Madagasikara. Antenimieran-doholona ho foanana sa tsia?

Lundi, 29 Avril 2019 06:21 A la une
Imprimer

Fa rahoviana ihany ny Malagasy sasany no ho tonga saina fa any amin’ny tsy mivonto foana no lazaina fa manain-taina. Ny sasany moa dia hoe: manindrahindra ny filohan’ny Sénégal ny filoha Andry Rajoelina. Fitsikerana maivana toa ny lohan’izay nanoratra izany. Na koa tena tsy mahafehy ny teny frantsay, teny fifandraisana amin’izao tontolo izao, fa tsy raisina toa teny fanjanahana akory.

Koa izao ny dikan-tenin’ny voalazan’ny filoha Macky Sall eo amin’ny sary (eo ambony) naseho tao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina Mahamasina, ny Alahady 28 Aprily 2019. Sokafo tsara ny maso :

NOFOANAKO NY ANTENIMIERAN-DOHOLONA NAFAHAKO NANANGANA ITY TOBY MAMOKATRA HERINARATRA AVY AMIN’NY MASOANDRO MITENTINA 27 LAVITRISA ITY. NY FIRENEKO DIA MILA KOKOA ANGOVO FA TSY SENATORA KARAMAINA TSY ANAO N’INONA N’INONA.

42 miliara ariary mahery isan-taona no lany andoavana ny karaman’ireo senatora malagasy. Amin’ny fo tsy miangatra: mety ve izany sa tsy mety? Samia mandinika tsara ary fa atsy amin’ny nosy Maurice, izay mandroso izay tsy izy, tsy nisy ary tsy misy izany Antenimieran-doholona na Sénat izany.

Teto Madagasikara aza nisy fotoana no tsy nisian’izany koa. Oviana ? Mianàra ny Tantaran’i Madagasikara fa aza zatra toloram-potsiny.


Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 29 Avril 2019 06:49 )