Rnm taona faha-80 Fianarantsoa : Kabarin’ny Praiministra Jean Omer Berizky

Lundi, 30 Juillet 2012 06:43 Communauté Malagasy
Imprimer

Kabarin’Andriamatoa Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta

Fankalazana faha-80 taonan’ny Radio Nasionaly Malagasy

Fianarantsoa, 27 jolay 2012

Ny voalohan-teniko dia fisaorana an’Andriamanitra nanome tombon’andro ho antsika, ka afaka manatrika sy miara-mientana hanatontosa izao lanonana izao.

Vory eto tokoa isika mianakavy hanao ny faradoboka amin’ny fankalazana ny faha-80 taonan’ny radio nasionaly Malagasy (RNM araka ny mahazatra antsika).

Koa amin’ny anaran’ny fitondrana Tetezamita izay tarihin’ny filohany Andry Nirina Rajoelina sy ny Governemanta iombonana no itondrako ny arahaba sy fiariantsoa ho an’ny RNM sy ny mpiara-miasa rehetra tsy an-kanavaka:

Na ny ao amin’ny foibe any Antananarivo;

Na ny any anivon’ny faritra sy distrika rehetra manerana an’i Madagasikara.

Ary tsy hadino koa ny miarahaba ny Radiom-paritra eto Fianarantsoa izay feno 30 taona ankehitriny. Arahabaina torak’izany koa ianareo mpiasa rehetra ao amin’ny Radiom-paritra Matsiàtra ambony tratry ny faha-30 taonany.

Mendrika ankasitrahana ianareo rehetra tsy ankanavaka satria tsy nisy ary tsy ho nisy ny RNM raha tsy teo ny mpiara-miasa nampihodina azy, nandritra izay 80 taona izay. Vanim-potoana samihafa no nolalovan’ny firenentsika nandritra izay 80 taona izay.Vavolombelona nahari-pery tao anatin’izany ny RNM.

Ny Rnm izay fitaovan-tserasera goavana voalohany sy tokana mampifandray ny lafy valon’ny Nosy.

Mizara sy mampita ireo vaovao samihafa eto amin’ny firenena sy avy any ivelany, mampahafantatra ihany koa any ivelany, ny zavamisy eto madagasikara,

Manabe amin’ireo fandaharana samihafa omeny antsika mpihaino,

Ary mampiala voly.

Ny RNM izay famantarandro/famantaran’ora/montre ho an’ny olona rehetra fa indrindra ny any ambanivohitra .

Tsy azo hadinoina koa fa ny RNM dia namolavola olom-pirenena maro, nampianatra sy nanome traikefa ireo mpiasa nandalo tao.

Anisan’izany ireo mpiara-miasa amiko sasantsasany ao amin’ny Primature izay novolavolain’ny RNM. Ao ihany koa ireo nitazona andraikitra samihafa tao amin’ny Rnm sy Tvm.

Vavolombelon’ny tantara, vatofehizoron’ny ho avy ny radiom-pirenena Malagasy.

Isika rehetra dia samy manaiky fa nanana ny anjara toerany, manana ny lanjany ary mbola hanana ny maha izy azy eo amin’ny fiainan’ny firenena, eo amin’ny isan-tokantrano, eo amin’ny fiainan’ny mpianakavy ny haino aman-jerim-panjakana. Tokony ho fitaratra ho an’ireo haino aman-jery tsy miankina samihafa ny ezaka ataonareo tsirairay.

Koa mampirisika anareo mpira miasa rehetra ao amin’ny RNM ny tenako mba hanamafy ny ezaka efa natao tao anatin’izay 80 taona izay

Eto aho dia mankahery ny Ministeran’ny serasera, amin’ny ezaka ataony manaraka hatrany ny fivoaran’ny teknolojian’ny fifandraisana hanomezana fahafaham-po antsika mpihaino.

Misy hafatra roa (02) tiako hatsipy aminareo mpiasa sy tompon’andraikitra amin’ny Radio sy ny Televiziona Malagasy manerana ny Nosy:

Ka tsy maintsy hiomana amin’izany ianareo.

Tsy maintsy miomana amin’izany isika rehetra mba tsy ho tara amin’ny fampiasana ny teknolojia manara-penitra.

Noho izany dia tapaka tamin’ny fivoriana natao tany Cotonou Renivohitr’i Benin ny 2, ny 3 ary ny 4 Jolay lasa teo fa hisy “NORMES DE COMPRESSION NUMERIQUE SY NORMES DE Diffusion NUMERIQUE” vaovao izay hapetraka amin’ny fampiasana ny Televiziona.

Nisy teknisiana avy ao amin’ny Primature nandray anjara tamin’izany fivoriana tany Cotonou izany.

Koa dieny izao dia tokony hiomana ara-tsaina, ara-pahaizana sy ara-pitaovana ianareo hiatrika izany firosoana amin’ny fampiasana ny teknôlojia vaovao manaraka ny toetry ny andro izany.

Nefa raha tsy mitandrina amin’ny fampiasana ny fampitam-baovao rehetra na an-tsoratra na am-bava na amin’ny tranokala isika dia mety mitera-doza ihany koa. Satria avy amin’ny fampielezam-baovao tsy marim-pototra sy mitanila be loatra no isan’ny mahatonga ny tsaho sy ny honohono mampisavorovoro ary mety hampiady.

Koa, amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao no ilàna ny fampisehoanareo ny fahaiza-manao anananareo sy ny maha-matihanina anareo.

Mamporisika anareo aho hanatsara hatrany ny fomba fiasanareo.

Ho antsika mpihaino, mahaiza mandanjalanja ny vaovao na ny fandaharana samIhafa izay manabe sy mampianatra fa ny SOA FIANATSA RO MAHAVOKATSA;

Aoka mba tsy ho sodokan’ny TAROGNA tsara lahatra na soratra tsara rafitra .Fa mba hahay handray ny vaovao tena marina.

Ny lanonana fankalazana ny faha-80 taona ro hifarana hamaray fa ny Radio Nasionaly Malagasy sy ny Televiziona Malagasy mbola ho namantsika hatrany hatrany.

Ho ela velona ny RNM sy nyTVM !

Ambarako àry fa misokatra amin’ny fomba ofisialy ny lanonana faradoboka fankalazana ny faha-80 taonan’ny Radiom-pirenena Malagasy.

Jean Omer Beriziky

Praiministra

Fianarantsoa, 27 jolay 2012

Marihina fa tamin'io fotoana io koa no nitsidihin'ny Praiministra Jean Omer Beriziky ny orinasa manamboatra ny fiara KARENJY

Mis à jour ( Lundi, 30 Juillet 2012 07:51 )