Anosy, grenady namon’olona: Nantsoin’ny Zandary ny CST Alain Ramaroson

Lundi, 03 Février 2014 15:41 Communauté Malagasy
Imprimer

Ny CST Alain Ramaroson nivoaka avy ao amin'ny biraon'ny Zandarimaria misahana ny fikarohana sy ny heloka be vava ao Fiadànana

Mbola manjavozavo tanteraka ny manodidina iny raharaha nanapoahan’olon-tsy fantatra grenady nahalatsaka ain’olona teo Anosy iny, hatramin’izao.

Nisy ihany ny efa nosamborina natao fanadihadiana niikasika azy io, nefa mety tsy mbola nahitam-bokany matoa tsy nitohy ny fisamborana. Mety hiova paika mihitsy, manomboka izao, ny fizotry ny raharaha noho ny paikady vaovao nosafidin’ny mpanao fanadihadiana. Nampiantsoina teny amin’ny biraon’ny zandary misahana ny fikarohana ny heloka bevava ary, omaly 2 Febroary 2014, ny filohan’ny vaomieran’ny fiarovam-pirenena sy ny fandriampahalemana ao amin’ny CST, Ramaroson Alain. Niatrika dinika mitokana tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny fanadihadiana iny raharaha iny nandritra ny ora maromaro tao izy vao nivoaka. Nampahafantariny ny mpanao gazety teo ivelan’ny vavahady fa fihaonana fiaraha-miasa, hanafainganana ny fikarohana ny tompon’antoka tamin’iny asa fampihorohoroana iny no fototry ny fiantsoana azy tao.


“ Hisy fiaraha-miasa, hifanomezan-tànana eo amiko sy ny mpitandro filaminana momba iny raharaha iny, manomboka izao”, hoy Andriamatoa Alain Ramaroson. Voalazany koa fa isan’ireo mpanenjika ny mpanapoaka baomba izy sy ireo mpiara-miasa taminy, tamin’ireny fotoana nampafampana ny toe-draharaham-pirenena ireny ka ampy traikefa sy afaka hanome vaovao, azo hoenti-mampiainga haingana ny fanadihadiana.

Nambarany, araka ny resaka nifanaovany tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny Zandarimaria tao Fiadànana fa manao ny ezaka rehetra hahitana ny marina rehetra mikasika iny asa fampihorohoroana iny ny mpitandro filaminana sady efa nandray fepetra hisorohana ny fiverenan’ny raharaha tahaka ireny. “Tsy maintsy hizaka ny sazy sahaza azy, hoy izy, izay tompon’antoka tamin’iny fanapoahana grenady hoenti-manakorontana iny fa tsy havelan’ny fitondrana ho afa-maina satria tany tan-dalàna ny eto Madagasikara”.

Nahitsiny, teo am-pamarànana, ny tsaho iniana aparitaka, nilazana fa nosamborina sy voarohirohy tamin’iny fanapoahana grenady teo Anosy iny ny tenany.

Marina tokoa izany filazany izany, ka dia ho hita eo indray ireo gazety minia mamafy lainga manomboka rahampitso 4 Febroary 2014.

Jeannot Ramambazafy

 

Mis à jour ( Lundi, 03 Février 2014 15:56 )