SALOMON RAVELONTSALAMA (Sa), mpanao gazety. Fara-veloma

Mardi, 11 Août 2020 04:41 A la une
Imprimer

Lasa nandeha nandao ity tany fandalovana ity izy, ny 7 aogositra 2020. Satria nantsoin’ny Ray hody any aminy, teo amin’ny faha-63 taonany.

Fa ny asa sorany kosa dia hitoetra ho an’ny taranaka fara aman-dimby, mikasika ny sehatra ekonomika sy politika malagasy.

Efa ela tokoa i Salomon izay manao sonia ny lahatsorany amin’ny hoe Sa fotsiny ihany, no nanao ny asa fanaovan-gazety.

Teo amin’ny roampolo taona teo ho eo izy no niasa tao amin’ny gazety Midi Madagasikara (1984-2003). Fanoratana amin’ny teny frantsay no nanavanana azy kokoa eo amin’ny sehatra ekonomika. Fa sekreteran’ny fanoratana tao amin’io gazety Midi io ihany koa i Sa.


Ny taona 2003 i Salomon Ravelontsalama no nandao ny gazety Midi ary nanorina ny gazety La Gazette de la Grande île. Io dia niarahany tamin-dry Lola Rasoamaharo, Adelson Razafy, James Ramarosaona, Patrick Andrianjafy (efa maty) ary i Franck Raharison izay nandao antsika tamin’ity taona ity ihany.

Sady mpanoratra i Sa, eo amin’ny lafiny ara-poltika, no Tale jeneraly misahana ny fandrarahana ankapobeny sy ny vola («Directeur général chargé de l’Administration et des Finances»). Satria tena orinasa tokoa izany La Gazette de la Grande île izany.

Efa ela i Salomon no tsy dia « en forme » fa tsy hoe lasa « tampoka » akory izy. Natao ny hala-nenina rehetra fa efa tonga ny ora andaozany ity tany ity.

Inona moa no ho lazaiko fanampiny ? Sady mpamangy ny vangiana ny tenako. Satria manoratra ao amin’ny La Gazette de la Grande île koa aho. Ka dia miara-ory sy mankahery ny fianakavian’i Sa iray manontolo ny tenako, ary koa ny fianakavian’ny mpanao gazety eto Madagasikara tsy ankanavaka.

Ary dia atolotra ho antsika mianakavy io tononkalo nosoratan’i Dox io ambany io.

Jeannot Ramambazafy


TSY HODINGANINA NY MATY…

Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty

Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty

Ny fitohizantsika aminy…sady isika taizany aza,

Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !

Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !

Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,

Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina

Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina !

Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !

Nananganana tanàna ka tsy hahazo hialangalana,

Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,

Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny

Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?

Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra

DOX (Jean Verdi Salomon Razakandrainy)

Mis à jour ( Mardi, 11 Août 2020 11:00 )