Association Fitia : Filma Zanako Sarobidy 2

Dimanche, 07 Août 2011 20:18 Communauté Malagasy
Imprimer

Inona tokoa moa no tena sarobidy indrindra eto ambonin'ity tany fandalovana ity raha tsy ireo hoe menaky ny aina, dia ny zanaka sy fara amandimby ?

ZANAKA SAROBIDY 2 : TSINDRIO ETO

Ahoana kosa anefa rehefa manavy izy ireo na koa tratry ny aretina tsy noeritreretana velively ? Soa ihany fa misy ny Fikambanana Fitia izay natsangan'i Mialy Rajoelina Razakandisa. Tsy ho be resaka aho fa mijere ilay filma. Misy sary tena mety hanaitra anao tokoa. Ary ao Antananarivo no misy ireo fa tsy aiza akory. Sady mampalahelo no mahontsa ny fo. Dia mbola misy ihany olona miady seza, miady tombontsoa, miady amin'ny tsy antony raha oharina amin'ireo zava-manjo ny zaza malagasy sasany... Fizarana faharoa ity filma ity. Raha hijery ny fizarana voalohany dia tsindrio io sary manaraka io:

ETO KOA RAHA HIJERY NY FIZARANA VOALOHANY

Isaorana manokana eto koa ianareo

mpitsabo sy ireo mpanampy rehetra,

izay nanao ny ainareo

tsy ho zavatra tamin'ny fitsaboana

sy fikarakarana nasetrinareo

nandritra ireny vanim-potoana ireny

Ny Tompo anie hamaly fitia anareo.

Mialy RAZAKANDISA RAJOELINA

Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Dimanche, 07 Août 2011 20:40 )