]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina, 25.12.2018. Teny fohy teny amin’ny Mompera Pedro

Andry Rajoelina, 25.12.2018. Teny fohy teny amin’ny Mompera Pedro

« (…) Ianareo Akamasoa dia efa fianakavianay, namanay ary zanakay. Izay indrindra no nahatonga anay dimy mianaka efa nandritra ny taon amaro, isan-taona isan-taona, dia mankalaza ny fetin’ny Noely izany eto Akamasoa. Ary isaky ny mankalaza izany eto izahay, dia vao mainka tsapanay fa miditra ao anatinay ny Fanahy Masina satria mahita anareo ankizy be dia be mihoby, mankalaza ny nahatongavana sy nahaterahan’i Jesosy Kristy ilay Mpamonjy.

Dia mirary soa, indrindra ho anareo ankizy rehetra rehetra ary mankahery anao ihany koa Mompera. Misaotra an’Andriamanitra izahay, misaotra an’i Jesosy Kristy nanome anao satria raha tsy nisy anao tsy nisy ireto mpino notezainao marobe ireto. Ary ny fanirian-tsika mba hifankatia ny Malagasy rehetra rehetra, hiray fo hiray saina, hifanome tànana mba hanavotra ity Madagasikara nosy malalan-tsika ity.

Mino sy manantena aho fa androany dia fankalazana ny nahaterahan’i Jesosy Kristy Tompo, ary mino sy manantena aho fa ho avy ihany koa, ho tonga ihany koa ny ho avy mamirapiratra ho an’ny Malagasy, ho an’ny vahoakan’ny Akamasoa rehetra rehetra, ho an’ny firenena iray manontolo, ka ny soa iombonana no ho katsahina mandrakariva.

Reko tsara ilay hira nataonareo teo hoe : izay ataonareo an’ireny madinika ireny, hoy i Jesosy Kristy, dia tokony ataonareo ho Ahy. Ka dia tsapako, tsapako izany ka hifanome tànana isika ary ho ataon-tsika ny hampandroso an’i Madagasikara ary indrindra ny hampandroso an’i Akamasoa.

Misaotra antsika rehetra.

Ny teniko farany, satria araka ny noteneniko teo hoe : ianareo eto Akamasoa dia efa noraisinay ato am-ponay ; noraisinay ho havanay, noraisinay mianakavy ho zanakay. Ka mba anamàrika ny Noely androany, araky ny fandaminana, amin’ny maha havanareo, amin’ny maha zanaka anareo izay, dia iaraka hisakafo amin’ankizy izay voafantina ato amin’ny Akamasoa izahay dimy mianaka miaraka amin’ny Mompera Pedro androany. Dia misy fanomezana ihany koa, tsy ho tononina eto f'efa ho zaraina ho an’ny fianakaviana sy ny ankizy rehetra any an-tokan-trano rehetra eto amin’ny Akamasoa. Dia samia ho tahian’Andriamanitra daholo, ho tanteraka ny fanirian-tsika.

Misaotra antsika rehetra rehetra ».

Nandray ny feo an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Mercredi, 26 Décembre 2018 16:24 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety