]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Covid-Organics-CVO. Nahomby tao Tchad : 34 ny isan’ny olona sitrany

Covid-Organics-CVO. Nahomby tao Tchad : 34 ny isan’ny olona sitrany

SARY LEHIBE KOKOA ETO

Mahavariana mihitsy ireto mpilaza sy mpampiely vaovao vazaha fa raha hitady ao amin’ny Google tsotra ianao dia tsy hahita ity manaraka ity mihitsy. Hatramin’ny omaly aloha. Tsy misy miresaka. Ary zaran’ny sasany eto Madagasikara amin’izay no « mamely fantsy » fa tena « tsy izy io Filoha Andry Rajoelina io fa mpanao bizna fotsiny ihany ». Tandremo ny vava sy ny soratra fa ny hamerina azy ireo no hanahirana ho an’izay niteny sy nanoratra azy aorina ao... Ity lahatsoratra ity tsy natao « hiborosy » an’iza n’iza fa kosa mamela ny hafa iresaka mikasika ity CVO ity, izay toa mampirediredy ny sasany tsy aninona tsy aninona fa lany andro manaratsy mpiray tanindrazana isaky ny mihiratra ny masoandro (izay tsy ho hita intsony nefa rehefa injay maty, ary tsy maintsy ho faty). Ny marina dia dikan-tenin’ilay lahatsoratra nosoratan’ilay mpanao gazety Malick Mahamat amin’ny teny frantsay, ao amin’ny gazety «Al Wihda» ao Tchad, ity manaraka ity.

Ny lohateny nomeny azy moa dia : « Tchad : 34 personnes guéries grâce au Covid-Organics, «sans effets négatifs» ». Izany hoe : olona miisa 34 no sitran’ny Covid-Organics ary tsy nisy na nahitana fiantraikany hafa ratsy -na mifanohitra aminy- mihitsy (« effets négatifs »). Fa ity ny dikan-ten’ilay lahatsoratra manontolo, amin’ny teny malagasy :

Nanambara ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Mahamoud Youssouf Khayal, tao amin’ny Antenimierampirenena, ny 4 Jona 2020 tao amin’ny Lapan’ny Demokrasia, fa ilay Tambavy malagasy Covid-Organics (CVO) dia nomena marary sasany tratrin’ilay coronavirus ary tsy nisy fiantraikany ratsy hafa mihitsy. Hoy Andriamatoa minisitra : « Nomenay Covid-Organics ireo marary tsy mahazaka chloroquine. Niatsara ny toe-pahasalaman’izy ireo ary tsy nisy fiantraikany ratsy na iray aza. Misy ireo marary mihoatra ny 60 taona nomena safidy : na chloroquine na Covid-Organics ihany ».

Feon'ny Pr Mahamoud Youssouf Khayal ETO

Ary nanohy ny Pr Mahamoud Youssouf Khayal fa «nisy marary miisa 34 no voalazan’ny mpitsabo nampiasa ny CVO sy antibiotiques 100% («cliniciens») fa sitrana. Marina fa mbola karazana andrana no natao fa tena manasitrana ny CVO ary tsy misy fiantraikany ratsy hatreto. Fa mbola mila miandry kely isika izay vao tena afaka milaza sy manambara fa azo antoka 100% ny CVO. Izay lafin-javatra izay no eritreretin’ny Filan-kevitra ara-siantifika («Conseil scientifique») amin’izao fotoana izao».

Dia nanambara koa izy fa nisotro ilay CVO natao fiarovana («préventif»). «Mora atelina ilay izy, ary miandry isika», hoy izy. Raha mikasika ilay CVO atao fitsaboana («curatif») indray dia namerina izy, araka ny voalazan’ireo mpitsabo mampiasa azy fa tena mahasitrana ilay izy : «le curatif a été reconnu par nos amis cliniciens : ça soigne». Ary nampitainy tamin’ny solombavambahoaka ao Tchad ny fangatahin’ireo mpitsabo ireo mba anafatra CVO avy aty Madagasikara. Izany hoe CVO 10.000 «préventifs» sy CVO 10.000 «curatifs». Toa efa nanaiky ny ao amin’ny Antenimierampirenena ao Tchad ary « tsy ho ela, dia ho azontsika ireo », hoy ny Pr Mahamoud Youssouf Khayal, tao anatina vidéo iray mirakitra ireo fanambarany rehetra ireo, amin’ny teny frantsay, nitontosain’i Tchad Info.

Raha tsiahivina, nanomboka ny 19 marsa 2020, dia izao no isan’ny olona tratry ny coronavirus mitondra ny covid-19 ao Tchad : 820 ka 214 amin’ireo no vehivavy ; 590 no sitrana amin’ireo raha 66 no maty. Marihina fa 16 tapitrisa mahery ny mponina ao Tchad izay mirefy 1.284.000 km² raha 26 tapitrisa kosa ny mponina eto Madagasikara izay mirefy 588.000 km². Fehin’ity lahatsoratra ity ? Tokony hirehareha ny tsirairay fa Malagasy, indrindra eo ankatok’izao fankalazana ny 60 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantena izao. Mbola ho avy koa ny akom-baovao avy amin’ireo firenena ao Afrika tonga tao Ivato naka ny anjarany. Fa aza manantena loatra hoe ny France24 na Rfi no hamoaka izany voalohany…

Ny vaovao farany mikasika ity aretina covid-19 ihany, hoy ianareo ? Nihemotra ary niaiky sy niala tsiny ireo manampahaizana ara-siansa «scientifiques» telo : Mandeep R Mehra, Frank Ruschitzka ary Amit N Patel, anisan’ny namporisika ny OMS nanantona ny fampiasana ny chloroquine. Izany hoe namboarimboarina ireo vokatra hitany ka nivoaka tao amin’ilay gazety boky «The Lancet» izay manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatry ny siansa maneran-tany. Ary dia izao no nosoratany ka nalefa tany amin’io gazety boky malaza io : «Nous ne pouvons plus nous porter garant de la véracité des sources des données primaires» Izany hoe : tsy afaka miantoka intsony ny fahamarinan’ireo isan’ny fikaroana ifotony natao. Ny marina marina ihany e…


Fa enjana ity « Big Pharma » ity. Inona izany, hoy ianareo ? Io dia vondrona mpanambola mamatsy ny «laboratoires» manamboatra fanafody ka izy ireo no manana ny ampahany be indrindra eo amin’ny tsenan’ny fanafody maneran-tany.


Tafiditra ao anatin’ireto manaraka ireto ry zareo. Etazonia : Johnson & Johnson, Pfizer, Merck and Co, Abott Laboratories, Bristol Meyers Squibb, Amgen, Gilead Sciences, Eli Lilly ; Suisse : Roche ; France : Sanofi ; Royaume-Uni : GlaxoSmithKline, AstraZeneca ; Allemagne : Bayer Schering Pharma ; Danemark : Novo Nordisk ; Israël : Teva Pharmaceuticals.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 07 Juin 2020 07:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety