]
Les quotidiens du 28 Mar 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Marc Ravalomanana : mitaraina toa zazakely sisa ve e ?!

Marc Ravalomanana : mitaraina toa zazakely sisa ve e ?!

Ndry ! Dia tsy mahomby intsony izany ny fomba fiasan’ireo mpanolo-tsainy (na Malagasy na vahiny), ka dia izy mihitsy izao no mirotsaka miaro fatratra ny tenany. Fa hono hoy aho, leiretsy : angaha mbola Filoham-pirenena izy moa ka afaka manoratra amin’itony taratasy misy ny fitombokasem-panjakana Malagasy sy ny “titre” hoe : Prezidan’ny Reoblika ? Asa fa ho an'ny Vazaha dia "usurpation de titre" no dikany io. Satria Filoha teo aloha izy araky ny Tondrozotra ihany.

Dika teny malalaka

Taratasy avy any amin'ny Filoha Marc Ravalomanana ho an'ny TroĂŻka SADC, - 12 Septambra 2012

Tompokolahy mana-kaja isany,

Voatery mizara aminareo ny trangan-javatra niseho vao aingana izaho, izay sady mifanipaka amin’ny Tondro zotra, no koa fitadiavana hevitra hanakanana tsy hiverina any Madagasikara, araky ny fanapaha-kevitry ny SADC, tamin’ny fivorian’ny SADC tao Maputo, ny 17 sy 18 Aogositra 2012. Ampiarahako amin’ity taratasy ity ny fanambarana ambany fanianana napetrak’i David Erleigh, teny amin’ny fitsaran’ny “procureur”, ny 7 Septambra 2012. Tsy iverenako eto ny vontoatin’ilay fanambarana ao anatin’io taratasy io. Ny any tiako ambara [aminareo] dia ny hoe : fanàlam-baraka mahamenatra, lavitry ny fahamarinana tanteraka tsotra izao ny mirakitra ao.

Ilay fanambarana dia milaza fa izaho, izay mipetraka aty Afrika Atsimo, dia toa hoe nanao fandikan-dalàna idiran-doza: mamporisika na mitetka hamporisika olona ao Madagasikara hamono hahafaty an’Andriamatoa Andry Rajoelina sy olon’ambony Malagasy sasantsasany.

====================

NB : marihina fa tsy misy sonia ity taratasy ity (jereo ery ambony amin’ny teny anglisy).

Ndrô mahavariana ! Izy Ravalomanana marina ve no nanoratra an’io taratasy io ? Araky ny fiteny dia mipetraka ny fanontaniana hoe: dia laza zazakely tokoa ve I Dada ka any amin’ireo Dadaben’ny SADC no mitaraina fa ampijaliana foana izy izay anjely latsakan-tany satria vao tsy ela dia “voafidy” ho Filoha Lefitry ny FJKM ? Ny Tantara aoriana no hanambara ny tena marina, ry zanalo isany. Amen.

Jeannot RAMAMBAZAFY – 12 Septambra 2012

=================================

Nisy tohiny kay ilay resaka.Satria tsy tapitra teo akory ilay taratasy fa dia olona asa loatra no namita-tena nandefa azy taty amiko. Fa dia i Dada tokoa no niditra an-tsehatra mivantana, misalotra io hoe : The President of the Republic" ery ambony ery. Jereo :

Ary nobaikony Ingahy Brian Currin (mpisolovavany) hanao izay mety e. F'angaha dia tsy aninona tsy aninona mihitsy i Me Hanitra Razafimanantsoa ?

Mis Ă  jour ( Jeudi, 13 Septembre 2012 09:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety

 

RATSIMANDRESY ANNA RAYMONDE (NANA). FISAORANA SY VIDEO