Roland Ratsiraka. Ilay mpanao politika mihevi-tena fa olo-marina tapi-pahaizana

Dimanche, 14 Novembre 2021 21:10 A la une
Imprimer

Avy hatrany isika dia vavany :

Roland Iarovana Ratsiraka, 08 Novambra 2021 :

« Misy zavatra loza mitaotao ao amin’ny tampon-tananan’i Toamasina, ary loza eo amin’ny lafin’ny… zavatra goavana satria resaka tontolo iainana. Dia inona izy io ? Misy olona mitondra tuyau izany, mandalo any amin’ny port ; mandalo any amin’ny Hopitaly Be, dia mandavaka koa eo amin’ny Hopitaly Be eo, dia mankaty amin’ny Lycée Rabemananjara, amoron-dranomasina daholo izany an ! eo amin’ilay hoe Miami tenenintsika, dia manadia any amin’ny tahiti kely jusqu’any Canada any.

Tuyau io izany dia hanaovana pipeline hitondrana menaka, menaka izay vokarin’ny société HITA. Io société io dia efa noteneniko hoe : io dia akaikin’ny fitondrana ary arovan’ny fitondrana satria tsy misy olona hafa eto Madagasikara mahazo mamokatra menaka, manodina menaka, raha tsy ny société HITA. Any ka misy usine any Majunga, eo amin’ny 10 millions de dollars eo ny investissements nataony, tsy mahazo misokatra ; misy usine ao Toamasina, eo amin’ny 8 millions de dollars eo, tsy mahazo misokatra fa tsy maintsy ny société HITA ihany.

ka ny loza dia, voalohany aloha : ny vahoaka malagasy mividy menaka lafo nefa izy ihany no mahazo mivarotra menaka. Faharoa manaraka izany, dia loza ary eto aho an, miteny amin’ny Andriamatoa Filoha Rajoelina izany namonjy ny COP-26 ! : mamonjy COP-26 ianao fantatrao fa resaka tontolo iainana izany.Nefa androany lavahana indray ny moron-dranomasin’i Toamasina, ampidirana menaka any ka rehefa tonga ny cyclone dia feno menaka ny ranomasin’i Toamasina. Tsy azo ekeny izany, Tompokolahy sy Tompokovavy, satria fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara no laharam-pahamehana, fiarovana ny tontolo iainana koa ao ami’ny tampon-tananan’i Toamasina, fiarovana ny renivohim-paritany izay manana ny tantarany fa tsy fenoina menaka ny plage-n’i Tamatave, na Majunga na Tuléar na Diego mitovy amin’izany daholo.

Ao Tamatave efa misy plan d’urbanisme nataonay, ary misaotra ny Ben’ny Tanàna f’efa nanome sahady izy arrêt des travaux amin’ilay asan’ny société HITA omaly hariva (08.11.2021). Misaotra anazy aho fa tsy izy irery ihany ny tomponandraikitra eto Madagasikara satria ao ny minisitry ny Environnement, ao ny Praiminisitra, ao ny Filoham-pirenena, mamonjy COP-26 nefa androany indray mandavaka mba hisiany pipeline ampidirana menaka. Izaho mihevitra hoe ilay Miami hanatsara anay, ay hanaovana pipeline ilay Miami ; izaho mihevitra hoe hanamboarana ilay lalana amoron-dranomasina mba ho fanatsarana ; ay moa hanaovana ilay pipeline. Grave izany an !

Ka dia miteny aminareo aho fa izaho dia hijoro jusqu’aminy farany mba hitsahatra io zavatra ataonareo io fa aoka izay ny fanitsakitsahana ny vahoaka malagasy, fanitsakitsahana ny vahoakan’i Tamatave. Fa tsy rariny, tsy azo ekena. Ary, farany, dia hoy izaho hoe : raha te-hampidina ny vidin’ny menaka eto Madagasikara dia avelo misokatra ny usines sasany. Avelao misokatra, aoka izany ny ampi-mamba ara-ekonomika izay ataonareo amam-polo taonany. Satria tamin’ny transition, nahazo exonération totale io orinasa io, hatramin’izao tsy misy mahasahy miteny satria matahotra io daholo ny olona rehetra satria ireo olona ireo voarohirihy amina zavatra afera maro izay tsy madio eto Madagasikara fa ianareo journalistes manaova fanadiadiana (…) ».

Ireo no voalazan’ingahy Roland Ratsiraka ho voarakitry ny Tantaram-pirenena malagasy. Azy ny azy amin’izay resany hoe « fenoina menaka » izany i Tamatave. Heveriny fa tuyau fanasana fiara na fanondrahana zava-boary angaha izany oléoduc izany. Tsy hidirako lalina ihany koa ny fahaizany nampitahotra an’ingahy Hery Rajaonarimampianina fa manana dossier momba io « Hery tonta » io izy. Fa natahotra tokoa i Hery Vaovao any ka nataony minisitra foana i Roland Ratsiraka nandritra ny fitondrana Hvm (izay toa tsy nasiany resaka mikasika ilay société HITA kianiny) : ministry ny Asa vaventy (Praiminisitra Kolo Roger sy Jean Ravelonarivo) ary avy eo minisitry ny Fizahan-tany (Praiminisitra Olivier Mahafaly hatramin’ny farany).


Ireto ihany koa no tsy ho adinon’ny Tantaram-pirenena mandrakizay :

Ny volana desambra 1996 dia izy no Talen’ny Seraseran’ny dadatoany, Tompokolahy Amiraly Didier Ratsiraka, nilatsaka ho Filoha ka naharesy an’Itompokolahy Zafy Abert. Ny Taona 1998 izy voafidy Solombavambahoaka ary ny taona 2000 voafidy Ben’ny Tananan’i Toamasina (Tamatave). Rehefa tonga tampoka teo amin’ny fitondrana i Marc Ravalomanana dia naatony tamin’ny maha Ben’ny tanàna azy i Roland Ratsiraka izay nampidiriny am-ponja mihitsy ny taona 2007 -rehefa voafidy Ben’ny tanàna ny taona 2003-satria nolazaina fa manao kolikoly.

Rehefa tonga moa ny Tetezamita -notarihin’Andriamatoa Andry Rajoelina-, izay noresahiny dia izy no Filoha lefitry ny CST (Conseil Supérieur de la Transition) teo anelanelan’ny taona 2009 sy 2014. Tamin’ny fifidiana filoham-pirenena, fiodinana voalohany, ny 25 oktobra 2013 dia nirotsaka ingahy Roland Ratsiraka ary nahazo 09% ny vato nana-kery. Fahaefatra izy taorian’ny kandida isany Hery Rajaonarimampianina, Jean-Louis Robinson ary Hajo Andrianainarivelo. Iza moa izany no notohanany tamin’ny fiodinana faharoa ? Izao no nosoratako amin’ny teny frantsay, teto aminy madagate, tamin’izany vaninandro izany :

(…) Roland Ratsiraka décide de soutenir le candidat Hery qui, une fois élu, le nommera ministre des Travaux publics (2014-2016) puis celui du Tourisme (2016-2018). Pourquoi ce maintien durant tout le mandat du régime Hvm ? Parce que Roland Ratsiraka aurait « des dossiers » sur Hery « tonta » (usé, par opposition à « vaovao » signifiant neuf). Il l’avait révélé urbi et orbi à la Tvm (Télévision nationale) durant la campagne électorale ayant précédé le premier tour (…).

Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 dia nirotsaka ihany ingahy Roland Ratsiraka ary dia 00,43% no vato azony tamin’ny fiodinana voalohany. Tsy dia badraodra loatra izany ny mpifidy malagasy… Fa tsy i Marc Ravalomanana mihitsy aloha no notoanany tamin’ny fiodinana faharoa, ny 19 desambra 2018 fa ingahy Andry Rajoelina, izay kianiny mafy amin’izao resaka mena ho « fenoina erak’i Toamasina ».

Ny 13 novambra 2021 anefa, tao amin’ny Carlton Anosy dia nifamela heloka i Dada (« tsy izaho no nanagadra anao ») sy ity Roland be sinema nanadino ny nanaovan’ingahy Ravalomanana an’i Dadatoa Ratsiraka Didier tany Dakar ny taona 2002. Fantatreo ny « baiser de Judas » ? Raha mitohy ny ataony dia marina tokoa fa ho lany Filohan’ny mpandoto rano i Roland Iarovana. Satria nahoana ?

***************

HO « FENO MENAKA » IZANY NY CANADA RAHA ANY I ROLAND IAROVANA?
***************


Ny 13 novambra 2021, dia nanao fanambarana tao amin’ny Tvm ny Governoran’ny Faritra Atsinana, Andriamatoa Rafidison Richard Grégoire izay sady manazava no any toa miaro ny rambony tsy ho tapaka koa… !

« Misy minisitera, sampan-draharaha, miandraikitra ny asa rehetra izay mandeha eto amin’ny tany sy ny firenena. Ny resaka « pipeline », izay ho ataon’ny orinasa HITA, dia ambarako eto fa tsy misy idiran’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny mahakasina an’izany. Fantan-tsika tsara fa ny asa rehetra goavana izay mandeha eto amin’ny Firenena dia misy ny lalàna mifehy an’izany izay fantan-tsika rehetra hoe « décret MECIE ». Izany hoe tsy maintsy misy ny fandiadiana ara-tontolo iainana sy ara-sosialy.

Manana rafitra isika eto Madagasikara, ny antsoina hoe « Office National pour l’Environnement » (ONE), no tomponandraikitra amin’izany. Ny eto amin’ny Faritra Atsinanana, dia ataon-tsika zava-dehibe ny fampanarahan-dalàna. Izany hoe : ho an’io asa izay natomboky ny orinasa HITA, izay marihina fa na ny « Commune urbaine », na ny Faritra Atsinanana, na ny « Préfecture » dia tsy nahalala io fanomboan’io asa io. Izany no mahatonga ny Komity izay tarihan’ny « Préfecture » sy ny ONE nandray fanapahan-kevitra avy hatrany, niaraka tamin’ny « Commune urbaine », nampijanona ny aza.

Najanona aloha ny asa mandrapahavitan’ilay antsoina hoe « Etude d’impact environnemental » izay ny ONE no miandraikitra izany. Amin’ny zoma izao ihany (Ttf : 19 novambra 2021), dia hisy sahady ilay atao hoe « consultation publique » fakan-kevitra izany, izay dingana tsy maintsy atao amina aza goavana ohatran’io. Ka ampy izany ilay ny fanasoketana foana an’Andriamatoa Filoham-pirenena amin’izay asa izay fantatra fa misy tomponandraikitra mazava. Tsy ny Filoham-pirenena no manome alàlana ny fanaovana « pipeline » fa misy tomponandraikitra miandraikitra an’izany.

Izany no nahatonga an’io natao hoe « suspension » : najanona aloha ilay asa mandra-pivoahan’ilay « résultat » izay ho avoakan’ny ONE (…) ».

Ny tena moa mpanao gazety mpikaroka ary mba itokisan’ny mpamaky ihany amin’ny tsy hanoratako tantara valamaty fa mipetraka amina porofo mazava. Ary dia variana aho mahare fa toa milaza fa tsy mahalala n’inona n’inona ireo tomponandraikitra ao Toamasina ao kanefa toa izao no fandehany io « Oléoduc » io, izay tsy « tuyau » fotsiny araka ny filazan’i Rolan Belazao Ratsiraka. Mitodika aminy aho aloha ary miangavy azy hijery ao amin’ny Internet ny dikany ny hoe « Oléoduc », ny fepetra ara-teknikna maha samihafa azy sy ny hoe pipeline ary, hamaky tsara ny momban’ny « Oléoduc » mampitohy an’ny Sibérie orientale sy ny Océan Pacifique, fa tsy kilalaon-jaza akory io fomba fitanterana « liquides » izany. Ataoko fa mahay jeografia ingahirainy zanadrahalahin’Itompokolahy Amiraly.

Izay rehetra izay no voalaza dia ndao !


Efa tamin’ny volana Avrily 2021 no naharay tatarasy mikasika ny « demande d’implantation d’un oléoduc de 10 km de long entre le port de Toamasina etla nouvelle raffinerie de la société HITA, se trouvant dans le quartier d’Ampilaolava Ambalamanasa ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa vaventy. Izany hoe tsy tamin’ny Filoham-pirenena niatrika ny COP-26 tany Glasgow mihitsy no nipoitra ity « projet » ity f’efa valo (08) volana lasa izay (JEREO NY SARY EO AMBONY).


Ny 13 oktobra 2021 kosa dia efa voarain’ny Tale jeneralin’ny ONE ny taratasy rehetra mikasika ny fijeriny (« évaluation ») mikasika ny « projet d’étude d’impact environnemental fanampin’izay efa natao. (JEREO NY SARY EO AMBONY).


Ny 11 novambra 2021 kosa dia nandefa taratasy ny ONE nampilaza fa ny 12 novambra 2021 dia hisy ny « évalution technique sur terrain » sy « consultation du public concerné » (ilay fifanatrehina amin’ny vahoaka voakasika afahany milaza ny heviny) (JEREO NY SARY EO AMBONY).

Io no nampikoropaka an’ingahy Roland Ratsiraka nandoto rano ny 09 Novambra 2021 amin’ny resabe efa mahazatra azy. Sarotra koa no hinoana fa tsy nahalala io resaka « Oléoduc » io ny tomponandraikitra ao Toamasina. Fa dia hitsangana hatramin’ny farany moa ingahy namorona ny MTS ka amin’ny zoma 19 Novambra 2021 izany ny fotoana e ! Sa efa miongana ny Filoha Rajoelina amin’izay fotoana izay ? Minoa fotsiny ihany.

Jeannot Ramambazafy

15.11.2021/00:12 AM

Mis à jour ( Lundi, 15 Novembre 2021 02:34 )