]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara Tahirimbolam-panjakana. Fanambarana manoloana ny fihetsik’i Rivo Rakotovao

Madagasikara Tahirimbolam-panjakana. Fanambarana manoloana ny fihetsik’i Rivo Rakotovao

FANAMBARANA NATAON'NY “TRESOR PUBLIC” MANOLOANA NY FIHETSIKA ATAON'NY MINISITRA RIVO RAKOTOVAO

Ny taona 2011 no nanombohan’ny Tahirimbolam-panjakana nanatanteraka ny fanavaozana ifotony teo amin’ny fomba fitantanana. Ireo fanavaozana ireo dia niainga avy amin’ny fanamby dimy napetraka, fanamby mifandraika indrindra amin’ny fanatrarana ny fitondrana tsara tantana, ny fiverenana amin’ny fitantanana mahomby ary ny Fanjakana tan-dalàna, izay voizin’ireo mpitondra Fanjakana hatrany.


Fanamby 1 - Fanamafisana ny fiarovanany volam-bahoaka : Fanamafisana ny fiarovana ny volam-bahoaka amin’ny alalan’ny fananganana na fanavaozana ny fotodrafitrasa, Fanamafisana ny sampana misahana ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso, Fanavaozana ny fomba famaizana ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, Fanatsarana ny fitaterana ny volam-bahoaka, Fanavaozana ny fiarovana ny fotodrafitrasa amin’ny lafiny rehetra.


Fanamby 2 - Fanatsarana ny tolotra omena ny manan-draharaha : Fanakaikezana kokoa hatrany ny manandraharaha (fanangananany Trésoreries ministérielles sy ny « Trésorerie Intercommunale »), Fitantanana mirindra ny filaharana amin’ny alalan’ny milina mpizara tapakila sy fafana mamiratra, Fanatsarana ny toerana handraisana ny manan-draharaha, Fanafainganana ny fikarakarana ny antontan-taratasin’ireo manan-draharaha.


Fanamby 3 - Fanatsarana ny tontolon’ny asa sy ny fepetra hanatanterahana ny asa : Fampitaovana ny mpiasa amin’ny lafiny rehetra, Fampiroboroboana ny lafiny sosialy ao amin’ny sehatry ny asa, Fanamafisana ny firaisankina ; Fananganana sy fanavaozana ny fotodrafitrasa, Fandraisana am-po sy an-tsaina ireo fanavaozana sy fampiroboroboana ny fahatsapana ny maha mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana.


Fanamby 4 - Fampanjariana, fampanarahana toetrandro ny fitantanana :

Fampanaraham-penitra ny fitantanana ny trosam-panjakana (fametrahana sy fifehezana ny rafi-baovao Sygade), Fampiasana ny haikajimirindra eo amin’ny fitanan-kaonty, Fampiasana rafibaovao manokana ho an’ny fanaraha-maso sy ny fisafoana, Fametrahana vokatra vaovao eo amin’ny tsenam-bola, Fametrahana fomba fandoavana ny solika vaovao (Mars 2015).


Fanamby 5 - Fiverenana amin’ny fitantanana madio, mahomby ary mangarahara :

* Fanavaozana ny fitantanana ny trosam-panjakana sy ny fanomezana trosa iantohan’ny Fanjakana,

* Fanavaozana ny famaizana ny heloka mahasika ny kaonty, ny vola ary ny tetibola,

* Fanavaozana ny fitantanana ny petrabolan’ny Fanjakana eny anivon’ny orinasa ananany petrabola,

* Fanavaozana ny fomba fitantanana ny CCAL.


Ny Tahirimbolam-panjakana dia manaiky fa misy hatrany ny fanoherana ireo fanavaozana entiny. Fihetsika zary efa mahazatra izany rehefa misy fanovana. Ny fahatsapana izany indrindra no antony nametrahany paikady sy rafitra manokana misahana ny serasera mba entina hampivelarana ny fifanakalozana sy ny adihevitra. Tiana anefa ny mampahafantatra fa ny fepetra rehetra noraisina tao anatin’ny fanavaozana hatramin’izao dia niainga sy nifanaraka amin’ny lalàna manan-kery teto amin’ny firenena ary nahazo ihany koa ny fanohanana ara-tekinika sy/na ara-bola avy amin’ ireo mpiara-miomboan antoka mahazatra.


Misy kosa fihetsika izay tsy azon’ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana andeferana anefa dia ny fahasahian’ireo manohitra ny fanovana maneho fihetsika mihoa-pefy.

Tato ho ato mantsy dia lasa zary fiainana andavanandron’ny Tahirimbolam-panjakana ny mahazo fampitahorana, fampihorohoroana, fanaratsiana ary fandotoana amin’ny endriny samihafa.


Eo anatrehan’izany, ny mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana dia :


- manamafy fa tsy hamela na iza na iza hanao ho raraka an-tany ny fiezahana efa natao nandritra izay enin-taona izay ;


- mampitandrina ireo izay minia manohy ny fanaratsiana sy ny fandotoana fa tsy hisalasala ny handray ny fepetra rehetra ary hampiasa ny fomba rehetra eo am-pelatanana ny mba hiarovana ny fanatsarana efa vita sy izay tokony mbola hatao ;


- miray hina sy mifanohana hatrany amin’ny rehetra izay atao ka tsy hihemotra eo anatrehan’ny teritery isan-karazany.

Antananarivo, 24 Febroary 2015

Mis à jour ( Jeudi, 26 Février 2015 17:51 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety