Andry Rajoelina MAPAR au Carlton, 21.02.2014 -VIDEOS-

Dimanche, 23 Février 2014 07:06 Production Video
Imprimer

MARINA

Azera ianao tafatsangana
Kapohina tsy mety mangana
Tapenam-bava, re manako feo
Takonana ianao mbola miseho

Kapaina ianao vao may mamoa
Ataovy lavi-masoandro, tsy mety lo
Alevina manjary manangatra
Mampitsangam-bolo ireo niangatra

Ianao ilay marina, tsy azo lotoina
Saro-takarina, tsy maty vonoina
Ianao raha miseho lasa poizina
Mitranga amin’ny ora tsy am-poizina

Handrahona ireo manompo ny tsy rariny
Mampihonjona ny rindrindra namboariny
Potehina tsy miparitaka
Finganina tsy voafitaka

Enjehina vao maika manantona
Avela anefa loza mihantona
Kobonina ianao te-hipoaka
Gadraina ianao fa tafavoaka

Akifika mbola mifikitra
Arendrika tsy mety difitra
Ianao ilay marina, tsy azo disoina
Saro-takarina tsy mety vonoina

Atao eny aloha, vay an-kandrina
Avela any aoriana, mampitandrina
Hoe ny lainga azo amboarina

Ny marina tsy azo itarina



Fafah sy Dadah (Tarika MAHALEO)


AUDIO INTEGRAL ICI

Mis à jour ( Dimanche, 23 Février 2014 07:21 )