]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina. Kabary manontolo an-tsoratra momban'ny coronavirus

Andry Rajoelina. Kabary manontolo an-tsoratra momban'ny coronavirus

VIDEO ETO

Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Manoloanan'ny valan'aretina coronavirus izay efa mianaka any amina firenena maro, dia tsapako ny fitaintainanao ry Malagasy namako. Reko ny antsonao ry Malagasy havako. Na dia izany aza anefa dia mila tony hatrany isika. Ary aoka, indrindrindra indrindra isika, tsy anaiky ny fanakorontanan-tsaina amin'ireo fanelezana vaovao tsy mari-pototra izay mikendry ny fifampisavorovoroana ao an-tsain-tsika tsirairay avy.

Marina ary ekena fa tsy mifidy firenena, tsy mifidy saranga ity valan'aretina ity. Ary ankehitriny dia tsapa ary fantatra f'efa mihoatra ny 120 izao ny firenena voakasika izany valan'aretina izany. Ary firenena 12 no efa nidirana valan'aretina coronavirus aty Afrika.

 

Isika eto Madagasikara dia misaotra an'Andriamanitra lehibe fa hatreto dia tsy tratran'izany valan'aretina izany. Ny zavatra lehibe indrindra dia ny fahaizana mifehy sy misakana ny fidirany eto amintsika ary indrindra indrindra ny fahafahana miatrika izany valan'aretina izany. Maro ireo fepetra noraisin-tsika satria saro-bidy, saro-bidy amiko loatra ny ain'ny Malagasy tsirairay avy. Ary, araka ny fiteny malagasy manao hoe : “aleho misoroka toa izay mitsabo”, dia notanterahin-tsika antsipiriany izany, mba afahana misoroka izany valan'aretina izany.

 

Efa nisy ny paikady napetraka mialohan'ny nanomboany, ny volana Janoary, mba afahantsika miaro ny firenen-tsika, ary izay indrindra no tsy nidiran'io valan'aretina io teto Madagasikara hatramin'izao, ary isaoran-tsika an'Andriamanitra izany. Ary matoa tsy mbola eto amintsika, na hoe eto amintsika hatramin'izao fotoana izao, dia “niveau zéro”, dia noho ny fahombiazan'ny paik'ady izay napetraka mba iarovana amin'izany. Ny zavatra natao dia maro. Fa raha ohatra ka fintinina dia toa izao avy :

 

Raha vao nanomboka tany Chine ny coronavirus, ary raha vao niakatra “niveau 2” ny fitrangan'izany tany Chine, dia tonga avy hatrany isika dia nandray sy naka ny fanapahan-kevitra ny nampitsahatra avy hatrany ny sidina mankany Asie rehetra, nafahantsika mifehy ny tsy fidiran'ny otrik'aretina teto amin'ny tany sy firenena izany.

Ary toa izany koa ny tany Italie. Raha vao niakatra “niveau 2” ny tany an-toerana tany Italie, dia natsahatra avy hatrany ny sidina. Tsara ho fanta-tsika fa misy sidina mampitohy an'Italie sy Nosy Be indray mandeha na in-droa isan-kerinandro.

Niteraka fatiantoka ho an'ireo trano fandraisam-bahiny izany fa fepetra tsy maintsy noraisina kosa mba iarovana ny vahoaka sy ny Malagasy mpiray tanindrazana.

Ary ireo olona rehetra rehetra izay avy any, na nitsidika tany Italie io, dia tsy noraisin-tsika tamin'ny fiaramanidina izay mankaty an-tanindrazana, mankaty Madagasikara nanomboka ny volana Febroary, indrindra indrindra ho an'ny zotra mbola nitohy dia natao ny fitiliana teny amin'ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo rehetra ary natokana toerana ireo olona nahiahiana fa nitondra ny tsimok'aretina. Nefa na dia izany aza, nafahan-tsika nifehy satria hatreto dia tsy nisy ny olona nitondra ny tsimok'aretina.

 

Ankoatra izany dia ilaina ny fahafantaran'ny vahoaka ny zavatra misy marina. Izay no mahatonga ahy mijoro manoloana anareo ankehitriny, ilaza ny fepetra, ilaza ihany koa ny zavatra misy marina tokony ampafantarina ny vahoaka.

Anisan'izany, ohatra, ny fametrahan-tsika ny “ligne verte” na ny afahana miantso an-tari-by maimaimpoana, afahana mahazo sy maka ireo toro-làlana sy toro-hevitra mba afahana misoroka an'izany aretina izany. Dia napetraka ny “ligne verte” izay mitondra ny laharana 910. Io dia afahantsika vahoaka mifanerasera amin'ireo mpitsabo mivantana.

Nanome fanofanàna manokana ihany koa ho antsika ireo mpitsabo sy ny mpiara-miasan'ny fasalamana rehetra niaraka tamin'ny OMS na ny “Organisation mondiale de la Santé”. Ho fanamafisana ny fisoroana izany zavatra rehetra izany, dia nametraka isika ny “plan de contingence” izay nahazoana famatsiam-bola mitentina 3,7 tapitrisa dôlara avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena.

 

Nahazoan-tsika izany famatsiam-bola izany dia nametraka isika hoe ahoana avy ny fomba isoroana mba tsy hidiran'izany aretina mandoza coronavirus izany eto Madagasikara.

Tsara ho fantatrareo ihany ny fomba ampiasana io famatsiam-bola io. Io famatsiam-bola io dia ampiasaina mba hoentina anamafisana ny fampitaovana ireo hopitaly sy ireo toerana fandraisana ny marary.

Eo ihany koa ny fividianana “tentes médicalisées” miaraka amina fitaovana fitsaboana arifomba toa ny “respirateurs”, “nébulisateurs professionnels” na manara-penitra, ny “glucomètres”, ny “extracteurs d'oxygène”, ny “thermomètres laser” sy ny maro hafa tsy voatanisa eto.

 

Ny tiako lazaina sy ambara amintsika dia miomana amin'ny zavatra rehetra isika. Noho izany ary arak'izany ihany koa, dia apetraka ny fanatsarana ireo “salles d'isolement temporaires” eny amin'ny seranam-piaramanidina.

Napetraka ihany koa ny fametrahana ny “caméras” eny amin'ny seranam-piaramanidina eto amin'ny firenena fa indrindra any amin'ny seranam-piaramanidina any Ivato izany.

 

Betsaka ny fanontaniana izay mandalo ao an-tsain-tsika hoe : ahoana tokoa moa ny fomba fifindran'io valan'aretina io? Eto aho dia anazava fohy aminareo ny fomba mety hifindran'izany valan'aretina izany mba afahan-tsika misoroka ihany koa amin'ny zavatra mety hitranga.

Ny fifindran'ny valan'aretina dia amina fomba roa : na mivantana na ankolaka.

* Ny mivantana dia ilay olona mitondra ny tsimok'aretina no manaparitaka azy amin'ny alĂ lalan'ny piti-drora miantefa mivantana any amin'ny olona izay salama. Izany hoe : tsy tokony ifanakaiky amin'ireny olona izay ahiana fa mety hitondra ny tsimok'aretina isika.

* Ny ankolaka kosa dia ny hoe : amin'ny alĂ lalan'ny fifandraisan-tĂ nana ; amin'ny alĂ lalan'ny mety ho hoe fanakekezana loatra an'ireny olona mitondra ny tsimok'aretina ireny. Fa indrindra indrindra amin'ny alĂ lalan'ny fikasiana ireo entana izay nokasian'ilay olona mitondra tsimok'aretina, toa ny hidim-baravarana, amina fiara io na amina trano na amina faritra na ny fitaovana rehetra rehetra ihany koa izay nokasian'ilay marary.

 

Izany rehetra izany dia azo lazaina hoe ny zavatra rehetra rehetra nokasian'ilay olona dia mandritra ny adin'ny folo dia mipetraka eo. Raha misy olona mitondra valan'aretina izany dia mandritra ny adin'ny folo no mipetraka eo ilay tsimok'aretina na “virus”. Mipetraka adin'ny enina kosa amina akanjo raha misy ny fifampikasoana na piti-drora izay mipetraka amin'ilay olona izay tsy mitondra tsimok'aretina. Noho izany dia apetra-tsika ny zavatra rehetra rehetra mba afahana mifehy an'izany tsimok'aretina izany mba tsy ho tonga eto Madagasikara na hifindra koa amin'ny olona.

 

Noho izany dia maro ihany koa ny fanontaniana apetrakareo milaza ny hoe : ahoana marina ny fisehoan'ity aretina ity ?

Ny olona izay ahiahiana fa mitondra ny otrik'aretina, dia ny olona miakatra, mitondra na misy mari-pana. Izany hoe mihoatra ny 37,5° ny mari-pana izay hoentin'ny olona. Izay ny mahatonga ny olona, rehefa tonga eny amin'ireny “aéroport” na seranam-piaramanidina ireny, tilina mari-pana izay entin'ny vatany tsirairay avy.

Ao ihany koa ny hoe mangorangorana ny vatana; ao ihany koa ny mikohoka, sempotra, marary an-doha, manaintaina ny vatana, jenjina ny orona, marary ny tenda... ary indrindra indrindra ilay fahasemporana no mitondra mankany amin'ny fahafatesana.

Noho izany, raha sanatria ka misy an'ireo fahamantarana ireo isika dia tokony manatona toeram-pitsaboana aingana. IZANY ZAVATRA REHETRA IZANY ANEFA DIA TSY IZAO SATRIA MBOLA TSY MISY MIHITSY NY VALAN'ARETINA ETO AMINTSIKA AMIN'IZAO ISIKA MITENY IZAO, fa mba fampitana ny toro-marika sy ny vaovao no entina aminareo noho ireo fanontaniana maro mandalo ao an-tsainan-tsika tsirairay avy.

 

Ary inona ny zavatra anontanianareo ihany koa ? Dia ny hoe : inona ny fitandremana tokony ho atao ? Tsotra : io tsimok'aretina io dia ohatry ny gripa mahery, izany hoe afaka mifindra amin'ny olona rehetra, araka ny nolazaiko teo: amin'ny alalĂ nan'ny fifandraisan-tĂ nana. Noho izany dia mila manasa tĂ nana matetika isika rehetra. Farafaharatsiny alohan'ny hisakafo. Mila tapenana ihany koa ny vava sy ny orona rehefa mihevona na mikohoka.

Mila diovina, ary indrindra raha misy ny fahafahana, dia diovina amin'ireo “produits” manokana, “désinfectants” araka ny fiteny vahiny, ireo fitaovana rehetra izay mety noraisin'ny vahiny, fa indrindra eny amin'ny toerana izay misy fandraisana olona : eny amina hotely, eny amina seranam-piaramanidina... dia tsy maintsy diovina daholo na “désinfecter-na” daholo ireo fitaovana rehetra rehetra.

 

Ny zavatra tokony atao ihany koa dia ny manalavitra tanteraka, farafahakeliny iray metatra (1 m), ny olona mety ahian-tsika na mitondra izany tsimok'aretina izany. Tsy atao, ary tsy tokony atao, ny fifanoroana rehefa mifampiarahaba; tsy mifandray tĂ nana ihany koa ary, indrindra indrindra, dia tsy tsara ny mikosoka ny maso na misikotra ny orona na manao tĂ nana am-bava raha tsy voadio ny tĂ nan-tsika.

 

Izany zavatra izany no afatra fohy mba tiako apetraka ho anareo manoloana ireo fepetra rehetra tokony ho raisina. Noho izany rehetra rehetra izany dia miankina amin'ny fianaky ny aretina ao anatina firenena iray ny fandraisana ny fepetra mifandraika amin'izany.

 

Misy “stades” (dingana) anankitelo, anankiefatra mihitsy ny afahana mandrefy an'ilay aretina ao anatina firenena anankiray. “Stade” voalohany ka hatramin'ny “stade” fahatelo na “stade” aotra ka hatramin'ny "stade" fahatelo.

Ny “stade” aotra na “stade zéro” dia tonga eto amintsika eto Madagasikara, dia tsy misy aretina hatramin'izao. Ny asa ataon-tsika dia ny fisoroana ny fidiran'izany valan'aretina izany eto amin'ny firenena.

Ny “stade” voalohany, dia any amin'ny firenena maro dia misy marary vitsivitsy ao anatin'ilay firenena anankiray. Izay ny “stade” voalohany.

Ny “stade” faharoa dia misy ny fiteny hoe : misy “cas groupés” na manomboka mianaka sy miparitaka aingana dia aingana ilay valan'aretina. Rehefa tonga amin'io “stade 2” io izany dia midika f'efa miparitaka manomboka amina toerana maromaro na tanàna maromaro ao anatina firenena iray ilay aretina.

Ny “stade 3” indray dia efa maheninka ny firenena iray manontolo ny valan'aretina izay ao anatin'ilay firenena iray manontolo mihitsy no voahenik'ilay aretina.

 

Noho izany dia tsara fanta-tsika fa ny fomba rehetra mba atao isoroana ireo no ataon-tsika eto Madagasikara. Araka ny teniko teo dia misaotra an'Andriamanitra isika fa mbola “stade zéro” izao isika miteny izao.

 

Ny fahafahana manao ny fomba rehetra isoroana ireo no andraisana andraikitra sy fepetra. Koa rehefa tonga amin'ny “stade 3” ny firenena iray dia ny fanakatonana tanteraka ny sisin-tany no fanapahan-kevitra raisin'ny mpitondra ao anatin'ilay firenena iray.

 

Inona moa izany fanakatonana izany sisin-tany izany ? Matetika mantsy eto amintsika izao dia betsaka no milaza hoe : akatony ny sisin-tany. Dia milaza aminareo aho izao hoe : “stade” firy moa isika izao miteny izao? Efa tonga amin'ny “stade 3” ve sa mbola any amin'ny “stade zéro” isika ?

 

Ny “stade 3 izany dia rehefa akatona tanteraka ny sisin-tany, dia midika izany fa : tsy afaka miditra an-tseranana intsony ny zavatra rehetra ilaina andavanandro izay ilain'ny firenena anankiray. Toa ny solika, ny vary, ireo kojakoja sy akora rehetra ampiodinana ny orinasa ao amin'ilay firenena.

 

Noho izany dia mitoka-monina tanteraka ilay firenena rehefa manakatona ny sisin-tany.

 

Eto aho dia mitodika aminao aho ry vahoaka malagasy.

 

Milaza aminao aho fa mandray andraikitra ny fitondram-panjakana ary ny rafim-pitantĂ nana sy ny mpitondra isan-tsokajiny eto amin'ny firenena dia efa mandray ny andraikitra tandrify azy tsirairay avy manoloana ny trangan-javatra izay misy sy mety ho hisy eto amin'ny firenena.

 

Ny tenako manokana dia mahatoky ny fahaiza-manao sy ny fitiavan-tanindrazana an'ireo tompon'andraikitra rehetra, indrindra eo anivon'ny fasalamana na eo anivon'ny fiarahamonina izay tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Koa rehefa avy nifampidinika tamin'ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny ny tenako, tao ireo akademisianina, ny mpitsabo, ireo mpiara-miombon'antoka, dia nandray izao fanapahan-kevitra izao : mba afahantsika misoroka ny fidiran'izany valan'aretina coronavirus izany eto Madagasikara dia ahato ny sidina mampifandray an'i Madagasikara sy ny Europe. Tafiditra ao anatin'izany ny firenena maromaro toa Italie, Espagne, France, Allemagne sy ny sisa hafa izay tsy voatanisa. Izany dia mandritra ny telo polo (30) andro ary arakaraka ny fivoaran'ny toe-draharaha no andraisana ny fanapahankevitra mifandraika amin'izany.

 

Faharoa : ahato ihany koa ny zotram-piaramanidina mampitohy an'ny nosy La RĂ©union sy Mayotte manketo Madagasikara.

Fahatelo : manomboka androany (14 marsa 2020) dia tsy mandray intsony ireo “bateaux de croisière” ireo seranan-tsambo rehetra manerana ny Nosy.

Fahaefatra : mba ho fitsinjovana ireo mpiray tanindrazana sy ireo olona monina sy miasa eto amintsika izay mamita iraka sy ireo mitsabo tena any ivelany, dia omena hatramin'ny alakamisy (19 mars 2020) izy ireo afahan'izy ireo mody sy miverina eto tanindrazana.

Fahadimy : ahato daholo ny fandraisana ny sidina avy any ivelany miditra mankany amin'ny faritra fa dia manomboka rahampitso (Alahady 15 mars 2020) dia eo amin'ny seranam-piaramanidina eo Ivato avokoa no hiantsonan'ireo fiaramanidina rehetra mba hafahan-tsika mifehy ny fivezivezen'ny olona sy ny fanaraha-maso ny fasalaman'ireo mpandeha ary hisoroana ny mety hidiran'izany valan'aretina izany eto amintsika.

 

Na dia izany anefa dia mila mitohy amin'ny andavanandro ny fiainana, fiainan-tsika sy ny fiainan'ny Malagasy. Ny tiako ho lazaina amin'izany dia misy ny solika, misy ny sakafo, ny fanafody, ny vary, ny menaka ary hisy ny fanaraha-maso manokana, mba tsy hisian'ny fanararaotana, dia mba hanara-maso akaiky ny vidin'entana ny ministeran'ny Varotra mba tsy hisian'izany fanararaotana izany.

 

Midika izany fa ny entana dia tsy mitondra tsimok'aretina fa ireo famezivezena ara-barotra na fifanakalozana ara-barotra dia mbola mitohy ihany mba tsy hitoka-monina ny firenentsika.

 

Ry Malagasy Namako,

Ny fitantĂ nana ny firenena dia mila fahaizana mitsinjo lavitra, vonona hatrany isika hiatrika ny tranga rehetra ary mandray ny fepetra mifandraika amin'izany.

Koa raha sanatria, sanatrian' ny vava ladian'ny lela, ka tafiditra eto amintsika izany valan'aretina coronavirus izany, dia efa miomana isika ary ho raisin'ny fitondram-panjakana manontolo ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tĂ nana ny marary voan'izany aretina izany.

 

Tsy maintsy miatrika isika, ary tsy maintsy vonona amin'ny zavatra rehetra. Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao no ilaina ny firaisankina, ilaina ny firaisam-po, ny firaisan-tsainan'ny Malagasy iray manontolo mba afahantsika miatrika izao sedra lalovan'izao tontolo izao sy ny firenena malagasy ihany koa.

 

Ny afatra apetrako amintsika Malagasy dia araho antsakany sy andavany ireo fepetra rehetra apetraky ny fitondram-panjakana sy ny manam-pahefana manerana ny Nosy.

Miara-misalahy amintsika ny OMS na ny “Organisation mondiale de la Santé”, ary vonona ny anohana antsika amin'ny fanapahan-kevitra rehetra izay noraisin-tsika mba iarovana ny firenena sy ny mpiray tanindrazana.

 

Koa antso avo no ataoko amintsika Malagasy Namana : andeha hiaraka isoroka ity valan'aretina ity isika; andeha hiaraka hientana hiaro ny Tanindrazana sy ny Ain'ny Malagasy.

Izaho, ianao, isika rehetra hiaraka hifanome tĂ nana iatrika izany.

Mankahery antsika mianakavy ary samia isika ho tahian'Andriamanitra.

Masina ny Tanindrazana,

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

 

Andry Rajoelina

Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara

14 marsa 2020

 

Naka ny sary sy nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Vendredi, 20 Mars 2020 20:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety