]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina. Kabariny teny Manjakamiadana, ny 11 Avrily 2019

Andry Rajoelina. Kabariny teny Manjakamiadana, ny 11 Avrily 2019

Tsy asian-tsika resabe fa ity manaraka ity ny kabary iray manontolo nataon’ny Filoha Andry Rajoelina teny amin’ny Rovan’i Manjakamadiana, androany Alakamisy faha-11 Aprily 2019.


« Ianareo raiamandreny lehibe isan-tokony, araka ny fiandrianany avy ;

Ianareo lehiben’andrim-panjakana isan-tokony ;

Andriamatoa sy Ramatoa isany mpikambana ao anatin’ny governemanta ;

Andriamatoa sy Ramatoa isany masoivoho vahiny monina sy miasa eto Madagasikara ;

Ry Malagasy Namana ;

Tsaratsara Tompokolahy, Arahaba Tompokovavy.

Eto anaty Rova, faritra avo indrindra eto Analamanga no tafavory isika rehetra ankehitriny. Raha mitodika mianavaratra-atsinanana isika, dia mifankahita amin’Ambohimanga ; raha mitopy miankandrefana kosa isika, dia tazana ny vohitr’Ambohidratrimo ; raha mitodika mianatsimo, dia tazana ny tapin’Ambatofotsy ; raha mitodika miantsinana dia tazana Angavokely.

Izany hoe : eto amin’ity toerana misy antsika ity no ivo sady avon’Antananarivo ary izany no isan’ny nosafidianan’ireo Mpanjaka fahiny azy ity nanorenana ny Rovan’Antananarivo. Toerana niorenan’ny Fanjakana, nisandratan’ny Fiandrianam-pirenena ; toerana notantanana an’i Madagasikara ho nosy iray tsy mivaky anatin’ny fahasamihafana ka nampiray ny Malagasy tsy vaky volo.

Tsaroako etoana manokana ny tenin’Andrianampoinimerina hoe : « Ny ranomasina no valam-parihiko ». Fa izaho kosa eto, androany, dia manambara amintsika hoe : hatreny amin’ny faravodilanitra midadasika no hibaliaka ny tanamasoandro hitondra hazavana sy ho avy mamiratra ho an’ny isan-tokan-trano, ka izany no hiteraka hafanana indray, hamelona ny ambo-po-pirenena sy ny fitiavana tanindrazana hiredareda ao am-po-ntsika tsirairay avy.

Manana ny lanjany manokana ity toerana ity satria teto no nametrahana ny fahefan’i Madagasikara tamin’ny andron’ny faha mpanjaka. Teto anaty Rova no niorina sy nisandratra ny fiandrianam-pirenana mariky ny firaisam-pirenena. Koa noho izany dia rariny loatra, ary ataontsika, nataontsika ary ho ataontsika laharam-pahamehana ny famitàna ny fanarenana ity Rova ity.


Koa anio Alakamisy 11 Aprily 2019 no natokantsika ho fanomboana ny asa famitàna ny fanarenana ny Rova eto Antananarivo ahitana an’i Besakana, ny Lapan’i Manjakamiadana ary ireo vakoka rehetra mandrafitra ity toerana ity izay manana ny lanjany manokana eo amin’ny Tantaran’i Madagasikara. Izay indrindra no isan’ny nanaovan-tsika teto amin’ity fiangonana ity, tamin’ny 17 Janoary 2019 lasa teo, ny fangataham-pitahiana ho an’ny Tanindrazana ary nitrotrona am-bavaka ny Firenena raha vatany voatafajoro ny governemanta, ary nametraha-ntsika ny fanamby hamitana ny asa fanarenana ny Lapan’i Manjakamiadana sy ny Rova iray manontolo.

Roa volana sy tapany aty aoriana, dia tonga eto isika anio. Koa atombontsika ny famitàna an’ny Lapan’i Besakana. I Besakana izay anisan’ny Lapa tranainy indrindra teto, ary ny mpanjaka Andriamasinavalona no nanorina azy ho tandroky ny tany sady ondam-panjakana hoy ilay tononkalo malaza. Ny famitan-tsika ity anaty Rova ity dia anandratan-tsika ny Fiandrianam-pirenena, ary amelomana indray ny ambo-po-pirenena ao anatin-tsika entina hanavotana sy hampandrosoana an’i Madagasikara ilay nosy malalantsika.


Tompokolahy sy Tompokovavy,

Semban-drahona tokoa mantsy ny firenena raha tamin’ny 6 Novambra 1995 rehefa may ny Rova ary nitomany i Madagasikara iray manontolo. Ankehitriny, raha mijoro eto anoloanareo aho, dia tsy manao fanambarana fotsiny fa anao velirano fa tsy maintsy ho vitain-tsika mialohan’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenenan’ny Fahaleovantenantsika, ity vakoka goavana manana ny hasiny eto amin’ny Firenena ity.

Raha tsy mametraka fanamby isika mantsy dia tsy handroso mihitsy ny Firenena. Raha hifampitsikera ihany koa, dia manao amina toerana foana lava izao. Raha ny famitàna ity Rova ity, raha ny famitàna ity Lapan’i Manjakamiadana ity dia afaka ataontsika hoe afaka 10 taona vao mety ho vita. Fa isika miasa aingana ary izay teny nolazain-tsika tsy maintsy ho tanterahana. Ary izay no noteneniko hoe : afaka iray taona ho reharehan’ny Malagasy, dia ho vita ity Lapan’i Manjakamiadana sy ny Rova eto ity.

Zava-dehibe izao lanonana atrehin-tsika androany izao satria fanajana ny fototra ary fanomezan-kasina ny loharano niaviana. Ny tenako manokana dia tia mandalina ny Tantara ary ny taranaka Malagasy dia tokony mahafantatra sy mahalala ny tantaran’ny Firenena ihany koa mba afahantsika mibanjina ny ho avy. Tsy afaka handroso mihitsy mantsy isika raha tsy mahafantatra ny hoe : avy aiza isika ary ho aiza isika ?


Raha mahakasika an’Anatirova manokana dia fanta-ntsika fa ny mpanjaka Andriamanjaka (Ttf: Andrianjaka no tian’ny Filoha ho tenenina, izay nanjaka teo anelanelan’ny taona 1610 sy 1630) no nanorina ny Rovan’Antananarivo voalohany ary notohizan’ireo mpanjaka rehetra nifandimby ny fanorenana sy ny fanatsarana ireo Lapa mandrafitra azy. Taty aoriana dia ny Mpanjakavavy Ranavalona I no nampanorina ny Lapan’i Manjakamiadana izay ato aorianako ato. Ka ny mpahay tao-trano Jean Laborde no niandraikitra ny maharo ny tranon-dapa izay nahorina tamina hazo, ny taona 1839.

Nohavaozin’ny Mpanjakavavy Ranavalona II izany ho rafi-bato arak’izao endrika ahitana azy izao, ny taona 1869, ka ny mpahay tao-trano James Cameron indray kosa no nanamboatra azy tamin’izany fotoana izany. Ny taona 1895 kosa dia notafian’ny Frantsay i Madagasikara ary notifirina tamina tafondro ny Rova ary nanomboka teo dia voazanaka i Madagasikara.

100 taona katroka taty aoriana, ny alin’ny Asabotsy 6 Novambra 1995, dia afo niredareda no tazana tety. Difotry ny setroka ny lanitran’Antananarivo, taitra ny rehetra, latsaka ny ranomaso satria may ny Rova. Fandoroana tsy fanta-pihaviana ve ? Fandoroana niniana ve sa tahaka ny loza rehetra ? Mbola mipetraka ny fanontaniana ankehitriny. Fa dia niteraka ratra am-po sy adin-tsaina ary adim-panahy ho an’ny Malagasy izany toe-javatra izany.

Ratra lalina satria ny maha-izy azy ny Firenena no simba, rava ary lasa lavenona. Ankehitriny, indreto isika mianakavy ary ho vitain-tsika tanteraka ny Rova amin’ny taona ho avy, izany hoe 25 taona aty aorian’ny naha may azy.


Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Eto amin’ity toerana manerinerina ity no hibanjinan-tsika ny ho avin’ny Firenena. Ho averin-tsika amin’ny endriny taloha ny Rova ary hapetran-tsika ho isan’ireo vakoka manan-danja maneran-tany na ho angatahan-tsika ho atao « patrimoine mondial » ity toerana ity. Ho ampiasain-tsika ny teknolojia maoderina mba hampahafantaran-tsika sy hampiainan-tsika ho an’ny taranaka fara aman-dimby ny tantaran’ireo mpanjaka nifanesy amin’ny alàlan’ny fampiasana « projection » sy fampiasana « hologramme ».

Izany hoe, any amin’ny rihana faha-3 dia toa ireo mozea maneran-tany, dia ho alain-tsika ny horonan-tsary na hoforonintsika indray ny endrika, ny fomba na ny fitenin’ireo mpanjaka nifandimby izay nanamarika an’ny Tantaran’ny Firenena. Ho ataon-tsika maoderina, ho ataon-tsika miverina ohatry ny tamin’ny teo aloha ity Rovan’i Manjakamiadana ity. Tsy ho avelan-tsika ho fahatsiarovana fotsiny izany, izany hoe Anatirovan’Antananarivo izany fa ho antsangan-tsika eto indray, araka ny endriny fahiny.

Ary ny afo izay nandoro azy dia ho solon-tsika ho Afon’ny Fitiavan-tanindrazana ao am-pontsika tsirairay. Koa ho tontosain-tsika ao anaty fotoana fohy, hoy aho, araka ny nolazaiko teo, mba ho reharehan’ny Malagasy amin’ny fankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny Fahaleovantena izany asa ho tanterahantsika izany.

Tsy maintsy ho tafarina ny Firenena. Tsy maintsy mandroso ary ho sangany i Madagasikara, koa ho firenena misandratra handry fahizay ny Nosintsika.

Masina ny Tanindrazana, ho sambatra i Madagasikara.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy ».

Nandika ny kabary ho soratra mitoetra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison

Antananarivo, faha-11 Aprily 2019

Mis Ă  jour ( Mercredi, 24 Avril 2019 16:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety