]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Antananarivo Renivohitra. Tantara'ny Ben'ny Tanàna tsy fanadino

Antananarivo Renivohitra. Tantara'ny Ben'ny Tanàna tsy fanadino

Tontosa omaly Alarobia 27 Novambra 2019 ny fifidianana kaominaly manerana ny firenena malagasy. Izany hoe nifidy ben'ny tananà sy ireo olona handrafitra ny filan-kevitra kaominaly ny mpifidy afaka sy novona nanao izany. Mbola tsy nivoaka aloha ny vokatra ofisialy. Izany anefa tsy manaka antsika hanao jery todika mahatsiahy ny Tantara. Antananarivo, Renivohitr'i Madagasikara ny resaka eto, ary fampahatsiahivina ireo Ben'ny Tanàna nifandimby teto Iarivo teo anelanelan'ny taona 1959 sy 2019. Tafiditra amin'izany ireo hoe PDS (Filohan'ny Delegasiona manokana) izay voatendry fa tsy voafidy. Ndao ary. Niniako tsy nasiako ny anaran'ny antoko niavian'izy ireo fa ny anaran'ny tsirairay no tokony banjininareo mpamaky. Misaotra mialoha e!

Ny Ben'ny Tanàna malagasy voalohany voafidy talohan'ny fiverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara (26 Jona 1960) dia i Rakotonirina Stanislas. Ny 24 novambra 1956 izy no voafidy ary nijanona tamin'io toerana io izy hatramin'ny taona 1959. Ny nandimby azy dia i Andriamanjato Richard Mahitsison, voadify tamin'ny 11 Oktobra 1959. Azo lazaina fa izy no tanora indrindra amin'ireo Ben'ny Tanàna voafidy satria 29 taona ny lehilahy fony izy nandray io toerana io. Ary naharitra ihany satria tsy niala teo izy raha tsy tamin'ny taona 1977.

Ireo roalahy nandimby an'Andriamanjato Richard Mahitsison indray dia nandalo toa kintana manidina (“étoile filante”) ihany. Tsy izy ireo fa Andriananja Charles (1978-1982) sy Rakotovao Andriantiana (1983-1989). Izany hoe fotoam-piasana iray ihany no nataon'izy ireo ary tsy dia hita sy tadidy loatra hoe inona marina no nataony fony izy ireo Ben'ny Tanàna...

Ny lehilahy nandimby azy ireo kosa dia tsaroana hatramin'ny androany. Tsy iza izany fa i Razanamasy Guy Willy. Izy no voatendry PDS voalohan'ny teto Antananarivo Renivohitra ary niasa teo anelanelan'ny taona 1989 sy 1991. Rehefa voatendry Praiminisitra izy, tamin'ny fiantombohan'ny Tetezamita tamin'izany fotoana izany, dia mbola PDS ihany no nandimby azy. Tsy iza izany fa i Désiré Lalao Andrianjafy izay nijanona teo amin'ny toerany teo anelanelan'ny taona 1992 sy 1995.

Antananarivo madio no tanjona ka tadidio”. Tadidika tokoa fa io no teny filamatr'i Razanamasy Guy Willy izay voafidy Ben'ny Tanàna tamin'ny 05 Novambra 1995. ary tsaroako fa nadio tokoa iny araben'ny Fahaleovan-tena iny, izay nolokoina mena “grenat” ny trottoirs rehetra. Niasa hatramin'ny taona 1999 ingahy Razanamasy ary izy no namindra ny tsena teo amin'ny “esplanade” Analakely ho ao amin'ny Pochard Soarano ankehitriny. Tsipihiko eto koa, satria toa vitsy ny mahalala, fa izy no efa nieritreritra ny fanitàrana an'Antananarivo ka nomeny ny anarana hoe “Projet Grand Tana”. Tsapany fa tsy maintsy hitombo ny mponina ary hanahirana afaka taona vitsy monja. 20 taona aty aoriana sempotra tanteraka ny tananàn'Antananarivo. Ny lasa, hoy aho, tsy fanadino.

Ny 14 novambra 1999 dia voafidy Ben'ny Tanàna i Marc Ravalomanana. Tsy nanapitra ny fe-potoana fa niala ny 06 May 2002 satria nilatsaka ho kandida filoham-pirenena izy. Ny mpiara-miasa taminy akaiky no notendreny PDS dia i Rajemison Rakotomaharo Guy izay niasa teo anelanelan'ny 2002 sy 2003. Nandimby azy indray dia mbola PDS ihany : Patrick Ramiaramanana izay nilatsaka ho fidiana ihany ary lany tamin'ny 23 Novambra 2003. Tsy nahatapitra ny fe-potoana niasany koa i Patrick Ramiaramanana satria voatendry ho minisitry ny Angovo sy ny Harena an-kibon-tany ny taona 2007 ka nolosoloina PDS hatrany, ny taona 2007. Tsy iza izany fa i Hery Rafalimanana izay nilatsaka ho kandida ben'ny tanàna ihany koa io taona io ihany.

Fa na dia teo aza ny fanohanana nivantana nataon'i Marc Ravalomanana, Filoham-pirenena tamin'izany fotoana izany, sy ny fampiasana ny rafim-panjakana tsy nisy tahotra sy henatra, dia resy tanteraka i Hery Rafalimanana. Iza no naharesy azy, na dia nangorom-potsy aza i Mahamasina tamin'ny fara-doboka, ny 11 Desambra 2007 ?Tsy iza akory fa i Andry Rajoelina izay nibata tsy nisy fanafana ny amboara ary teo amin'ny andro naha 58 taona an'i Marc Ravalomanana dia ny 12 Desambra 2007 izany... Izany ve no atao hoe fambara ? Asa aloha fa isika vahiny daholo no mandalo ety...

Tsy nahatapitra ny fe-potoana niasany koa ny Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina noho ny revolisiona volomboasary notarihiny (matoa niongana i Ravalomana ka tsy tafaverina intsony eo amin'ny fitondrana dia ao raha fa aoka izay ny amin'ny resaka hala-bato sy “coup d'état” fa manompa ny maty izany) fa dia PDS vehivavy voalohany amin'ny Tantaran'ny tananàn'Antananarivo no nandimby azy teo anelanelan'ny volana Fevroary sy Jolay 2009, dia i Ratsivalaka Marie Michelle, teraka Raheriarivao, izay Lefitry ny Ben'ny Tanàna Andry Rajoelina tamin'izany andro izany. Noho ny zava-nisy ara-politika tamin'izany dia nasolo PDS afa ity vehivavy ity, dia i Randrianarisoa Guy Rivo izay efa niasa tao amin'ny Tanànan'Antananarivo fony Patrick Ramiaramanana Ben'ny Tanàna.

Ny 08 Aogositra 2009 dia i Edgard Marie Noé Razafindravahy no nandimby azy, izay PDS hatrany, ka niasa hatramin'ny volana Aogositra 2013 nialohan'ny nirotsahany ho kandida filoham-pirenena. Ny 05 mars 2014, tamin'ny nandraisan'i Hery Rajaonarimampianina ny toerana maha Filohan'ny Repoblika azy, dia voatendry PDS ihany koa Ny Hasina Andriamanjato, izay nametra-pialana ny 07 mai 2015. Tsy iza moa i Ny Hasina fa zanak'i Andriamanjato Richard.

Ny 31 Jolay 2015 dia lany ho vehivavy Ben'ny Tananàn'Antananarivo voalohany amin'ny Tantaran'i Madagasikara i Ravalomanana Lalao Harivelo, teraka Rakotonirainy, vadin'ny Filoha teo aloha izay notendreny ho mpanolon-tsaina manokana (“Conseiller spécial”). Marihina fa ny 06 Oktobra 2015 i “Neny” vao nandray ny toerana maha Ben'ny Tanàna voafidy azy. Tapitra tamin'ny volana Oktobra 2019 teo ny fe-potoana niasan'i Lalao Ravalomanana ary tsy nilatsaka ho kandida intsony izy.

Vita omaly, hoy aho, ny fifidiana. Iza ary ny Ben'ny Tananàn'Antananarivo voafidy handimby an'i Lalao Ravalomanana. Iza tamin'ireo kandida dimy nirotsaka no nandresy ? Ianareo, isika mpifidy no... nifidy. Tsy hiverina intsony io fifidiana io raha tsy afaka dimy taona indray. Misaotra anao aloha tsy nanary ny zonao, ka nanefa ny adidinao. Tadidio fa ianao irery no tao anaty “isoloir”. Ary biletà tokana tsy entina mody no nampiasaina, ka afa noho ny tamin'ny andron'i Dadabe Tsiranana sy Dadabe Ratsiraka (nisy nijery izay biletà entinao nivoaka tao ary tsy nahazo vola raha any aminao ny an'ny “kandidam-panjakana”).

Ho an'ireo tsy mahita atao afa-tsy ny mamendrofendro tena dia izao no amafisiko eto : sarotra dia sarotra ry zareo ny mangala-bato eto Antananarivo a ! Samy nanana delege daholo ny kandida rehetra ary nampiasaina ny teknolojia vaovao nafahana nampita vaovao eo no eo.

Matoa ianareo fahavalom-pirenena mikiribiby miresaka hala-bato dia efa kaontin'ny resy ianareo. Ary resy tsy niady akory. Manontania miaramila fa tsy misy dikany, tsy misy fotony mihitsy izany hoe resy tsy miady izany.

Nisy ny fotoana nanaovana propagandy, namelabelaran'ny kandida tsirairay ny praogramany. Nanana fotoana malalaka ny mpifidy tsirairay nandinika hoe : nandroso ve sa tsia Antananarivo? Ahoana ny ho avy? Rehefa mahatsapa fa Olompirenena (“citoyen”) marina sy feno ianao, isika, dia tokony miandry ny vokam-pifidianana ofisialy am-pitoniana.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Jeudi, 28 Novembre 2019 06:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety