Antananarivo. Ireo kandida IRD ho Loholon’i Madagasikara, ny 11 Desambra 2020

Lundi, 26 Octobre 2020 13:34 Newsflash
Imprimer

Nampahafantarina ny Zoma 23 Octobra 2020, tao amin’ny ARENA Ivandry, ireo kandida ao anaty lisitra IRD (Isika rehetra miaraka amin’ny Filoha Andry Rajoelina) hirotsaka ho fidiana ho Senatora eo anivon’ny Antenimieran-doholona, ho an’ny Faritanin’Antananarivo, ny 11 Desambra 2020.



Ireto avy ary ny anarany, araka ny laharany ka ny roa voalohany ny hatolotra ho fidiana, satria roa isaky ny Faritany enina ny Loholona ho fidian’ny mpifidy vaventy izay misolo tena ny vahoaka :


1) RAZAFIMAHEFA Herimanana

2) RABETSAROANA SYLVAIN

3) RAJAONARISON DINA

4) RANDRIATAHIRILALAO JACQUES

5) RAKOTONDRASOA JOSEPH


Fanamby lehibe izay raisin’ireto kandida Antananarivo ireto rehefa ho lany izy dia ny fitondrana ny feon’ireo vondrom-paritra isan-tokony eny anivon’ireo mpanatanteraka ; ny fanomezana ny hevitra rehetra ilaina hanasoavana ny tany sy ny firenena mba hisian’ny tena fampandrosoana marina sy mirindra ary miara-miasa amin’ny Gouvernemanta. Mba hanatanterahana ny Velirano izay hoentina ampandroso an’i Madagasikara dia tsy maintsy miray hina ny Andrim-panjakana.


Ny dikany : tokony tsy misy Andrim-panjaka manao sakana izay hevitra mahasoa ny tany sy ny firenena. Tsy misy rahateo ny fampandrosoana vanona raha tsy misy firaisankina sy faampiana ara-pitaovana sy ara-bola ho an’ireo vondrom-paritra samihafa. Tsy maintsy atao ihany koa izay hamatsiana ireny kaominina ireny mba hanany fitoniana rehefa miasa.

Soratra Andry Rakotonirainy - Sary Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 26 Octobre 2020 13:45 )