Madagasikara Rivo-Doza. Mailo fa miala avy any Avaratra Andrefana i Belna!

Samedi, 07 Décembre 2019 16:14 Newsflash
Imprimer

BNGRC (Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes), Foibe Antanimora Antananarivo, Sabotsy 06 Desambra 2019. Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny avy amin’ny BNGRC sy ny ao amin'ny Sampandraharaha misahana ny Toetr'andro (Météo). “Nanomboka ny marainan'io Sabotsy 06 Desambra io dia lasa “Cyclone tropical” (CT) ary nitombo hery ilay rivo-doza nampitondraina ny anarany hoe BELNA izay nihaodihaody tany Avaratry ny Nosy”, hoy ny Tale ny famantarana ny toe-andro, Raholijaona Nirivololona.

Io Sabotsy 06 Desambra io, tamin’ny 03 ora maraina dia :

Any amin’ny 307 Km somary Avaratra Andrefan’Antsiranana na 360 Km somary Avaratra Andrefana an'i Nosy be no misy ny foiben’ilay Cyclone Tropical BELNA.

- Niakatra ho 130 Km isan’ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 180 Km/ora.

- Mikisaka mianatsimo ny diany ka mahafaka 11 Km isan’ora

- Hitombo hery hatrany izy ato anatin’ny roa andro ho avy ka mety ho lasa Cyclone Tropical Intense.

- Tsy miova ny tombana fa dia manambana ny tapany Avaratra Andrefan’ny Nosy izy ka vinavinaina hiditra antanety eo amin’ny Distrikan’ny Mitsinjo sy Soalala (Faritra BOENY) ny harivan’ny Alatsinainy 09 Desambra 2019.

Tsy misy fiovana ny filazana loza voarain’ireo Distrika sy Faritra voakasik’izany dia :

- Miloko Maintso : Antsiranana I-II, Ambilobe, Bealalana, Befandriana Nord, Mandritsara, BETSIBOKA, BONGOLAVA, Antsalova ary MENABE.

Entanina araka izany ny mponina mba hanaraka tsara ny toro-marika omen’ny Manam-pahefana eny ifotony. Ny mpampiasa ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra manontolo dia entanina mba tsy hiandriaka intsony. Hihamafy ny fitsoky ny rivotra.

Ny Alatsinainy 09 Desambra tolakandro dia ho lasa rivo-doza mahery (Cyclone intense) i BELNA. Mety hiakatra 200 km isan’ora ny tafiotra hoentiny,Manomboka ny Asabotsy 07 desambra dia mihatra ny loko mao amin’ireto toerana ireto :

- Nosy be, Ambanja, Analalava, Antsohihy, Boriziny, Mampikony, BOENY, Besalampy, Maintirano, Ambatomainty, Morafenobe.

Heriniandry Razafimandimby Tale mpitantana ny loza sy ny tandidona CERVO (Centre d’étude de Réflexion et de Veille d’Orientation), dia manentana ny tompon'andraikim-pahefana rehetra eny anivon’ny Faritra, Distrika, Kaominina sy Fokontany handray ny fepetra rehetra mifanandrify amin’ny filazana ny rivo-doza.

Maro rahateo ny fanofanana sy fampianarana nampitain’ny BNGRC ka fotoana toy izao no fampiharana drafitra hiatrehana ny loza. Torak’izany ihany koa ny fitaovana izay efa nozaraina. Ka tokony efa ho vonona amin’izany ny tsirairay. Entanina ny mponina voakasika ny loza mba hanaraka ny toro-marika omen’ny Manampahefana.

Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Dimanche, 08 Décembre 2019 02:35 )