Chine : Mitaraina sy ny mitaky ireo mpianatra malagasy atao an-kilabao

Jeudi, 19 Juin 2014 05:52 Communauté Malagasy
Imprimer

Mifarana izao ny taom-pianarana 2013-2014. Maro ireo mpianatra any Sina efa nahavita fianarana nefa tsy nahazo diplaoma noho ny tsy fandoavanany saram-pianarana, sady tsy manam-bola hodiana no tapitra « visa ».


Noho izany dia mitombo hatrany ny olana mianjady aminy ireo. Mila vola amin’io fitondra voafidim-bahoaka izy ireo satria Malagasy, zanaka Malagasy. (VIDEO IO AMBONY IO).

 

Tsy maintsy mijoro ny mpianatra Malagasy na dia misedra olana aza...

Fitarainana avy amin’ny mpianatra Malagasy aty Sina

Mitombo hatrany ny olana mianjady aminay mpianatra aty Sina: ny saram-pianarana efa roa taona tsy voaloha, ny hofan-trano, ny VISA, sy ny fasahiranana maro eo amin’ny fianana andavan’andro, sns. Nohon’ny tsy fahampiana ara-bola sy ny sakafo tsy ara-dalàna dia efa maro aminay mpianatra no efa marary tafiditra any amin’ny hopitaly.


Nahavita fiarana ihany ny mpianatra Malagasy any Sina. Kanefa, tsy nomena diplaoma...

Efa ho tapitra aminy faran’ity vola Jiona ity ihany koa ny taom-pianarana 2013-2014, ho tapitra ihany koa anefa ny VISA ny mpianatra rehetra.Ny Oniversite rehetra nilaza fa tsy hanaika hanome VISA intsony. Ireo Master efa nahavita fianarana dia tsy hahazo diploma sady tsy hahazo VISA intsony. Ny fotoana anefa mandeha ihany.


Fiarana avo lenta toa tsy hitondra ho aiza ho an'ny firenena ary mahamenatra tanteraka

Sahiran-tsaina mafy izahay mpianatra aty amin’izao fotoana izao, tsy hitanay intsony ny hatao. Koa dia mbola tsy mitsahatra ny manao antso avo amin’ny Ray Aman-dreny mpitondra fanjakana Malagasy izahay mba hamaha ny olana mianjady aminay. Koa dia mangataka izahay mpianatra fa na dia tsy ho voaloha in-dray mandeha aza izany trosa rehetra tokony haloha amin’ny Oniversite dia mba homena tsikelikely izany. Ianareo irery ihany no hazonay hitarainana tompoko.

Koa dia misaotra sahady tompoko amin’ny fanampianareo anay aty.

Mpianatra Malagasy aty Sina, 18 Jona 2014

Mis à jour ( Jeudi, 19 Juin 2014 08:50 )