]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina. «Faire de la politique n’est pas une obligation mais un devoir»

Andry Rajoelina. «Faire de la politique n’est pas une obligation mais un devoir»

Ci-après le texte intégral du discours du président de la Transition 2009-2014, Andry Rajoelina. Que ceux qui aiment vraiment Madagascar prennent la peine le traduire. Merci beaucoup.


« Ny voalohan-teny, angamba, dia am-pitiavana no iarahabana anareo rehetra manatrika etoana. Am-pifaliana lehibe no andraisana anareo, satria tonga an-tanàna ianareo. Matoa nisokatra ho anareo izao ny varavarana, dia tiako ny manambara anareo fa misokatra torak’izany koa ny foko.


Maro dia maro ireo naniry, satria ireo namana dia betsaka no niantso, betsaka no nilaza hoe: mba te-hihaona aminao izahay, Andriamatoa Filoha, te-hihaona aminao izahay, Prezidà no ny raharaham-pirenena. Tsy maintsy hihaona aminao izahay. Hoy aho hoe: raha ny isan’olona te-hihaona amiko izany, eto andrenivohitra hatrany eny ambanivohitra ka hatrany amin’ny faritra rehetra any, dia maro be.


Maro tokoa ireny namanama na hoe namana raha misy patsa. Niantso ahy koa izy ireo! Asa maninona, mitsoka mankaiza izany rivotra izany? Fa hoy aho hoe: andraso eo aloha. Dia mbola ao koa ireo namanamana na ireo mody namana. Fa hoy aho hoe: aoka aloha. Fa ianareo tena namana kosa, dia am-pitiavana be no andraisana anareo.

Maro ireo olona, rehefa mifanena amiko, na amina fetim-pianakaviana, na misy fahoriana, misy ary moa ny sasany dia mifanena amiko, lazaiko aminareo fa dia mifandray amin’ny tanako fotsiny dia manganoano, te-hitomany. Dia hoy aho hoe: fantatro ny tianao ho lazaina. Fa maro aminareo no milaza: Prezidà, miaina ao anatin’ny loto izahay; miaina ao anaty fako izahay; miaina ao anatin’ny aizina izahay. Vonjeo ity firenena ity Prezidà, mandraisa ianao andraikitra.

Hoy aho hoe : handraso aloha. Ny ahy dia : matoa isika niteny hoe: ny fitiavana no lehibe indrindra, dia ao anaty Baiboly izany: « Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra » (1 Korintiana Toko 13). Lalina anie izany ry zareo, fa hoe: ahoana ny fitiavana no mbola ambonin’ny finoana? Ny fitiavana no mbola ambonin’ny fanantenana? Lalina izany. Ary matoa isika naka iny dia misy dikany. Ny fitiavana tsy hoe: raisiko vitsivitsy ilay fitiavana; ny fitiavana tsy mba mirehareha; ny fitiavana tsy mba mieboebo. Isika eto dia manetri-tena foana, tsy mba mirehareha izany.


Fa ny sasany? Aleho aho tsy hiteny, ianareo no mitsàra. Gaga aho, misy miteny, ao anatin’ilay izy rehefa mivoaka any ivelany. Misy miteny ny sasany hoe rehefa mandeha dia entiny i dadatoa i nenitoa… Olona telo polo, efa-polo. Dia izaho angamba mety homen’olona tsiny satria tamin’izaho nitondra dia olona fito. Tany Shina aza izao sy ingahy minisitra ihany no tany. Fito satria rehefa mitantàna firenena dia mila tantànana ao anatin’ny fahendrena. Izay ny zavatra lehibe. Ka io fitiavana io dia tsy azo amidy, tsy azo atakalo. Fa raha mivarotra fitiavana ianao androany, ohatra misy mivarotra fitiavana, iny ihany dia vita…-, fa ny fitiavana tena marina maharitra. Marina sa tsy marina izany?


Ny fitiavana dia mahita ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra ary manantena ny zava-drehetra. Izay fanantenana izay no mahatonga antsika eto hatramin’izao. Fa ny farany moa, ao anatin’izao zavatra iainan-tsika izao, dia misy ianareo artista be dia br tonga eto. Izaho tsy manadino anareo. Hoy aho hoe: tsy maintsy antsoina ireo namako artista satria izao: ny tenako manokana dia tena reconnaissant aminareo noho ny fiaraha-miasa-tsika, noho ny fifankatiavantsika. Nanao tour de Madagascar isika nametraka olona anankiray, fa asakasak’izay tsy mahatsiaro anareo fa i Andry Rajoelina mahatsiaro anareo foana na androany, na rahampitso na rahafak’ampitso.


Miresaka artista ihany isika dia tena tiako mihitsy, ao anatin’ny zavatra iainan-tsika izao, ny hiran’i Poopy hoe « tano mafy am-ponao f’izay manao ny marina, n’inona n’inona manjo dia tsy mba resy fa mbola miarina ». Betsaka ny olona mitsikera antsika; betsaka ny olona manenjika antsika fa ny teniko fotsiny dia izao: raha omeko anao ny kiraroko, dia anaovanao iny; dia andehananao ny lalàna nalehako; dia rehefa solafaka ianao dia mitsangàna; rehefa misy mamandrika ianao dia mitsangana dia mandehana ihany; dia dingano ny tendrombohitra maroa, dia raha vitanao izany dia mazaka ny fitsikerana, dia hoy aho hoe: midera anao aho ary mitehaka anao satria ianao no tena mahery.


Fa isika kosa, manam-pinoana ary mino ny ampitso ary afaka atao tsara ny manavotra ity firenena ity. Rehefa nanontaniana mpanao gazety iray tany ivelany aho hoe: « Monsieur le Président, vous allez encore faire de la politique ? », dia niomehy aho sady niteny azy fotsiny hoe: « Oui, Monsieur, ce n’est pas une obligation, c’est un devoir »».

Tsy nivaky na ny saraka akory ny ARMADA (Alliance Républicaine de Madagascar). Ireo izy ireo (Sarah Georget, Camille Vital, Hajo Andrianainarivelo, Jean-Louis Robinson) niampy an'i Sylvain Rabetsaroana

Nandika an-tsoratra: Jeannot Ramambazafy

Sary: Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 25 Janvier 2016 17:42 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety