]
Les quotidiens du 25 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Barack Obama COP21. Inona no hataoko any Parisy ?

Barack Obama COP21. Inona no hataoko any Parisy ?

Ny Filoha Barack Obama

Ny soa, hono, fianatra ary ny maha firenen-dehibe ny firenen-dehibe dia ny mpitondra mahay manazava ny ataony amin’ireo vahoaka izay tompoiny. Ny an-dRamalagasy moa dia toa mifototra amin’izany amin’izao taona 2015 ifarana izao: ry zalahy nampindramina fahefana indray no miseho ho eo mandrakizay ka tsy raharahiany mihitsy izany vahoaka izany. Na ela na ainga anefa dia tsy maintsy hialan-dry zareo ireo io toerana fandalovana io. Ary ho adinon’ny Tantara hatramin’ny anarany. Raha tsy hoe hampifandraisan’ireo taranaka fara aman-dimby amina zava-doza…


Vao nigadona tao Parisy ny Filoha Barack Obama, androany 30 Novambra 2015 maraina, avy hatrany dia niazo ny toerana misy ny "Bataclan". Niara-niondrika tamin'ny Filoha François Hollande sy ny Ben'ny Tanànan'i Parisy, Anne Hidalgo, izy


ETAZONIA!

Iza no tsy mahalala fa ry zareo Bekintana ny firenena matanjaka indrindra eran-tany ? Efa hadiva ny fotoam-piasan’i Barack Obama satria tsy mahazo mihoatra ny roa ny « mandat » any Etazonia. Fa tsy manakana azy tsy hanazava amin’ny vahoaka amerikana ny anton-diany ao Parisy, manomboka androany. Ary aminy alalàn’ny facebook ny nanaovany izany. Ireto adikako malalaka amin’ny teny malagasy ny fanambarany. Dia mba mahalalà menatra ry mpitondra malagasy be fisehoana tsy mamokatra, mpanome fampanantenana poakaty sy mampiesona lava reny a!


DC Central Kitchen Wasington D.C., 20 Janoary 2014. Ny Filoha Obama efa-mianaka manomana sakafo homena ireo tsy manan-kialofana ("Homeless"). Ie: misy 4'mis koa any Etazonia fa aza diso fihevitra. Dia haka tahaka indray izao ny sasany... (Sary Pete Souza - White House)

« Ho any Parisy aho anio hanatevina ireo firenena manakaiky ny isa 200 hiatrika ny fivoriana eran-tany momba ny fiovaovan’ny toetrandro. Fotoana fampisehoana ny firaisan-kina amin’ireo namana mpiara-dia ara-tantara. Roa herinandro hamafana ireo fanafiana barbarianina nisy tao, ary hanamafisina ny fanambarana fiarovana ny vahoan-tsika sy ny fomba fiainan-tsika eo anatrehan’ny abibian’ireo terorista. Fa fotoana fanararaotana ho an’izao tontolo izao koa fa mijoro toa olona iray isika ary hampiseho fa tsy nalevina velively ny fandrafetana ho avy tsara kokoa ho an’ny zana-tsika.

Ny maha samihafa an’ity indray mitoraka ity dia firenena mihoatra ny 180 no efa manana drafitra sy planina efa vonona hanakelezana faran’izay tratra ny fandefasana ireo entona (« gaz à effet de serre ») izay mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro. Ary Amerika dia hipetraka ho mpitarika hanampy izany dingana izany. Raha ny marina, nasehon’ireo orinasa sy ny mpikaraman-tsika fa azo atao tsara ny mampandroso eo amin’ny lafin’ny fampihenana ny fandefasana entona karbona izay hafahana mamorona asa sy mampitombo ny harin-karena ara-ekonomoka. Hatramin’izay aloha dia ny vokatra ara-ekonomika-tsika no avo indrindra, fa eo amin’ny lafin’ny fandefasana entona dia nia-niakatra tao anatiny 20 taona.

Ny zavatra ezahina apatraka ao Parisy dia rafitra lavitr’ezaka hampienana ireo fandefasana entona ao amin’ny firenena tsirairay ao anatin’ny magarahara ka hafahan’ny firenena rehetra hafa mahita sy mitsara. Ao anatin’izany vina izany dia hiasa isika hanetsika ireo fomba fanampiana rehetra ho an’ireo firenena marefo te-hanitatra ny fampiasana ireo angovo madio, ary vonona koa isika hampifandray ny fomba fiainan-tsika manoloana ny fiovaovan’ny toetrandro tsy azo iodiviran-tsika intsony.

Fa velom-panantenàna aho raha ny zavatra efa vitantsika –satria tokoa dingana goavana feno fahagagana no efa vitan’i Amerika tao anatin’izay fito taona lasa izay-. Dia any Parisy ny fotoana e ! ».

Filoha Barack Obama


Ny azy moa dia io manga (toa ny antoko Hvm) foana io ny lanitra ary hanao izao sy izao nefa ny tanindrazana mihitsy no ho lasa taningazana atsy ho atsy... Andrasana fatratra indray ny kabariny miezinezina

 

Izany ny an’ny mpitondra firenena mandray andraikitra : manome lanja ny vahoakany fa tsy ho variana hikajikajy hevitra voretra hanolanàna ny lalampanorenany hafahany manao « mandat » fahatelony toa aty Afrika. i Barack Obama ve moa tsy manana « magic suitcases »? Fa matoa izy nanao fianianana teo ambony Baiboly fa hanàja ny Lalampanorenana amerikana dia tsy ho lasa devoly velively. K’aiza ianareo ry Rajao mianakavy amin’izany a? Lavitry ny afon’ny fampandrosoana tokoa ny kitain’ny kitoatoa an…

Nadikan’i Jeannot Ramambazafy – 30 Novambra 2015

 

Mis Ă  jour ( Lundi, 30 Novembre 2015 04:54 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety