]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina : manana ny lanjany manokana ny asa fanaovan-gazety

Andry Rajoelina : manana ny lanjany manokana ny asa fanaovan-gazety

Tsy ny mpanao gazety malagasy rehetra no nihaona tamin'ny Filoha Andry Rajoelina ny 20 janoary 2020 teny amin'ny Lapampanjakana eny Iavoloha. Tsy ny rehetra tonga teny ihany koa no nametraka fanontaniana taminy. Ny dikany dia tsy tena feno ny tatitra mikasina iny fihaonana iny ho an'ny vahoaka. Hafa ihany nefa ny eto amin'ny madagate...

Hamoaka boky mirakitra ny fitondran'ny Filoha Rajoelina 2019-2020 aho atsy ho atsy... Ka ireto no santionany hivoaka ao satria tapaka koa ny hevitro fa hatao teny malagasy izany boky izany. Rahoviana, aiza ary ohatrinona ? Ho fantatrareo eny any. Ny azo antoka aloha dia tsy ho ela... Tafiditra tanteraka amin'ny Tantaran'i Madagasikara izany ary ny soratra mitoetra. Ireto manaraka ireto aloha no voateny marina teny Iavoloha, ny 20 Janoary lasa teo.

Jeannot Ramambazafy

"(...) Ianareo solontenan'ny mpanao gazety rehetra manatrika etoana.

Miarahaba antsika rehetra ato anatin'ny fianakaviam-ben'ny asa fanaovan-gazety rehetra ny tenako nahatratra ity taona voavao 2020. Hitondra soa sy fanambinana ary, indrindra, fahombiazana ho antsika rehefa anie ity taona vaovao 2020 ity.

Raha jerena moa ny 2020 dia afaka atao hoe vingt vingt na afaka ataontsika hoe 20 sur 20. Ka ny rariana angamba dia ny mba hahazo 20 sur 20 isika rehetra amin'ny fahasalamana; amin'ny asa atao; amin'ny fikirakirana ny vaovao izay avoakanareo na ny fitaizana ny fiarahamonina amin'izay anjara asa antsika sy anareo rehetra ao anatin'ny asa fanaovan-gazety.

Rehefa nangataka ny filohan'ny Holafitra ny hoe hiarahaba hitondra solontena noho ny fahatongavan'ny taona vaovao dia hoy aho hoe : misy antony manokana ary manana ny lanjan'ny manokana ny asa fanaovan-gazety satria ianareo no mitaiza, mamolavola, mampita vaovao amin'ny vahoaka malagasy. Diahoy aho hoe : misy fomba fiasa vaovao tokony apetran-tsika eto amin'ny firenena. Efa nametraka isika hoe : tokony apetraka ny mangarahara; tokony apteraka ny soson-kevitra sy ny vahaolana tokony hoentina ampandrosoana ny firenena.

Izay no nahatonga ahy androany hoe : ataon-tsika fomba fiasa sy fomba fanao. Tsy fifampiarahabana fotsiny ny andro androany fa betsaka mantsy ireo vaovao, ireo zavatra marina tokony fantatry ny vahoaka ilaina vakiana, ilaina ampitainareo araka ny tokony ho izy tokony ho rariny. Manomboka izao izany, dia tsy ataon-tsika fifampiarahabana fotsiny ny androany fa mba asiantsika ihany koa, ampirahalahiana, ampanitsiana ary indrindra ampamatorana, questions-réponses.

Izany hoe misokatra aminareo ny renako. Fantatrareo fa tsy mitsoaka ny zavatra ho lazaina aho, tsy mitsoaka ny zavatra tokony hapetraka fa dia afaka mametraka fanontaniana ianareo rehefa avy eo. Tsy ataon-tsika maro loatra fa mba atao amin'ny antoniny. Fanontaniana telo, efatra, dimy izay apetran-tsika eo dia vonona ny tenako hamaly izany.

Ary izay fomba fiasa izay koa ny apetran-tsika manomboka izao mba tsy ilazan-tsika ny hoe manao spéculations, dia misokatra ary omena toro-marika ny ministera rehetra, ny mpiara-miasa ao amin'ny fiadidiana ny repoblika hitondra ny valin-teny izay fanontaniana apetrakareo mpanao gazety. Izay ny mikasika iny fa ianareo ao anatin'ny tontolon'ny fanaovan-gazety moa araka ny filaza dia tantely amam-bahona tokoa ny fiainana ary nisy namana namoy ny ainy na tamin'iny taona lasa iny na tamin'ity taona vao nodiavin-tsika ity. Koa mahatsiaro manokana an'izy ireo isika androany.

Araka ny nolazaiko teo dia na samy manana ny firehany sy ny fomba fitantanany ny famohana vaovao aza ny gazety tsirairay avy sy ny haino aman-jery tsirairay avy dia tokana ny tanjona tokony apetran-tsika dia ny mba hampita ny vaovao marina any amin'ny vahoaka.

Ka raha firarihan-tsoa no nentin'ny filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety teo, dia amin'ny anaran'ny tenako manokana ihany koa sy amin'ny anaran'ny vady aman-janako; amin'ny anaran'ny mpiara-miasa amiko rehetra no anaterako ny firarian-tsoa ho antsika rehetra tsy ankavaka ato anivon'ny fianakaviam-ben'ny asa fanaovan-gazety ho entin'ny soa, ho tahian'Andriamanitra ary ho salama tsy marofo anie isika rehetra.

Araka ny fantatrareo dia herintaona omaly tokoa (Ttf : 19 Janoary 2020) no nandraisako ny fitantanana ny firenena. Ianareo dia namana mpanao gazety isan'ny vavolombelona nahita hoe : taiza ho aiza ny firenena; tahaky ny ahoana na toa inona ny fitantĂ nana noraisiko tamin'ny 19 Janoary 2019. Tsy anao bilan no atongavako eto fa ianareo koa no mahita hoe : aiza ho aiza isika ary ho aiza isika. Ny zavatra tiako ambara aminareo dia tsy manao pilotage Ă  vue isika fa fantatra hoe ho aiza, inona ny tanjona tokony atao, inona ny tanjona tokony apetraka.

Araka ny nolazaiko anareo izay efa tonga, nifampiarahaba tamiko, dia hoy aho hoe : raha any an-tsekoly ny ankizy dia miditra amin'ny trimestre voalohany dia tsy iny akory ny examen final na itsarana azy hoe afaka fanadinana na tsia, fa any amin'ny examen izay ataony, na Cepe na Bepc na Baccalauréat na ny fifindrana kilasy fotsiny no tsaraina ny mpianatra hoe : nisy ezaka ve nataony, afaka fanadinana ve sa tsy afaka ?

Ohatr'izay koa ny fitantĂ nana firenena. Ny vahoaka dia nanome fe-potoana. Izany hoe dimy taona ny fe-potoana nomen'ny vahoaka malagasy hitantanana ny firenena. Fantatrareo f'efa nitantana ny tetezamita ny tenako ary mahasahy milaza aminareo fa raha ny ezaka nataoko tao anatin'izay fotoana izay dia ezaka tsy vita tao anatin'ny dimy taona nitantanana ny tetezamita amin'ny lafiny maro samihafa.

Mety ilaza isika “misy ny mbola aiza ho aiza izy eo”. Efa nolazaika fa raha anao universités isika dia manomboka isika izao fa tsy ho vita androany ny universités fa afaka herintaona, herintaona sy tapany vao vita izany université izany. Raha miresaka universités ihany isika ohatra, dia ianareo no mba tiako ilaza miara-mahita fa tao anatin'izay 30 taona, 40 taona lasa izay firy moa ny universités nitsangana teto amin'ny firenena ? Anjaran-tsika fotsiny no manontany, no milaza hoe firy.

Ankehitriny izany isika miezaka manao an'izany. Zavatra maro no ho resahiko aminareo rehefa avy eo f'efa nolazaina ombieny ombieny ary anisan'ny teny efa nataoko tao anatin'ny fampielezan-kevitra ny hoe : raha eo amin'ny 60.000 eo ireo afaka Bac dia 20.000 fotsiny no tafiditra any amina université. Mankaiza izany ireo 40.000 ?

Izaho afaka miteny anareo fa rehefa tapitra ny mandat, farafahakeliny 30.000 ny ankizy no ho afaka hianatra any amina université, ary manerana ny Nosy ary ho afaka ny fasahiranan'ireo ray aman-dreny. Ohatra fotsiny iny fa tsy ivalapatra amin'ny resaka praograma aho fa raha misy fanontaniana hapetrakareo dia ho valiako soa aman-tsara izany rehetra rehetra izany.

Ny tiako ho lazaina fotsiny dia maro ny zavatra sy ezaka natao. Tsiary ho tonga lafatra avokoa anefa ny zava-drehetra. Sanatria ho tiana hamiratra be tsy misy tomika na niova 100% avy hatrany avokoa ny fitantĂ nana ny firenena fa betsaka ny ezaka tokony ny mbola ho atao; betsaka ny ezaka no tokony harindra. Ary indrindra indrindra ianareo dia isan'ny manana andraikitra goavana eto amin'ny firenena amin'ny fanazavana ny saim-bahoaka, ny famolavolana sy ny fanabeazana ny olom-pirenenaizay antoky ny filaminana sy ny fifandrindrana ny fiarahamonina izay tian-tsika apetraka eto amin'ity firenena ity.

Misy ny misakana ny fandrosoana ao amin'ny mpanao politika dia ao koa, indrindray, ny fomba izay mila jeren-tsika miaraka hoe ahoana ny fomba hanarenana ny zavatra tokony hiaraha-miasa amin'ny filazam-baovao. Ireo misaka ara-politika moa dia efa izay ny asany amin'ny maha mpanohatra azy no ny tsy fitovian-kevitra ka lasa mandika vilana ny zava-misy, na mandika vilana ihany koa ny toe-draharaha.

Ny hafatra tiako apetraka dia : tsarovy fa raha misy ny tsy fahombiazan'ny fitondrana dia fahavoazana lehibe ho an'ny Malagasy na ho an'i Madagasikara,ary ny fahombiazan'ny fitondrana kosa dia tombontsoa sy fandrosoan'ny Malagasy rehetra sy ny firenena. Ny tiako lazaina dia firenena iray ary samy Malagasy isika Malagasy ray Malagasy reny ary tsy misy angamba olona na dia iray aza tsy maniry ny fandrosoan'ity firenena malalan-tsika ity.

Izay raha atao bango tokana dia maro ireo asa efa natomboka; mbola maro ireo asa miandry antsika izay inoako fa hahitam-bokatra ary mbola hitombo avo folo, zato eny mandritra ny taona manaraka ho avy satria, araka ny noteneniko anareo, dia manolo-tena ho an'ny firenena ny tenako, ary manao ny ezaka rehetra hampandrosoana an'ity firenena malalan-tsika ity.

Ny andrasako amintsika namana mpanao gazety dia ny hizara vaovao marina. Izay no nitenenako hoe : izahay dia vonona hihaino, hifampiresaka, hanome vaovao, hampita ny tarehy marika izay ilainareo amin'ny zavatra vaovao ilainareo rehetra, toa izany koa ny minisitra rehetra rehetra. Izany hoe : hampita ny vaovao; hampita ny ezaka natao ihany koa sy hitaiza sy hiaraka hanarina ny tsy mety ihany koa.

Satria izay no maha firenena ny firenena : misy ny mety, misy ny lesoka, misy ny zavatra tokony harenina. Noho izany dia mitodika aminareo namana mpanao gazety matihanina aho hanofana ireo zandry aty aoriana ary ianareo zandry aty aoriana kosa dia hampamiratra ny asa fanaovan-gazety. Tsy ho lava kabary aho fa mbola betsaka ny resaka ataon-tsika eto, fa dia mirary soa sy fahalasamana indrindra, mba hafahanareo manatanteraka ny adidy masina sy ny andraikitra izay sahaninareo tsirairay avy amin'ity taona vaovao ity.

Eto aho dia milaza aminareo fa manomboka amin'ity volana ity dia isam-bolana dia hanao valan-dresaka na fandaharana manokana na fihaonana amin'ny mpanao gazety ny tenako, izay hatao isaky ny Alahady faran'ny volana. Dia isam-bolana izany izy io no hatao, izay hamalina ny zavatra izay mety hahitsy; hilazna ny zavatratokony hatao; hilazana ny ezaka izay tokony hapetraka...

Izay izany ny zava-bavoao mba tiako ampitaina aminareo mpanao gazety namana manomboka amin'ity taona ity mba tsy hisian'ny ahiahy; mba tsy hisian'ny baraingo; mba tsy hisian'ny zavatra tsy mazava dia izay ny fanapahan-kevitra noraisiko izay atombontsika amin'ity volana Janoary ity (...)".

VALIN'IREO FANONTANIANA NAPETRAK'IREO MPANAO GAZETY NISOLO TENA NY NAMANY

Mikasika ny asa fanaovan-gazety sy ny mpanao gazety

“Manana endrika maro samihafa izy io. Izany hoe, misy ny hanasana mpanao gazety hametraka fanontaniana. Mazava ho azy fa tsara ho raisina ny foto-kevitra avy any aminareo hoe : haodina ary handraisana anareo mpanao gazety tsy ankanavaka ny fanaovana io débat io. Ary izaho moa hitanareo fa izay mihitsy ny ahy no tiako, ny hoe : ho an'ny mpanao gazety izay tsy mitovy hevitra amiko mihitsy no tiako ny hiresaka amin'izy ireny. Ka ho raisina. Soson-kevitra tsara mihitsy izay. Ny amin'ny falalahana ny asa fanaovan-gazety dia fantatrareo tsara fa mazava izany ao anatin'ny Lalampanorenana ary anisan'ny zo izay ananan'ireo mpanao gazety, ao anatin'ny falalahana ny fanaovan-gazety izany.

Ny zavatra tiako ambara fotsiny dia izao : eto amintsika dia diso malalaka ary malalaka mihitsy aza izany fanaovan-gazety izany izay fitaizana ihany koa ny vahoaka malagasy. Izay no mahatonga anay, izao, mahatsapa hoe : mety misy zavatra tsy nipetraka loatra teo aloha. Izahay dia miaika an'izany, satria misy fanapahan-kevitra efa nivoaka, ohatra, fa tsy mazava amin'ny olona ary tsy tonga ihany koa ny fanontaniana mifandraika amin'izay. Izay izany no harentin-tsika miaraka hoe : inona ity zavatra ity ? Ahoana ny fitrangan'ity zavatra ity ? Inona ny anton'io zavatra io ? Ahoana ny fanapahan-kevitra apetraka amin'io zavatra io ?

Izay no nahatonga anay hoe : adidinay mihitsy, ao anatin'ny mangarahara, no manokatra ny varavarana, no miara-miasa amin'ny mpanao gazety rehetra rehetra, mba hisian'ilay hoe fitaterana ny vaovao izay tokony misy marina, izay tokony taterina eo anatrehin'ny vahoaka malagasy. Ny fanaovan-gazety moa dia malalaka ary izaho dia miteny aminareo fa raha ampitaina amin'ny teo aloha, dia fantatrareo fa betsaka ireo mpanao gazety niditra am-ponja. Fa ankehitriny, ianareo samy mahalala hoe aiza ho aiza ny fitrangan'izay zavatra izay. Ny tiako lazaina dia izao : mety nisy tranga kely tsy voafehy teo.

Tsy voafehy, hoy aho, satria ny fitantanana ny firenena tsy miankina amin'ny minisitra irery na miankina amin'ny filoha irery fa misy ratsa-mangaika rehetra ao anatiny. Ka raha misy mpanao gazety mety voatohatohana, tsy amin'ny maha mpanao gazety azy fa amin'ny maha olompirenena azy dia tiako ny milaza aminareo fa tsy ny filohan'ny repoblika tenako mihitsy no handeha ilaza amin'ny tomponandrakitra isan-tsokajiny hoe hanakanakana izay asa fanaovan-gazety izay. Mahafantatra tsara ahy ianareo fa tsy ao anatin'izany ny tenako, fa dia ny hanazava zavatra izany no tadiavintsika, hoentin-tsika hanatsarana ny fampielezana ny vaovao sy ny hevitra tokony ho izy ary ianareo ihany koa manana adidy ny hanitsy anay. Satria matetika koa ianareo mpanao gazety dia manaitra anay amin'izay fepetra tokony ho raisinay, ary raisinay tokoa izany zavatra rehetra ireny ”.

Momban'ny mpikambana ao amin'ny governemanta : “Mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny fanovana...”

“Marina tokoa fa feno herintaona amin'ny 24 Janoary 2020 izao ny nananganana ny governemanta. Efa nambarako fa misy ny contrat-programme natao niaraka tamin'ireo mambra ny governemanta rehetra. Ny dikan'izany dia misy ny évaluation izay hatao ary efa nanomboka an'izany ny tenako sy Praiminisitra. Ny fanontaniana te moa dia hoe : nahafapo ve ? Io, ohatran'ny ekipa ana foot e ! Eo ambonin'ny terrain dia misy ny nahafaty baolina nitondra ny fandresena. Misy ireo izay ni-rater but na tsy nahafaty baolina. Misy ireo izay reraka ambony ihany, izany hoe tsy nahavita ny andraikitra izay nampanaovana azy. Misy izany.

Rehefa ho atao io évaluation io dia mazava ho azy fa tsy maintsy misy ny fanovana ny mpikambana eo anivon'ny governamanta. Ka ao anatin'izay indrindra izahay izao dia mijery an'izay, dia rehefa vita ny fe-potoana anavoana izay dia tsy maintsy hirosoana ny fanaovana ny remaniement izanynsatria izay no zavatra hatao. Tsy hoe akory tsy nahavita azy fa ekipa anankiray isika, Madagasikara no tantànana ka izay tsy nahatra ny tanjona izay napetraka dia mazava ho azy fa tsy maintsy soloina mpikambana vaovao ao anatin'ny governemanta ”.

TANAMASOANDRO

“Ny mikasika ny Tanamasoandro, izay hapetra-tsika eo Ambohitrimanjaka: hitan-tsika tsara angamba fa Antananarivo dia 88 km² izay natao ho ana olona eo amin'ny 300.000 nefa izao efa 3.000.000 isika. Vokatr'izay, jerenareo tsara fa vao avy ny orana dia loza be no miandry antsika eto Antananarivo. Avy mandritra ny atsasan-kadiny na adin'ny iray fotsiny ny orana dia dibo-drano tanteraka ny faritra iva maromaro. Iray izay.

Faharoa, ny resaka fitoanan'ny lĂ lana. Efa tsy ampy intsony ny lĂ lana eto amintsika na dia niezaka nanamboatra isika manerana ireny lĂ lana eny Ankorondrano, sy ireny rehetra eto amin'ny renivohitra ireny fa ny dikan'izay dia izao : raha jeren-tsika ny statistiques eo amin'ny isan'ny automobiles na fiarakodia izay tonga ao Toamasina isam-bolana, isan-taona, tsy mitsahatra mitombo. Nefa fiara sur cales, tsy mandeha intsony dia milaza aminareo aho fa vitsy. Eo amin'ny 3% eo fotsiny isan-taona. Izany hoe hitohana, hitohana, hitohana eto an-drenibohitra izany.

Matetika isika gaga : manao lĂ lana efatra, dimy kilometatra isika fa mandritra ny adiny iray sasany. Ny dikan'izay dia efa noresahiko sy nolazaiko taminareo hoe : tsy maintsy mametraka sy mamorona tanĂ na vaovao isika. TanĂ na vaovao tsy hisy ny dibo-drano; tanĂ na vaovao tsy hisian'ny fitohanana; tanĂ na vaovao misy afaka fifamezivezena ao anatina zavatra madio ka mikasika an'i Tanamasoandro, eto aho manamafy aminareo ary milaza aminareo fa tsy maintsy hametraka tanĂ na vaovao isika. Tsy ho atao ny fanaovana tanĂ na vaovao. Izany anefa dia atao ao anatin'ny fifampiresahana. Ilazana eto fa ho avy hiresaka amin'ny olona eny Ambohitrimanjaka aho.

Teo moa, mety nisy fahadisoana avy taty aminay; nisy fahadisoana taty aminay tamin'ny fomba noentina anaovana sy anomboana io asa io. Satria tsy nisy ny fifampiresahina. Natao ny zavatra légal rehetra, ekena izany. Natao ny enquête comodo incommodo (Tff: “enquête préalable que va réaliser l'administration avant de faire des déclarations d'utilité publique”. Izany hoe: fitsirihina mialoha tsy amintsy ataon'ny fanjakana alohan'ny ilazany fa ho tombontsoan'ny be sy ny maro ny kasaina atao), napetraka ny affichage fa nisy zavatra lesoka taty aminay. Izay ilay fifampiresahan-tsika eto.

Inona moa ilay lesoka taty aminay? Rehefa vita ny enquĂŞte dia tonga izahay, tonga ny tomponandraikitra hoe ho avy izahay, ho totofana ny tany. Ha ! Ahoana kosa, na dia fianakaviana anadahin-dreninao aza ny tompon'ny tany dia mety ho tezitra izy hoe : ahoana kosa ny taniko tonga dia ho totofanao ! Tsy nisy ny fanarahana, tsy nisy ny fampiresahana. Izay no nahatonga ahy niteny hoe : ajanony aloha; aleho mifampiresaka. Lazaina aloha ny olona hoe ity tany ity ianao no tompon'ity, manaiky ve ianao? Solona tany ve no tadiavinao sa inona no zavatra tadiavinao ho atao?

Izao izany dia ho raisiko ny andraikitra : izaho mihitsy no hiresaka amin'iny olona izay eny Ambohitrimanjaka eny.

Fa io, araka ny noteneniko anareo, zavatra misy koa anie dia izao e : tamin'ny voalohany izy io olona solombavambahoakan'ny antoko mpanohatra no nankeny, namendrofendro ny olona teny, niteny ny olona teny, niteny ny olona tsy hanaiky. Tamin'ny voalohany, tsy tompon'ny tany teny no niteny, no tonga teny izany, tamin'ny voalohany. Fa avy eo, taty aoriana, mazava ho azy, izay vao tonga tsikelikely ny tena tompon'ny tany ary efa betsaka ny manaiky amin'izao isika miteny izao. Fa ny fehiny fotsiny dia lazaiko anareo : tsy mety intsony fa na isika handroso na isika hijanona amin'izao.

Ny mandroso dia tsy maintsy mametraka tanàna vaovao isika ary efa nolazaiko ary mbola hazavaiko anareo misimisy : io Ambohitrimanjaka io anie, efa notenenikoa anareo, miainga eo dia miampita mankany Fenoarivo, miampita mankany Arivonimamo, mankany Miarinarivo, mpiampita mankany Itasy, any an-Bongolava rehetra any. Any ny fihitaran'ny tanàna vaovao izay apetran-tsika. Fa raha tian-tsika hi-réussir ny tanàna vaovao dia tsy tokony alavitry ny renivohitra aloha.

Izay no nataoko hoe ny tokony atao voalohany indrindra eny dia ireo sites ministériels izany hoe ny ministera rehefa dia tokony hapetraka eny. Ny fehiny dia izaho mbola mametraka ny velirano ho an'ny vahoaka malagasy fa tsy ho tafita ny firenena raha tsy renivohitra manana ny hasin'ny maha-renivohitra azy ity Antananarivo ity, raha tsy manao tanàna vaovao isika. Izany ny noteneniko hoe tsy maintsy hitarina ny tanàna. Ho sempotra eto isika, ho tototra eto isika, ho voan'ny tondra-drano eto isika raha mbola eto Antananarivo no avela-ntsika amin'izao.

Tena diso. Mba fantatrareo moa fa ny tanàna be mponina indrindra eran-tany dia Antananarivo? Satria kely, 88 km² fotsiny ny eto Antananarivo Renivohitra nefa 3.000.000 d'habitants isika izao. Izany hoe tsy mety intsony fa tsy maintsy mametraka tanàna vaovao isika”.

Momban'ny Angovo

“Mbola averiko eto indray fa tsy maintsy jerena ny velirano nataoko hoe : tsy maintsy ho-doubler-na ny capacité de production eo amin'ny énergies eto Madagasikara. Ary ny ankamaroan'ireo dia énergie renouvelables. Raha 400 Mégawatts izao ny famokarana herin'aratra eto amintsika, dia miteny aminareo aho fa vonona mihitsy aho hiverina eto alohan'ny hataperan'ny mandat-ko hiteny amin'ny vahoaka malagasy hoe : firy mégawatts ireo énergie renouvelables izay napetran-tsika.

Fa miteny aminareo aho fa ho tratran-tsika io : tsy mahavita 400 mégawatts en plus! Izy izany ilay izy. Ao ny énergie solaire, ao ny hydraulique, ao ny éolienne. Ny any Antsirabe izao, efa azoko teo, efa vita izao ny nametraka ny 1 mégawatt. Hiditra indray ry zareo amin'ny 4 mégawatts vaovao indray. Ny manerana an'i Madagasikara efa misy fifanarahana nosoniavina izay mihoatra ny 1.000 mégawatts raha miresaka ny énergie solaire rehefa mipetraka io.

Resaka Jirama moa izao no resahin-tsika fa miteny aminareo aho fa ny Jirama nandoalika na nampandoalihina mihitsy ria misy orinasa ao mampanofa groupes électrogènes amintsika. Ny orinasa iray izao dia 5 millions de dollars ny hofan'ny groupes izay ao Mandroseza ao, na miasa na tsy miasa. Dia nofoananay izany, tsy manaiky andoha izany intsony isika amin'izao fotoana izao. Tsy hiditra détails amin'izay aho fa resaka velirano no resaka teo fa tsy maintsy ho tratra, tsy maintsy atao ny tanàna vaovao, tsy maintsy apetraka ny énergies renouvelables ”.

Momba ny làlana sy ny Buildings ary ny “Fonds souverain”

“Mila apetraka hoe aiza avy ny lalam-pirenena tokony amboarina ? Inona no tafiditra amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo mpiara-miombonantoka izany hoe ireo bailleurs de fonds traditionnels ? Inona ny làlana tokona ho atao ary ho zakan'ny fanjakana ny vola hanaovana ny làlana ary inona làlana tokony hapetraka ilaina famatsiam-bola na fiaraha-miasa amin'ireo firenena sy firenena? Izay izany ny zavatra iray raha mikasika ny làlana.

Ohatr'izay ihany koa ny trano fonenana. Efa noteneniko taminareo teo fa tamin'ny andron'ny repoblika voalohany na tamin'ny andron'i Tsiranana no nanaovana ireny Cités ireny. Cités Ambodin'Isotry, Cités Analamahitsy, Cités Ampefiloha, Cités 67 ha, Cités Ambohipo. Nazava ny plan logements tamin'izany. Ary dia mbola averiko eto indray hoe : 40.000 ny isan'ny logements tsy maintsy hatao. Mazava ho azy fa 40 no natao tamin'iny taona lasa iny, izany hoe tsy maintsy hovana tanteraka ny fomba fiasa ary ho jerena tanteraka ny vola ho tadiavina hanaovana ireo tetik'asa ireo.

Isika manam-bola. Ary eto aho dia milaza aminareo hoe vola avy aiza, ohatra, no hanaovana ireo 40.000 logements ireo? Amafisiko fa misy ny vola ilaina any amin'ny mpamatsy vola fa misy kosa ny volan-tsika ihany no ilaina. Fa maninona moa isika no andeha hindram-bola any ivelany? Jerena izao hoe aiza avy isika no manam-bola. Manam-bola isika, ohatra, ao amin'ny CnaPS; manam-bola isika ao amin'ny Caisse d'Epargne; manam-bola isika any amin'ny Port na SPAT (Ttf : ao Toamasina); manam-bola isika amina zavatra maro misy fa ajanoko eo ny ohatra. Izay no mahatonga ahy hoe hanao ilay Fonds souverain.

Io Fonds souverain io dia hatsangan-tsika amin'ity taona ity. Ny volam-panjakana amina orinasam-panjakana rehetra dia alaina ary atao ao anatin'io Fonds souverain io. Io Fonds souverain io no hanaovana ny Cités ministériels; io Fonds souverain io no hanavoana ireo buildings maro, ireo trano mora maro izay hapetraka manerana ny Nosy. Izany hoe ilay any amin'ny orinasam-panjakana -ao amin'ny CnaPS, ohatra, misy 300 miliara eo ho eo, ny any amin'ny Caisse d'Epargne tsy latsaka izay-.

Ny building iray dia iray miliara ariary mahery. Izany hoe ny volan-tsika any ain'ny CnaPS fotsiny, ohatra, dia havita-ntsika 300 buildings. Izany hoe rehefa ampidirina ao amin'ny Fonds souverain io dia ny Fonds souverain indray no mamerina tsikelikely any amin'ny CnaPS. Izany hoe ny vola-ntsika anatiny ihany no ampiasain-tsika hanavoana ireo asa izay hampandrosoana ny firenena”.

Ohatrinona ny vola ilaina hanaovana ny Emergence Madagascar ?

“Mila miliara maro maro aloha. Mbola tsy voafetra izy io fa nofaritana amin'ilay Plan Emergence Madagascar izay tokony hivoaka fara fahatarany amin'ny volana Marsa eo. Efa manao izay izay izao : ohatrina ny vola ilaina anaovana làlana? Ohatrina ny vola ilaina amin'ny angovo azo avaozina ? Inona no iantohan'ny Jirama, inona no ilaina 3P? Inona no ilaina amin'ny mpamatsy vola mivantana ? Dia hivoaka ireo zavatra rehetra ireo ary atao ao anatin'ny mangarahara".

Mila minisitra tsy mipetraka ao amin'ny birao intsony...

"Fa ny tiako lazaina aminareo izany dia ny zavatra rehetra rehetra nolazaiko -izaho aloha mino, mahatoky mihitsy aho fa tsy vitako irery ireo fa mazava ho azy fa mila manampy ahy ny minisitra-, mila minisitra mavitrika-. Ny minisitra tokony apetraka manomboka izao tsy minisitra mipetraka ao amin'ny birao intsony fa tokony minisitra mandeha erak'i Madagasikara mijery ny olana eo amin'ny resaka làlana, resaka trano -aiza no hanaovana trano, aiza no hanaovana buildings, aiza no hanaovana trano mora...- mitondra rapport eo anatrehiko, dia validé-ko izany rehetra rehetra izany".

Misy ny mpiara-miasa mavesatra tarintina...

"Izany no ho ataontsika. Fa raha mbola medameda fandeha isika dia ekeko fa tsy ho tratra aloha ilay Emergence. Ka izao no teneniko hoe isika tsy naman'ny resy fa manana planina mazava isika; efa manana rafitra mazava isika fa mila maharaka ny fahafainganam-pandeha izay napetrako ny mpiara-miasa amiko satria matetika miasa irery aho. Misy ny mpiara-miasa amiko tena manampy; misy ny mpiara-miasa amiko tena miasa. Fa tsy maintsy miteny aminareo aho fa misy kosa ny tena mavesatra tarintina ka sarotra ny hanatanteraka ny zavatra rehetra. Izay no fanazavako anareo”.

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy - Nivoaka tao amin'ny "La Gazette de la Grande île", Sabotsy 25 Janoary 2020

LEHIBE ETO TSINDRINA

Mis Ă  jour ( Samedi, 25 Janvier 2020 11:35 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety