MADAGASIKARA. 1.17O NY FAHAZAHOAN-DALANA NAVOAKAN ‘NY FARITRA ATSINANANA HO AN’IREO MPANANGOM-BOKATRA LODSIA

Samedi, 25 Novembre 2023 15:21 A la une
Imprimer

Manodidina ny 18.000 taonina no vokatra lodisia haondran'i Madagasikara amin'ity taom-piotazana 2023. "Nitombo izany lanja izany raha oharina tamin'ny taona lasa", araka ny fanazavana azo avy eo anivon'ny Faritra Atsinanana. Ny talata 21 Novambra 2023 lasa teo, tamin'ny 3 Ora tolakandro, no nanomboka ny taom-piotazana lodisia any amin'ny Faritra Atsinanana sy ny Faritra Analanjirofo. Ireo Faritra roa ireo no miantoka ny fanondranana lodisia any ivelany, indrindra any Eropa, mialohan'ny Fetin'ny Noely 2023.

Sambo 3 be izao no hitondra ny maro amin'ireo vokatra lodisia haondrana any ivelany ireo raha toa ka sambo 2 hatrany izany isan-taona. Ny orinasam-panjakana SMMC (« Société de Manutention de Marchandises Conventionnelles ») no tena miantoka hatrany amin'ny 90% ny fampidirana izany vokatra lodisia izany ao anaty sambo rehefa miainga avy any amin'ny orinasa mpanondrana (« exportateur ») ka tonga ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Vokatra tsy ao anaty kaontenera ireo fa anaty ny antsoina hoe : « palette ».

Ity orinasam-panjakana SMMC no miandraikitra ny pitsopitson’ny fanondranana ireo vokatra izay tsy mitsahatra miezaka manome fahafahampo ny mpanjifany sy mivoatra manaraka ny toetr'andro amin'ireo fitaovana ananany. Azo tsapahin-tànana amin'ny fivoaran'ny asan'izy ireo isan-taona izany. Indrindra amin'ity asa fanondranana lodisia ity. Raha tsiahivina dia ity orinasa ity no mikirakira ny fampidirana ny lodisia anaty « palette » ao anaty sambo haondrana any ivelany. « Misy ny fanamby ataon'ny orinasa SMMC, amin'izao fanondranana lodisia 2023 izao satria na sambo miisa 3 aza no hitondra ny vokatra eto Madagasikara hiazo an'i Eropa dia hovitain'izy ireo ao anatin'ny 7 andro izany. Tamin'ny taona 2022 mantsy dia 7 andro no namenoin'izy ireo ny vokatra lodisia anaty sambo miisa 2. Manodidina ny 11 Taonina eo izany vokatra lodisia naondrana tamin'ny 2022 izany raha 13.000 Taonina izany amin'ity taona ity ary alefa amin'ny Sambo miisa 3 ». Ireo no fanazavana nomen'Atoa Edisson sy Atoa Charles samy tomponandraikitra eo anivon'ny orinasa SMMC.


« Miisa 28 ireo orinasa mpanondrana lodisia miasa ao Toamasina tamin'ny ity taona ity raha 1.170 ny fahazoan-dàlana (« agrément ») navoakan'ny Faritra Atsinanana ho an'ireo mpanangom-bokatra », hoy ny vaovao azo avy eo anivon'ny Governoram-paritra Atsinanana. Voalaza fa : « Tsara ny vokatra amin'ny ankapobeny raha ampitahaina tamin'ny taon-dasa ». Nisy ny fitsidihana ireo orinasa mpikirakira izany, izay notarihin'ny Tale misahana ny Fotodrafitr'asa sy ny Fampandrosoana, Andriamatoa Laurent Jean Maurice, sy ny Talem-paritry ny Indostria sy ny Varotra sy ny Fanjifana Atsinanana ny alin'ny 21 Novambra 2023. Anisany notsidihina ny orinasa Madapro Import-Export sy ny orinasa Fruit de Caresse teny Tanandava. Tsy latsan-danja amin'izay ny orinasa Sodiat eny Analamalotra. Hita teto ary fa : « tena manaraka ny fenitra takiana amin'izireo ny orinasa satria samy manana ny aron'akanjo avy ireo mpiasa hita teto ». Tombony ho an'ireo mpandraharaha ny fisokafan'ny fotoam-piotazana taloha tamin'ny ity taona ity izay manafaingana ny fomba fiasa hamenoana ny sambo.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Samedi, 25 Novembre 2023 15:24 )