]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Andry Rajoelina. "Olona telo mitondra ny tsimok'aretina coronavirus eto Madagasikara"

Andry Rajoelina. "Olona telo mitondra ny tsimok'aretina coronavirus eto Madagasikara"

Ry Malagasy havako,

Ry Malagasy namako,

Ry Malagasy mpiray tanindrazana

Tompokolahy sy Tompokovavy.

Vao nipoitra ny aretina sy ny valan'aretina coronavirus tamin'ny volana janoary, dia nandray ny fepetra rehetra isika mba afahana misoroka izany, ary vao omaly no nikatona tanteraka ny fandraisana ny sidina farany avy any ivelany. Hatramin'ny fanambarana izay nataoko tamin'ny sabotsy lasa teo, dia mivaotra ary vao maika nianiparitaka tsy nisy ohatr'izany ity valan'aretina ity. Niazakazaka ny finianany maneran-tany fa indrindra indrindra aty Afrika.

Ary vao omaly indrindra dia firenena telo be izao no nahitana an'izany trangan'aretina izany. Anisan'izany ny tany Niger, ny ao Tchad ary ny any Cap Vert. Amin'izao ora hitenenan-tsika izao tokoa mantsy, efa tafakatra 34 ny firenena aty Afrika, aty amin'ny kontinanta afrikana iray manontolo izany, no misedra an'io aretina Covid-19 io, raha toa ka mbola firenena 14 monja andro vitsy lasa izay. Ary averiko indray fa tsy mifidy firenena, tsy mifidy saranga ity valan'aretina ity, ary mitombo isan'ora, mitombo isa-minitra ary mitombo isan-tsegondra manetry sy hifindran'izany valan'aretina coronavirus izany.

Raha eto amintsika, eto Madagasikara manokana, dia ho raisiko adidy ny milaza sy mampahafantatra antsika Malagasy rehetra ny zava-misy marina. Iarahantsika nahalala teo fa maro ireo fepetra efa noraisin-tsika mba hafahana misoroka, mifehy ilay valan'aretina izay hita mitranga maneran-tany. Anisan'izany, ohatra, tamin'ny fahatongavan'ny sidina farany izay nataon'ny zotra Air France omaly, dia natoka-monina any amina hotely maro maro eto an-drenivohitra avokoa ireo mpandeha rehetra izay miisa 111, ary noraisin'ny fitondram-panjakana tanteraka ny fiantohana an'izy ireo.

Toa ny mpandeha rehetra dia natao fitiliana ireo rehetra fa indrindra izy ireo. Adidiko ary anjaran'ny governemanta ny miaro ny ain'ny Malagasy iray manontolo. Arak'izany dia efa noraisin-tsika ny fepetra rehetra ary narahin-tsika ny paik'ady rehetra anakanana izany valan'aretina izany tsy hiditra eto amintsika. Ary ny nosy rehetra manodidina antsika ihany koa rahateo dia efa tratran'ity valan'aretina ity avokoa. Anisan'izany ny nosy La RĂ©union, ny nosy Maurice, ny nosy Seychelles ary ny nosy Mayotte.

 

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Androany dia nahazo ny valin'ny fitiliana avy any amin'ny Institut Pasteur ny tenako. Ka manamarina izy ireo fa misy olona telo mitondra ny tsimok'aretina coronavirus eto Madagasikara.

Olona tonga avy any ivelany avy koa izy ireo. Tiako ny manamarika fa ireo fepetra rehetra napetraky ny fitondram-panjakana no nafahana nisivana sy nahitana an'ireo olona ireo izay mitondra ny tsimok'aretina covid-19.

Dia misy vehivavy anankiray, renim-pianakaviana, 41 taona, tonga ny talata 18 marsa hariva avy any Frantsa, nandray ny zotra Air France mitondra ny laharana 934.

Ny olona faharoa dia mbola olona avy any Frantsa ihany koa. Vehivavy, tanora, 19 taona, mizaka ny zom-pirenena malagasy. Nandalo tao nosy Maurice izy io rehefa niainga avy any Frantsa ary tonga teto an-tanindrazana ny alarobia 18 marsa tolakandro, izay nandeha tamin'ny zotra Air Mauritius MK 288.

Ny olona fahatelo kosa dia mbola renim-pianakaviana ihany, 45 taona, Malagasy, tonga omaly alakamisy 19 marsa maraina avy any Frantsa, tamin'ny zotra Air Madagascar M 051.

Hatreto dia mbola tsy misy mampiahiahy ny toe-pahasalamanan'izy ireo, fa arahi-maso akaiky kosa ny fivoaran'izany toe-pahasalamanan'izy ireo izany. Efa natoka-monina tanteraka ary efa noraisin-tsika an-tĂ nana iray manontolo ny fikarakarana an'izy ireo.

Noho izany dia ny hopitaly manara-penitra eto Andohapenaka dia natokana handraisana hitsaboina maimaim-poana ireo marary rehetra izay tratran'izany valan'aretina coronavirus izany.

Marihiko f'efa fantatra avokoa ireo olona rehetra rehetra niara-niray fiaramanidina sy nifampikasoka tamin'izy ireo. Efa natoka-monina ary arahi-maso akaiky ny fahasalaman'izy rehetra ireny.

Amafisiko etoana fa ireo olona rehetra avy any ivelany dia tokony hanaraka antsakany sy andavany ny toro-marika fiarovana efa nomena ary efa napetraka mba tsy hifandray na amin'iza na amin'iza izy ireny.

Tokony miaro ny tenany izy ireo mba afahany ihany koa miaro ny hafa ihany koa.

Araka ny efa nolazaiko dia hajao ary mila manaja ny fepetra, ny fitsipika ary ny toro-marika mba afahana miaro ny ankohonanao, miaro ny fiarahamonina misy anao ihany koa ary indrindra indrindra miaro ny firenanao ary miaro ny firenen-tsika.

Ho anao izay tonga avy any ivelany, dia tsy tokony hivoaka ny trano ary tsy mifampikasokasoka na mifandray mivantana amina olona hafa mandritra ny 14 andro ianao.

Tokony mitoka-monina ao anatina efitra iray ary mila mifandray matetika amin'ny mpitsabo na ireo mpiasan'ny fahasalamana.

Eto aho izany dia manao antso ihany koa ho an'ny rehetra mba hiantso ny 913 ireo olona rehetra izay mahafantatra fa tsy salama ny vatany ary mahatsapa, araka ny toro-marika izay nomeko, fa mety ho azony izany tsimok'aretina izany.

Izany hoe : miantso ny 913 ary ho raisin'ny fitondram-panjakana sy ireo mpiasan'ny fahasalamana ny fikarakarana sy ny fitsaboana an'ny olona izay mety ho tratran'izany tsimok'aretina izany.

Ny tiako ambara dia izao : raha miantso io numéro 913 io isika tsy hanontany fanontaniana fa kosa rehefa mahatsapa fa misy tsy fahasalamana amin'ny toe-batan'ny olona iray. Izay no hafahan-tsika mifehy ny fiparitahan' ity tsimok'aretina ity.

Ary izao no hafatra omeko ho anareo rehetra rehetra izay avy any ivelany : hidina sy hijery anareo ireo olona rehetra tompon'andraikitra tsirairay isan-tsokajiny ao amin'ny Fahasalamana sy ny mpitandro filaminana ihany koa, hanamarina ny fanajanareo ny fitsipika rehetra napetraka mba hiarovana ny fiarahamonina sy ny mpiray tanindrazana ihany koa.

Koa hisy fepetra hentitra ho an'ireo izay tsy manaraka izany. Izany hoe : hoentina avy hatrany hitoka-monina eny amin'ny toerana voatokana raha toa ka tsy manaraka ireo fepetra ireo ianareo.

Ny anton'izany dia raisiko adidy ny miaro ny fahasalamana sy ny ain'ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ary isika rehetra, dia mila mifandrimbona, miray fo, miray saina, miara-mientana amin'ity valan'aretina ity.

Noho ireo antony rehetra ireo dia manomboka androany dia foanana daholo ireo famoriam-bahoaka sy fampisehoana isan-karazany.

Akatona avokoa ny toerana rehetra izay mandray ireo toeram-pilanonana maro samihafa.

Ny fahatelo dia foanana avokoa ireo fifaninana ara-panatanjahan-tena rehetra.

Fahaefatra : mikatona avo koa ny toeram-piananarana eny amin'ny sekoly sy ny eny amin'ny anjerimanontolo na ny oniversite rehetra manerana ny nosy.

Izany rehetra izany dia mandritra ny 15 andro manerana ny tany sy ny firenena. Koa arakaraky ny fivoaran'ny toe-draharaha no andraisana ny fepetra manaraka.

Izany akory dia tsy midika hoe maty tanteraka ny fiainana na mikatso tanteraka ny fampandehanan'ny asa aman-draharaha fa mbola mitohy toa ny isan'andro ny asa aman-draharaha rehetra. Mbola malalaka ny fivezivezenin'ny olona fa mila hajaina kosa ny fepetra ara-pahasalamana rehetra izay napetraka.

Manentana antsika rehetra ihany koa ny tenako mba hanara-baovao tsy tapaka, indrindra ny fampalalam-baovao ofisialy hafahana mahalala ny fivoaran'ny toe-draharaha sy ireo lamina mifandrify amin'izany.

Koa aoka isika tsy anaiky ho korontanin'ny vaovao tsy mari-pototra sy ny tsaho izay iniana aely.

Tsy fotoanan'ny fifanomezan-tsiny intsony izao, na ny fifanenjehana intsony ihany koa fa fotoanan'ny fandraisana andraikitra, fotoanan'ny fiaraha-mientana. Ilaina ny firaisan-kina mba hafahana miatrika izao sedra lalovan'ny firenena izao.

 

Ry Malagasy namako,

Tsy irery ianareo. Ny fitondram-panjakana dia eo anilanareo mandrakariva. Eto aho dia manome hafatra ho an'ireo mpiasan'ny fahasalamana rehetra sy ny mpitandro ny filaminana : matoky ny fahazai-manao nareo izahay, ary mankahery sy mandrisika anareo hijoro hatrany eo ampanatanterahana ny adidy sy andraikitra izay apetraka aminareo.

Izao no fotoana afahan-tsika maneho ny soatoavina malagasy sy ny maha iray aina sy iray vatsy antsika rehetra mpiara-monina manerana ny Nosy. Matoky y fahendrena malagasy ny tenako, ary matoky fa ho toherintsika miaraka ity valan'aretina ity.

Manainga antsika rehetra mba ho tony, hitandrina toa ny anakandriamaso ny fahasalaman-tsika mianakavy ary hitsinjo ny fiarahamonina malagasy satria sarobidy loatra ny aina.

Tsy maintsy mitraka isika, miaraka miatrika izao sedra lalovan-tsika izao, ary indrindra indrindrina apetra-tsika eo am-pelatĂ nan'Andriamanitra ny zava-drehetra.

Masina ny Tanindrazana,

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.

Andry Rajoelina

Filoham-pirenenan'ny Repoblikan'i Madagasikara

Ambohitsorohitra, 20 marsa 2020

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Lundi, 23 Mars 2020 14:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety