Lalatiana Ravalolomanana : tsy mazava ny momba ny PMP sy ny HCC

Vendredi, 21 Mars 2014 13:43 Communauté Malagasy
Imprimer

Mpanao politika Ramatoa Lalatiana Ravololomanana (sary eo ambony) ary anisan'ny nanakiana mafy dia mafy ny Filohan'ny Tetezamita Andry Rajoelina, tamin'ny fotoan'androny. Fa mampianatra filosofia ihany koa izy ary mpandinika ny raharaham-pirenena mipetraka eo amin'ny lafin'ny fanajana ny lalàna velona. Izany ny antony nanangana ny fikambanana MANDA, « association des victimes du non-droit ». Ny 21 Mars 2013 teo dia nanome ny fijeriny mikasika ireto PMP sy ny HCC "vaovao" ireto izy.


« Raha natao ny noheverin’ny rehetra sy nandrandrain’ny rehetra hamahana ny krizy dia tsy mbola tontosa amin’izao fotoana izao. Raha ny zavatra misy amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny Antenimierampirenena ankehitriny, fotsiny no resahin-tsika satria anisan’ny mavaivay io zavatra io ankehitriny, namoaka hevitra na fomba jeriny ny HCC mikasika ny fametraham-pitoriana izay nataon’ny PMP, amin’ny handravana ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, dia hahitsy be ny fiteniko : raha toa ka noheverina fa tsy ara-dalàna ny fomba nanatontosana ny fifidianana ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena, tamin’iny « session spéciale » iny, dia tany am-boalohany dia tsy tokony nandray anjara tamin’izany ny PMP.

Me Hanitra Razafimanantsoa, ilay mpahay lalàna, nanolotra an'i Jean Max Rakotomamonjy ho kandida Filohan'ny Antenimierampirenena, amin'ny anaran'ilay PMP vao noforonina tampoka teo. Resin'i Christine Razanamahasoa anefa izy.

Tsindriko anefa, ary fanta-tsika rehetra izany, fa tsy vitan’ny hoe nandray anjara ny PMP fa nànana kandida notohanany, ary mpahay lalàna no nanolotra io kandida io. Rehefa tsy lany ve ny kandida notohanana dia manjary tsy ara-dalàna ny fifidianana ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena ? Ankehitriny aza dia misy manohevitra, ohatry ny Sefafi hoe : mety hiafara amin’ny fandravana mihitsy ny Antenimierampirenena izao toe-javatra izao. Fanontaniana mahitsy no hapetrako : mbola ho zakan’ny firenena ve ny hanao fifidianana indray, kanefa raha izahay, dia efa nametraka ahiahy tany am-piadohana hoe sao dia tsy mety ny fifidianana olona fa andeha aloha rafitra no apetra-tsika eto amin’ny fifidianana lalàmpanorenenana. Nirosoan-tsika ary ilay fifidianana. Ankehitriny, ny zavatra atao eto amin’ity firenena ity, na dia eo aza ny Filoham-pirenena voafidim-bahoaka, dia fandravana efa hatrany. Ka amiko, ny fomba fihetsiky ny PMP dia tsy manaraka ny fomba amam-panao politika marina, ataoko amin’ny teny frantsay hoe : « malhonnêteté intellectuelle et politique ».


Fa raha hitanao fa tsy mety dia tsy tokony nandray anjara amina zavatra tsy mety sy tsy ara-dalàna ianao. Fa ankehitriny dia fandravana efa ny dikan’izao ary tsy azo ekena. Mino sy manantena aho fa ny HCC tsy iray tsikombakomba amin’izany sanatriavin’ny vava. Mba zavatra mahitsy satria mahataka-javatra ny Malagasy sy ny olom-pirenena, ary mametra-panontaniana mihitsy amin’izao fomba fihetsiky ny Solombavam-bahoaka sasan-tsasany mandrafitra io PMP io. Izay izany ny mikasika iny Antenimierampirenena iny.


Io savoritaka misy ao amin’ny Antenimierampirenena io dia ambaran’ny mpitazana azy sy ny mpanadiady politika rehetra fa anisan’ny sakana momban’ny fanendrena ho izay Praiminisitry ny Repoblika faha-efatra. Dia milaza mazava aho hoe : tsy hitako mihitsy, raha izaho manokana, ny tokony ho olana amin’ny fanendrena ny Praiminisitra, satria mazava tsara ny « majorité » tokony hanolotra izany Praiminisitra izany, hotendren’ny Filoham-pirenena, dia avy ao amin’ny fianakaviany politika satria ireo no « majorité » na maro an’isa, ao anatin’ny Antenimierampirenena. Dia ny MAPAR sy ny mpiara-dia amin’ny MAPAR izany.


Raha misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ny Filoham-pirenena sy ny HVM sy ny MAPAR sy ny manodidina an’izany, dia raharaha tokan-tranon’antoko na vondrona politika izany ka dia tokony diovina sy alamina ao anaty tokan-trano. Ny lamba maloto, Tompoko, tsy fanasa imasom-bahoaka ary tsy mendrika ho an’ny Malagasy intsony ny hahita sy handre, hiaina isan’andro vaky ny adilahy sy ady saritaka ao anatina vondrona politika na antoko politika. Tsotra ny hevitr’izay : raha hanendry ny Praiminisitra ny Filoham-pirenena dia Praiminisitra miala avy ao amin’ny fianakaviana politika nipoirany izany. Satria fantatry ny Malagasy rehetra fa Andriamatoa Hery Rajaonarimampiananina dia niara-lany tamin’ireo Solombavam-bahoaka MAPAR. Izany dia zavatra mihariary ary tsy azo iodivirana izany. Izay ny marina izay : iray ihany ny MAPAR sy ny HVM ; iray ihany Andriamatoa Andry Rajoelina sy ny Prezidà Hery Rajaonarimampianina. Ary tsy tokony adino-tsika fa niara-nitantana tao anatin’ny Tetezamita izy, nametraka fanamby amina soritr’asa maro. Nisy tratran-dry zareo ny fanamby napetrany. Nanaovan-tsika sorona ny Malagasy mpiray Tanindrazana anie izany tolom-bahoaka taminy 2009 izany e. Ka amiko, Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina dia nametrahan’ny MAPAR sy Andriamatoa Rajoelina sy ny vahoaka rehetra mitady fanovàna, fitokisana hitondra izany fanovàna izany, ka tokony andamina ny raharaha an-tokan-tranony ny vondrona politika misy azy sy ny fianakaviany politika ».

Nandika ny fanambarana an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison – Haja Randria

Mis à jour ( Mercredi, 26 Mars 2014 12:09 )