]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara Covid-19. Ireo fepetra vaovao manomboka anio 22.04.2020

Madagasikara Covid-19. Ireo fepetra vaovao manomboka anio 22.04.2020

Vitsy ao anatin'ny maro ireo minia mandika vilana ny toro-marika napetraky ny fanjakana malagasy, tamin'ny alĂ lan'ny kabarin'ny Filoha Andry Rajoelina, ny Alahady 19 Aprily 2020. Na izany aza, tsotra foana ny fomba fiadiana amin'ny tsaho isan-karazany sy ny lainga ary ny famoronona ankitsirano tsotra izao. Dia ny mamerina an-tsoratra ny zava-notenenina tsy misy ampiana tsy misy analĂ na satria tokoa raha mandalo ny teny, ny soratra mitoetra. Ndao ary.

" (...) Izao ny fepetra vaovao ho raisin-tsika, sy ampiarina manomboka androany.

Voalohany amin'izany dia ezahakan-tsika aloha atomboka ny famerenana tsikelikely ny fiainana andavanandron'ny mponina sy ny vahoaka, indrindra eo amin'ny asa fivelomana. Izany dia atao tapak'andro maraina. Izany hoe vao maraina manomboka amin'ny enina mandrapahatonga amin'ny iray ora tolakandro. Ny dikany dia hiverina tsikelikely amin'izay isika amin'ny fiainana andavanandro. Saingy izao kosa : ireo monina eto Antananarivo, any Fianarantsoa sy any Toamasina dia tsy afaka mivezivezy sy mivoaka ny faritra misy azy ireo.

 

Mbola mitohy ihany ny couvre-feu manerana ny tany sy ny firenena izay ataontsika manomboka amin'ny sivy ora alina ka hatramin'ny efatra ora maraina.

 

Na izany aza anefa, manomboka rahampitso alatsinainy (Tff : 20 Aprily 2020), dia tsy maintsy manao aro-vava avokoa ny rehetra izay mivoaka ny trano ary izay tsy manana dia hisy fizarana maim-maimpoana mandritra ny herinandro izay herinandro manaraka eo, manomboka amin'ny alatsinainy izao, mandrapahatonga ny alahady eny anivon'ny fokontany amin'ireo tanĂ na hisian'ny cas contacts, dia ny eto Antananarivo izany, ny any Toamasina ary ny any Fianarantsoa.

 

Araka izany, ireo olona rehetra izay mivoaka ny trano ka tsy manao ny aro-vava, izay afahan-tsika miaro ny tenan-tsika, miaro ny fianakavian-tsika, manomboka amin'ny alatsinainy faha-fito ambin'ny roapolon'ny volana aprily ho avy izao, dia ho voasazy manao asa ho tombontsoan'ny be sy ny maro na ny travaux d'intérêt général toy ny manadio zaridaina, manadio sekoly na mamafa làlana.

 

Mikasika ny fampianarana kosa dia reko ny tebitebinareo ray aman-dreny mikasika ireo zanan-tsika izay hanala fanadinana. Tsapako ny ahiahinareo ray man-dreny milaza ny hoe : ho taona fotsy ve, sanatria, ity taona ity ? Hisy ve ny fanadinana ary hiatrika izany koa ve ny zanan-tsika amin'ity taom-pianarana 2019-2020 ity ?

Manoloana izany dia miverina an-tsekoly ireo mpianatra rehetra manala fanadinana ofisialy aloha, na ny miankina io na ny tsy miankina amin'ny fanjakana. Koa toa izao ny fidiran'ireo an-tsekoly :

Ny mpianatra ao amin'ny kilasy famaranana na Terminales sy ny kilasy faha-sivy na ny 3è dia miverina an-tsekoly ny alarobia faha-roa ambin'ny roapolon'ny volana aprily 2020.

Ny mpianatry ny kilasy faha-dimy, na ny classes de 7è, dia miverina an-tsekoly ny alatsinainy faha-fito ambin'ny roapolon'ny volana aprily 2020.

 

Misy fepetra tsy maintsy raisina anefa mifanaraka amin'izany. Izany hoe :

Voalohany : dia ho zaraina aro-vava avokoa ireo mpianatra rehetra tsy ankanavaka. Ho zaraina ary hisotro ny Covid Organics avokoa ny mpianatra rehetra, mba hiarovana izy ireo amin'ny tsimok'aretina, izay ho zaraina maim-maimpoana.

Any am-pianarana, dia mpianatra iray dabilio iray.

Tsy maintsy hajaina ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana.

 

Mikasika ny mpiasam-panjakana dia apetraka ny service minimum toa ny amin'izao fotoana izao, ka anjaran'ny minisitra sy ny ministera isan-tokony ny mandamina izany.

Ny sehatra tsy miankina dia mandamina izany araka ny seham-pihariana misy azy tsirairay avy.

Miverina mandray tsikelikely ny asany ireo miasa tena, manomboka ny alarobia roa amin'ny roapolon'ny volana aprily ho avy izao, fa tsy maintsy kosa manaraka ny lamina ara-pahasalamana rehetra. Izany hoe : raha ao anatina efitra kely iray hampiasain'izy ireo, dia tsy mahazo mandray afa-tsy olona dimy farafahabetsany; tsy maintsy manaja ny elanelana iray metatra; tsy maintsy manao aro-vava avokoa ny rehetra eny amin'ny sehatr'asa tsy miankina ireny; tsy maintsy manaja ny fepetra rehetra amin'ny fahadiovana ary mitsahatra amin'ny iray ora tolakandro izany asa rehetra rehetra izany.

 

Ireo toerana fisakafoanana dia afaka misokatra hatramin'ny iray ora tolakandro, saingy ny hariva kosa dia afaka mivarotra sakafo aterina eny anivon'ny tokan-trano izy ireo.

 

Mikasika ny fitateram-bahoaka.

Ireo taxi dia mahazo mitondra olona telo farafahabetsany. Izany hoe iray eo aloha ary roa eo aoriana.

Ireo taxi-be dia miasa fa tsy hasiana intsony ireo seza eo ampovoany na ilay antsoinareo hoe seza volamena izany. Indrindra : tsy misy mahazo mitsangana intsony na manao ankisisika eny anivon'ireny fitateram-bahoaka ireny.

Tsy maintsy manao aro-vava avokoa na ny mpandeha na ny mpamily ary ho ferena ho 18 ny isan'ny olona ao anaty taxi-be iray farafahabetsany, ka ireo rehetra izay tsy manaraka izany dia hiaran'ny sazy avy hatrany toa ny fampidirana fourrière .

Ny taxi-brousse any amin'ny faritra, mankany amin'ny faritra dia mbola mikatona avokoa ny miainga avy eto Antananarivo, ny miainga avy any Fianarantsoa ary ny miainga avy any Toamasina.

Tsy maintsy atao désinfection avokoa ireo fiara mpitatitra rehetra.

 

Mikasika ny famoriam-bahoaka dia mbola tsy azo atao ary rarĂ na hatrany ny famoriam-bahoaka toa ny fampisehoana ara-kolontsaina sy ara-panatanjahantena ar ny famorian'olona mihoatra ny 50.

 

Ry Malagasy mpiray tanindrazana,

Maro ireo fepetra napetraka ary mbola lavitra ezaka ny dian-tsika. Mila ny fahavononanao aho ry Malagasy namako mba hijoro ho an'ny tanindrazana.

Ny fahombiazan-tsika dia ho reharehan'ny firenena iray manontolo; ny fandrosoan-tsika sy ny fahitan-tsika vahaolana ihany koa dia handresen-tsika ity valan'aretina ity, dia tsy fandresen'olo-tokana na fandresen'olom-bitsy fa fandresen'ny Malagasy iray manontolo.

Ny fanakĂ nana sy ny fitsikerana izao ezaka ataon-tsika izao dia midika tsy fitiavana tanindrazana, indrindra indrindra tsy fitiavana ny mpiray tanindrazana. Izay no nanaovako ary hanaovako antso ombieny ombieny mba hisian'ny firaisan-kina sy ny firaisan-tsaina ary, indrindra indrindra, ny fiaraha-mientana manoloana ny raharaham-pirenena. Izay no maha Malagasy antsika, izay ny Malagasy.

Ny fandraisan-tsika mianakavy andraikitra no afahantsika mandresy izao sedra lalovan'ny firenena izao. Matoky anao aho ry Malagasy amin'ny fanarahana antsakany sy andavany ireo toro-marika izay apetra-tsika.

Ny zava-drehetra dia lalĂ n'Andriamanitra avokoa, izay tsy takatry ny sain'ny zanak'olombelona. Ary, araka ny nambarako ombieny ombieny, rehefa mamarana ny kabariko aho, dia hoe : ny zava-drehetra dia apetra-tsika eo am-pelan-tĂ nan'Andriamanitra avokoa.

Masina ny Tanindrazana,

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy "./.

 

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Mardi, 05 Mai 2020 00:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO