Shina sy Madagasikara. Hifampizara traikefa eo amin’ny lafin’ny Kolontsaina

Samedi, 23 Mars 2019 16:39 A la une
Imprimer

Ramatoa Yang Xiaorong, Masoivohon’ny Shina eto Madagasikara sy Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, diboky ny hafaliana

Nanao fitsidiham-piara-miasa ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, tao amin'ny birao fiasany etsy Anosy, ny zoma 22 Martsa 2019, ny Masoivohon’ny Shina, Ramatoa Yang Xiaorong, miasa sy monina eto Madagasikara.


Fitohizam-piara-miasa eo sehatran’ny Kolontsaina no tena niompanan’ny dinika teo amin’ny roa tonta. Nisy ihany koa ny fanasana nataon’ny masoivohon’ny Shina ho an’ireo mpanakanto Malagasy, handray anjara amin’ny « Festival » izay atao any Shina ny volana Mey ho avy izao, ary ny fahatongavan’ireo mpanakanto sinoa eto Madagasikara.


Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nanamafy fa mitombo hatrany izay fiarahamiasan’ny Shina sy Madagasikara izay. Anisan’izany ny fanofanàna ireo mpanao gazety Malagasy. Raha eo amin’ny lafin’ny Kolontsaina kosa dia ny fisian’ny fifanakalozana traikefa eo amin’izay Kolontsaina ny roa tonta izay.

Voaresaky ny roa tonta ihany koa ny mahakasika ny fiarovana sy ny fanatsarana eo amin’ny vakoka misy eto Madagasikara.

Soratra : Andry RAKOTONIRAINY Sary : Harilala RANDRIANARISON

Mpiana-draharaha ((Stagiaire): Mialy AUDREY (Institut Confucius)

Mis à jour ( Samedi, 23 Mars 2019 16:47 )