Antananarivo, 1 Desambra 2021. Nanao fianiana ireo mpikambana vaovao ao amin’ny CENI

Mercredi, 01 Décembre 2021 15:19 A la une
Imprimer

Fitsarana an-Tampony ao Anosy Antananarivo. Tontosa androany 1 Desambra 2021 ny lanonana ofisialy nanaovan’ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI), ny fianianany. Izany dia natao teo anatrehin’ny Filohampirenena, Andry Rajoelina.

Nianiana izy ireo fa : Hanatanteraka ny andraikitra sahaniny araka ny didy aman-dalàna mifehy azy ireo sy ny lalàmpanorenena, ny hitandro lalandava ny fahamarinana, tsy mitanila, ary handala ny fahamendrehana takian’ny andraikitra sahaniny izy ireo.

Ireto avy ny mpikambana vaovao ao amin’ny CENI, izay nanao izany fianianana izany io 1 Desambra 2021 io :

Arsène Retaf Andrianarisedo Dama, Mpikambana tao amin’ny HCC teo, izay notendren’ny Filoham-pirenena mivantana (« Représentant du Président de la République »)

Tiana Ifanomezantsoa Randrianarivonantoanina, misolo tena ny Fitsarana fara-Tampony (« Cour Suprême »)

Jacques Michael Ravalitera sy Andoniana Andriamazaray, misolo tena ny fiarahamonina sivily (« Société civile »)

Guy Georges Razafindrabe Jeannot, misolo tena ny Mpisolovava (« Ordre des Avocats »)

Houssein Abdallah, misolo tena ny Antenimierampirenena (« Assemblée nationale »)

Laza Rabary Razafimamonjy, misolo tena ny Antenimierandoholona (« Sénat »)

Roger Marc Fidimiafy, misolo tena ny Fitsarana avo momban’ny Lalampanorenena (« Haute cour constitutionnelle - HCC»)

Ralaisoavamanjaka Andriamarotafikatohanambahoakana ny mpanao gazety Soava Andriamarotafika, misolo tena ny Holafitry ny Mpanao Gazety (« Ordre des Journalistes de Madagascar - OJM »)

 

Araka ny lalàna mifehy azy ireo dia hiantso fivoriana tsy ara-potoana ny zokiny indrindra amin'ireo mpikambana vaovao amin'ny CENI, telo andro aorian'io lanonam-pianianana. Izany hoe ny 4 Desambra 2021.

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Mercredi, 01 Décembre 2021 15:35 )