]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une MADAGASIKARA SY NY CORONAVIRUS : ENTITRA NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

MADAGASIKARA SY NY CORONAVIRUS : ENTITRA NY FILOHA ANDRY RAJOELINA

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA- ALAROBIA 04 MARTSA 2020

I- FAMPAHAFANTARANA : FIFEHEZANA NY VALAN’ARETINA CORONAVIRUS :
Entitra ny Filoham-pirenena manoloana ny tokony hanamafisana hatrany ny fiarovana ny mpiray tanindrazana manoloana ny fihanaky ny « Coronavirus ».
TSY MAINTSY HAMAFISINA SY HAMPITOMBOINA IREO FEPETRA ENTINA NY MIARO NY MALAGASY SY NY FIRENENA MANOLOANA NY FIHANAKY NY VALAN’ARETINA CORONAVIRUS :

HO AN’I ATOA PRAIMINISITRA, LEHIBEN’NY GOVERNEMNTA,
RAMATOA SY ATOA MINISITRA,
ATOA MINISITRA LEFITRA,
ATOA SEKRETERAM-PANJAKANA.


Antony : Fanamafisana ireo fepetra ho entina miaro ny Malagasy sy ny Firenena manoloana ny fihanaky ny Coronavirius

Araky ny nambaran’ny OMS dia haingana ary mitombo be ny fihanaky ny Coronavirus sy ny fiantraikany maneran-tany. Isika eto Madagasikara dia mbola tsy tratran’ity valan'aretina Coronavirus ity amin’izao fotoana izao; Saingy tokony ho mailo hatrany isika manoloana ny fihanaky izy ity, izay efa mahahenika firenena 73 manerantany ka ny 06 amin'izy ireo dia Afrikanina ahitana an'i Egypte, Algerie, Senegal , Nigeria, Tunise ary Maroc.

Maro ireo fepetra efa noraisin'ny Fanjakana izay niarahana niasa tamin'ny OMS sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika, nefa ilaintsika ny fanamafisana sy fanarahana akaiky ny fivoaran'ity valan’aretina ity ary tsy maintsy hampiharina amin'ny fomba hentitra sy mahomby kokoa ireo fepetra rehetra raisintsika.

Nanaraka ireo fenitra napetraky ny OMS isika eto Madagasikara amin'ny fiatrehana ny Coronavirus satria efa misy ireo fitaovana napetraka manerana ireo seranampiaramanidina 8 sy seranatsambo 14 eto amintsika ary napanarahana ny fenitra takian'ny OMS ireo Hopitaly miisa 12 entina handray sy hanaraha-maso ireo tranga mampiahiahy sy ireo ahiana ho mety ho manana ny soritr'aretina. Ny fifanareserana amin’ireo firenena efa hihanahan'’izy ity (Chine, Italie, Corée du Sud, Iran,... ) dia miankina betsaka amin'ny fivoaran'ny valan’aretina any amin'izy ireo.

Efa mipetraka ny rafi-pitantanana nasionaly entina miatrika ny Coronavirus saingy tokony hamafisina izany ary ny rehetra no tokony handray andraikitra manoloana izany. Ny minisitera rehetra dia tsy maintsy mandray anjara amin’ireo lamina noraisina ary isika mpiray tanindrazana rehetra dia tokony hanaraka ireo rindrandamina napetraka.

Efa nohamafisina ny fanaraha-maso ireo sisin-tany manerana ny nosy. Tokony hampihatra tsisy fanavahana, na iza na iza, ireo fepetra noraisina amin’ny fomba entitra ireo ny tompon’andraikitra mivantana rehetra, ary tokony hazavaina amin’ny Malagasy iray manontolo amin'ny alàlan'ny karazan-tserasera rehetra izany mba tsy ahatompon-trano mihono ny vahoaka manoloana ny fizotry ny toe- draharaha.

Hamafisiko fa mila mitandrina hatrany isika, mba hisorohana ny mety ho olana aterak'ity aretina ity ary tokony hatao vaindohan-draharaha andavanandro ny fampahafantarana ny rehetra ny fepetra mifandraika amin'izany na eo amin'ny sehatra ara-toe-karena izany na ara-tsosialin’ny firenena.

Ny fanjakana dia efa nametraka, miaraka amin'ny OMS sy ireo mpiara-miasa rehetra, ny lamina hoenti-miatrika ny Coronavirus fa Isika tsirairay avy kosa dia tokony mahafantatra ireo fiarovana sy hetsika rehetra tokony hatao manoloana izany.

Baiko no omeko ny Minisiteran’ny fahasalam-bahoaka, izay miara-miasa amin’ny OMS, ny Minisiteran’ny Fitaterana, ny Fizahantany ary ny Toetr’andro, ny Minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina, ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka mba hanao Rindrandamina mafonja hisian’ny serasera mazava amin'ireo tsara ho fantatra manodidina ny Coronavirus sy ny fihetsika tokony atao mba hisorohana, sy hitandremana manoloana izany, ary tokony hipàka amin’ny malagasy rehetra sy ireo rehetra mipetraka eto Madagasikara izany.

Ny tanjona dia mba ho ny rehetra no miara-mandray anjara amin’ny ady amin’ny fihanak’ity aretina ity izay ilaina ny fiaraha-mientatsika mianakavy.

Noho izany, Andriamatoa Praiminisitra, Ramatoa sy Atoa minisitra isany, Andriamatoa minisitra lefitra, Andriamatoa sekreteram-panjakana, amin’ny sehatra iandraiketan’ny tsirairay avy, ianareo dia tokony hanentana ireo mpiasa rehetra ao aminareo sy ny fianakavian’izy ireo avy mba ho mailo ary hiaraka hisoroka an'ity valan’aretina ity.

Mandrisika anareo ihany koa aho ny hanampy ireo tompon’andraikitra mivantana satria ny fiarovana sy ny ady amin’ny Coronavirus dia isan'ny laharam- pahamehana eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny.

Antananarivo, faha 04 Martsa 2020

Andry RAJOELINA
Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara

Mis Ă  jour ( Jeudi, 05 Mars 2020 05:58 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO