]
Les quotidiens du 24 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Production Video Iavoloha : Passation Rajoelina et Rajaonarimampianina. PHOTOS et VIDEOS

Iavoloha : Passation Rajoelina et Rajaonarimampianina. PHOTOS et VIDEOS

No comment et regardez ces documents médias d’archives uniques dans l’Histoire politique de Madagascar du début de ce XXIè siècle. Ci-après le discours en malagasy du Président Andry Rajoelina. Il sera traduit en français dans un autre dossier.

Ry Vahoaka Malagasy manerana ny Nosy,

Ianareo rehetra manatrika etoana,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Amin’ny fo feno fitiavana no itsidihako ny isan-tokantrano sy iarahabako anareo rehetra tsy ankanavaka amin’ity andro anio ity.

Zava-dehibe loatra ny lanonana iainantsika androany satria maodely sy ohatra ho alain-tahaka ety Afrika i Madagasikara. Manan-tantara manokana eo amin’ny fiainam-pirenena Malagasy ihany koa satria hanatanteraka ny famindram-pahefana ara-pomba demôkratika isika araky ny efa nampanantenaiko.

Nandritra ny dimy taona latsaka tokoa mantsy izao, dia nandalo lalan-tsarotra sy fisedràna ny Firenena Malagasy. Nifanarahana fa ny tanjona ho tratrarin’ny Tetezamita, dia ny fanatanterahana ny fifidianana.

Tontosa soa aman-tsara izany ankehitriny, ary tsy tafiditra tao anatin’ny velampandriky ny fifandonana, na ny ady an-trano, ny Malagasy. Rehareha ho an’ny Vahoaka Malagasy ary voninahitra ho an’I Madagasikara izany. Nitafy herim-po sy finoana isika ary koa firaisankina niatrehana ireny fisedràna mafy ireny.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana, nisafidy ny Vahoaka, voafidy ny Filoham-pirenena voalohan’ny Repoblika faha-efatra, voafidy ihany koa ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara.

Koa mitodika manokana aminao ny tenako Andriamatoa Filoha voafidy, Hery Rajaonarimampianina. Mitsodrano sy mirary soa anao hahaleo hahalasana. Sarotra Ă ry tsy ho mora, izany adidy mavesatra miandry anao izany.

Miandrandra fandrosoana ny Malagasy, mendrika ho avy mamirapiratra ny Malagasy.

Noho izany, mirary koa raha mirary fahombiazana tanteraka, mba hahazoan’ny Vahoaka Malagasy fiainana tsaratsara kokoa ary mba handroso araky ny faniriantsika anie, ity Firenena malalantsika ity.

Mino sy manantena ny tenako fa hahay hihaino ny hetahetan’ny Vahoaka Malagasy ianao Andriamatoa Filoha. Ary inoako fa tsy handiso fanantenana an’ireo rehetra nametraka fitokisana taminao.

Enga anie ka ny “fitiavan-tanindrazana” sy ny “tombotsoam-pirenena” hatrany, no hibaiko izay fanapahan-kevitra rehetra ho raisinao.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Mamelà ahy ianareo hitodika manokana amin’ireto vahiny manan-kaja, tonga manome voninahitra, izao lanonana manan-tantara eto amin’ny Firenena izao.

Andriamatoa Filoha Joaquim Chissano, Iraka Mpanelanelana avy amin’ny Vondrona SADC,

Tsy ho adinoinay fa teo foana ianao Andriamatoa Filoha, tamin’ny fitadiavana vahaolana amin’ny famahana ny krizy teto  Madagasikara.

Nozarainay taminao ny olana sy ny zava-manahirana rehetra, ary tsy nihafahafa ianao, niara-nikaroka hevitra taminay, tsy nihambahamba ianao tamin’ny fihainoana sy tamin’ny fanohanana anay.

Maro ireo fivoriana izay nandanianao fotoana, nandanianao andro, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminao rehetra. Raha tsy hitanisa hafa-tsy ny tany Maputo, Addis Abeba, Pretoria, Gaborone, Sandton, Dar Es Salam. Eny fa ny teto Madagasikara aza.

Misy fiteny manao hoe : “amin’ny fotoan-tsarotra no amantarana ny tena namana”. Azo ambara fa ianareo dia naneho fa tena “Naman’i Madagasikara”. Aminay dia nisotro ny ranon’i Manangareza tokoa ianao, ka tsy sokajiana ho vahiny intsony, eto amin’ity Nosy ity.

Andriamatoa Marius Fransman, Minisitra lefitra ny raharaham-bahinin’i Afrika atsimo, izay misolo tena ny Filoham-pirenenan’ny Repoblikan’i Afrika atsimo.

Misaotra anao mialoha, amin’ny fampitàna amin’Andriamatoa Jacob Zuma, ny fankasitrahana sy fankatelemana, satria, ianareo no niara-niasa taminay, tamin’ny Fitondràna Malagasy, teo amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra ary ny fametrahana ireo rafitry ny Tetezamita rehetra, izay nitondra antsika amin’izao famahana ny krizy izao, tamin’ny alalan’ny fifidianana.

Anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ianao Andriamatoa Minisitra. Raha tsy hitanisa hafa-tsy ny fihaonana tany Seychelles, ny nanendrena ny Praiminisitry ny marimaritra iraisana, sy ny nananganana ny Governementa sy ireo Andrim-panjakana maro samihafa.

Tsy azo atao ambany maso tsy hita ihany koa, ny ezaka lehibe notontosain’ireo Solotenan’ny Firenena mikambana sy ireo Masoivoho tsy ankanavaka monina sy miasa eto Madagasikara, izay niara-nisalahy, namaha olana sy nanampy, tamin’ny fanatanterahana ny fifidianana.

Amin’ny anaran’ny Vahoaka Malagasy iray manontolo no anolorako fisaorana feno anareo, amin’izay rehetra nataonareo, sy amin’izao fahatongavanareo manome voninahitra, ny andro androany izao.

Ry Vahoaka Malagasy Namana,

Nanao ny ezaka rehetra tamin’ny heriko iray manontolo aho, tsy nandry andro, tsy nandry alina, nandritra izay fitantanana ny Tetezamita izay, mba hiarovana ny tombontsoam-pirenena, hitandrovana hatrany ny firaisam-pirenena, hisorohana ny ady an-trano, ary indrindra indrindra hitsinjovana ny sarambem-bahoaka.

Nataoko ny fomba rehetra mba hampitĂ na ny foto-kevitra sy ny soa toavina, ary ireo vina rehetra, hampandrosoana ity Nosy malalantsika ity.

Te hizara amintsika rehetra aho androany fa misy zavatra lehibe mihoatra noho ny fahefana, dia ny fitiavan-tanindrazana, ny Vahoaka Malagasy ary i Madagasikara.

Izany no mibaiko ahy, izany no manentana ahy, izany no mamporisika ahy, tamin’ny asa rehetra izay nataoko sy amin’ireo asa rehetra mbola ho tontosaiko.

Raha tsy nisy ny fitokisana sy ny faharetana, ary indrindra indrindra ny fanohananao ry Vahoaka Malagasy, ho tontosa hatramin’ny farany toy izao ve ity Tetezamita ity ?

Izay indrindra no hitodihako any aminao ry Malagasy Namako, ary isaorako anao manokana, satria izany faharetanao sy fitokisanao ahy izany no fanomezana tsara indrindra sy tena mavesa-danja nomenao ahy.

Ary tsy ho voakosoka ato an-tsaiko sy mitoetra ato am-poko mandrakizay izany. Ny fitokisana tokoa mantsy no fanomezana tsara indrindra avy aminao ry Vahoaka Malagasy Namako. Koa misaotra e ! Mankasitraka e ! Mankatelina e !

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Pejy vaovao no misokatra ho an’i Madagasikara manomboka androany. Handeha ka handao ny toerana maha-Filohan’ny Tetezamita ahy, ny tenako.

Ny toerana misy ahy no tsy ho eto amin’ity Lapa ity intsony, ny andraikitra ho sahaniko no tsy hitovy intsony, satria hiverina ho Olom-pirenena tsotra ny tenako manomboka rahampitso.

Tsarovy anefa, fa na aiza na aiza misy ahy, dia tsy hanalavitra anao mihitsy aho ry Malagasy Namako. Aza manahy ianareo, mahazo matoky ianareo, fa ny tolona sy ny foto-kevitra niombonantsika sy nijoroantsika dia ho arovako hatrany hatrany.

Tsapako fa maro aminareo no mametraka fanantenana sy fitokisana amiko. Aza malahelo ianareo fa mijere lavitra, Madagasikara no tsinjovintsika, ary ny ho avy no banjinintsika. Ary ny fifamatorana misy eo amintsika dia tsy ho rava na oviana na oviana.

Tiako hamafisina aminao fa, fitiavan-tanindrazana no nanosika ahy nandray andraikitra teto amin’ny Firenena, izany Fitiavan-tanindrazana izany no nidirako teto tamin’ity Lapa ity, ary mbola Fitiavan-tanindrazana no mameno ny foko sy ny saiko raha mandao izao Lapa izao ny tenako.

Efa maro izay kabary re, nandritra ny taona nifanesy izay, teto amin’ny Firenena. Fa ny bainga voavadika ihany, no vavolombelon’ny asa natao, sy hitsaràna ny tsirairay, indrindra ny Mpitondra.

Nanangana isika, nanorina isika, namela lova ho an’ny taranaka faramandimby isika, vitantsika tao anatin’ny filaminana ny fifidianana, koa azoko ambara ankehitriny, fa tratra ny fanamby napetratsika.

Hamafisiko etoana, ny fisaorana sy fankasitrahana anareo rehetra, izay nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka, ka nahavitàna an-tsakany sy an-davany, ireo fifidianana natao teto amin’ny Firenena.

Mitodika amin’ireo Andrim-panjakana sy ny Mpiara-mitantana rehetra, niara-nisalahy tato anatin’ny Tetezamita koa ny tenako.

Na teo aza ireo sedra nolalovantsika, dia nahay nifampihaino sy nampiray saina ihany isika. Na dia tsy nitovy aza ny foto-kevitra, na dia samihafa aza ny firehana pôlitika, dia niraisantsika hatrany ireo fanapahan-kevitra ho tombotsoa ambonin’ny Firenena.

Hisampana izao ny lalantsika, satria izay no lĂ lam-piainana. Koa tsy haiko ny tsy hankasitraka eram-po, eran-tsaina, anareo Mpiara-mitantana rehetra tsy ankanavaka.

Eto aho dia, te hisaotra manokana anareo rehetra niara-niasa tamiko, hatramin’izao fiafaran’ny Tetezamita izao. Mafy tokoa raha mafy, izay niainana sy natrehantsika izay.

Mankasitraka manokana koa anareo Foloalindahy sy anareo Mpitandro ny Filaminana, izay nampiseho herim-po sy fahavononana hatrany, tao anatin’ny adidy aman’andraikitra nankinina taminareo.

Isaorako manokana ihany koa ianareo Namana rehetra tsy nahafoy, tsy namela ahy hiady irery.

Fa misy Namana singaniko, ary tiako isaorana manokana, satria teo foana nandritra ny fotoana rehetra, na tamin’ny mora, na tamin’ny sarotra, nanohana sy nankahery ahy hatrany, tsy iza izany, fa ianao Ramatoa vadiko : Mialy ; sy ianareo Zanako telo mianadahy : Arena, Ilontsoa, Andrialy. Misaotra anareo amin’ny foko manontolo aho.

Koa manao veloma mandra-pihaona aminao ny tenako ry Vahoaka Malagasy. Ary mangataka antsika rehetra hitrotro am-bavaka ity Firenena malalantsika ity.

Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra.

Mamiko loatra i Madagasikara!

Misaotra Tompokolahy, Mankasitraka Tompokovavy

*************************************************

 

Jeannot Ramambazafy

Photos : Harilala Randrianarison – Haja Randria

CLIQUEZ ICI POUR L'ALBUM DE 159 PHOTOS

CILQUEZ ICI POUR L'ALBUM DE 193 PHOTOS

Mis Ă  jour ( Mercredi, 29 Janvier 2014 07:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety