PASKA 2020. ARAHABAINA ISIKA MBOLA VELONA E !

Dimanche, 12 Avril 2020 05:09 A la une
Imprimer

RANOMASO LATSAKA

Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana
Noho ny Ranao latsaka
Tamin’ny Hazofijaliana.

Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana
Noho Ianao nitsangana
Avy ao am-pasana mangina.

Nohenjehina i Kristy, (noho ny helokao – noho ny helokao)
Nohenjehina noho ny helokao. (noho ny helokao – nohenjehina noho ny helokao)

Nampijaliana i Kristy, (noho ny helokao – noho ny helokao)
Nampijaliana noho ny helokao. (noho ny helokao – nohenjehina noho ny helokao)

Nofantsihana i Kristy, (noho ny otanao – noho ny otanao)
Nofantsihana noho ny otanao. (noho ny otanao – nohenjehina noho ny otanao)

Novonoina i Kristy, (noho ny otanao – noho ny otanao)
Novonoina noho ny otanao. (noho ny otanao – nohenjehina noho ny otanao)

Fafao ny otako,
Tompo o, Tompo o
Fafao ny otako
Fafao noho ny fijalianao.

Sasao ny heloko,
Tompo ô, Tompo ô.
Sasao ny heloko

Sasao amin’ilay Ranao.

Faly e, falifaly e
Fa tanteraka ny zavatra
Faly e, falifaly e
Fa tanteraka ny zava-drehetra.

Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana
Noho ny Ranao latsaka
Tamin’ny Hazofijaliana.

Ranomaso latsaka
Fa narahina hafaliana ô …

Mis à jour ( Dimanche, 19 Avril 2020 08:04 )