nisian’ny fitondrana nanongam-panjakana. Ary ekenay ireo ezaka vita hatramin’ny taona 2013. Tsy midika anefa izany fa tsy mbola miatrika olana goavana ny firenena.

Ny kolikoly sy ny fanondranana andramena antsokosoko izay zary endrika isehoan’izany hita maso indrindra ary noresahan-Rtoa Sekreteram-panjakana lefitra ireo nandritra ireo fihaonana nataony teto ny alatsinainy teo. Mbola mipetraka ho olana lehibe ireo ho an’i Etazonia, ny fiombonambe iraisam-pirenena ary mazava ho azy ho an’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy izay ifampiresahanay sy mifanena na mihaona aminay manerana ny nosy.

Mety hivaha haingana io resaka andramena io satria efa tsy ho ela dia ho ringana tanteraka ato anatin’ny taona vitsy ireo andramena sy hazo sarobidy ananan’i Madagasikara. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: inona indray no aorianan’ny andramena, satria ireo heloka manodidina ny varotra antsokosokon’ny andramena dia hitady làlan-kafa indray hiroboroboana, ary mety ho làlana mamono izany. Ny andramena dia manjary toy ny « rongony mamatotra ».

****************************

Io fanontaniana sy ny valiny io, ary koa ny hafa, dia hitanao ao amin’ny kaonty facebook (tsindrio ETO ho an'izay manàna kaonty)

Misy ampahany koa nadikan’i Garry teny frantsay ao amin’ny «L’express de Madagascar» (ETO). Rahoviana ny mpanao gazetin’ny Tvm sy Rnm no hahazo alàlana miditra amin’ity fitaovan-tserasera ity ary ho azon-dry zareo ve ny mamoaka azy? Tsia ny valiny fa tonga dia voaraoka eo no eo. Ka aza midradradra hoe tany tan-dalàna sy demokrasia no misy eto Madagasikara ry mpitondra isany a ! Lasa voakajy ho olo-mavandy ianareo.

Ireto kosa misy isa tena hatalanjona anao mpamaky


Araky ny tatitry ny « Consortium international de lutte contre la criminalité, liée aux espèces sauvages » na koa CITES dia:

Janoary 2014 : 20,8 taonina hazo andramena avy aty Madagasikara no tratra tany Shina

Febroary 2014 : 110 taonina no tratra tao Tanzania ary hazo andramena tsy ara-dalàna miisa 2.135  no tratra teto Madagasikara ihany

Marsa 2014 : six contenera miisa 6 feno hazo andramena no tratra tany Tanzania

Aprily 2014 : 419 taonina no tratra tany Sri Lanka

 

Oktobra 2015 : 90 taonina no tratra tao Mozambika ary, 1008 taonina tao Hong Kong.

 

Nicole Andrianarivoson teny Iavoloha, ny 8 Janoary 2016

 

Maro anefa no tsy voara-maso... Marihina fa tamin’ny volana Desambra 2015 dia nisy andramena tratra tao amin’ny seranatsambon’i Toliara ary nahavoaraoka ny Tale jeneralin’ny Rano sy ny Ala kanefa i Ramatoa Nicole Andrianarivoson no voatondra fa anisan’ny mahatonga io trafikina andramena io (ETO). Fa hatreto aloha dia nangina (na gina, asa?) tanteraka ingahy filoha Rajaonarimampianina. Ao raha...

Jeannot Ramambazafy - 14 Janoary 2016

Mis Ă  jour ( Jeudi, 14 Janvier 2016 10:18 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety