MADAGASIKARA CORONAVIRUS, 17.04.2020. Olona 117 voamarina, 84 any hopitaly, 33 sitrana, 0 maty

Samedi, 18 Avril 2020 06:20 Newsflash
Imprimer

MADAGASIKARA CORONAVIRUS, ZOMA 17 Aprily 2020, tamin'ny 1 ora atoandro

117 (FITO AMBIN’NY FOLO AMBIN’NY ZATO) indray androany ny totalin’ireo olona voatily fa manana ny soritr’aretina coronavirus mitondra ilay areti-mandoza maneran-tany mitondra ny anarana hoe covid-19.

Nijanona 33 (TELO AMBIN’NY TELOPOLO) ny isan’ireo olona sitrana soa aman-tsara.



TSY NISY NY AINA NAFOY NA IRAY AZA HATRETO ETO MADAGASIKARA NOHO IO ARETINA COVID-19 IO.
ISAORANA AN’ANDRIAMANITRA IZANY.

Ireo olona 84 (EFATRA AMBIN’NY VALO POLO) nahitana ny coronavirus, na ireo avy ivelany na ireo cas contacts teto an-toerana, dia efa mahazo fitsaboina daholo.


Ireo Cas contact vaovao dia 6 (ENINA) ny isany ka ny 3 avy eto Antananarivo ary ny 3 avy ao amin’ny Faritra Atsinanana no nahitana azy.
Jereo kely ny tabilao manga.

Tsy miova hatrany ny toro-marika :AZA MBOLA MIVOAKA NY TRANO NY DAHOLOBE FA ALEHO MANDEFITRA ALOHA. MISY NY MIEZAKA MILAZA FA TSY MISY IO ARETINA IO. SAMY TOMPONANDRAIKITRA ISIKA. FA AZA MIANDRY ILAY NENINA AORIANA HANDATSA E !

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Samedi, 18 Avril 2020 06:37 )