]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Hery Rajaonarimampianina. Tsy miraharaha ny harem-ben’ireo nosy

Hery Rajaonarimampianina. Tsy miraharaha ny harem-ben’ireo nosy

Tamin’ny fiverenany avy any New York, ny 5 Oktobra 2015, dia hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina, mikasika ireo nosy Malagasy (« îles éparses malgaches ») : « Maninona no tsy noresahina ny « îles éparses »? Iza moa ny tena mivohy an’izy io? Rehefa mandeha io resaka io, dia hoy aho hoe : izay ve no tena maika (…) Isika, misy adihevitra tokony hatao eto. Hoy aho hoe, ilay adihevitra hatao eto anisan’ny zavatra ngezabe. Aoka tsy adihevitra ohatran’izany no entina hanakorontanana (...). Tsy mahaika sy tsy laharampahamehana tokoa va re?


Rehefa avy namaky ity lahatsoratra manaraka ity, izay nosoratan’i Pierrot Dupuy fa nadikako teny malagasy, dia samia mandinika amin’ny fo tsy miangatra ary raha tena Malagasy tia tanindrazana tokoa : rariny tokoa ve ny fahanginan’ingahy Rajaonarimampianina indroa tany amin’ny Firenena Mikambana, mikasika ireo nosy ireo (2014 sy 2015)?

Jeannot Ramambazafy – 6 Oktobra 2015


Solitany manodidina ny nosy Juan de Nova : namoritra an’i Ségolène Royal ny Tribonaly ara-mampakanana ao St-Denis

Orinasa roa, nigerianina sy amerikanina, mitrandraka solitany no vao nahazo alalàna avy amin’ny minisitera frantsay misahana ny Angovo sy ny Tontolo iainana, hitrandraka solika sy entona eny amoron’ny nosy Juan de Nova ao amin’ny lakan-dranon’ny Mozambika. Izany na dia maro ireo Malagasy mitaky ireo nosy malagasy izay tadifiditra ao amin’ny firenena malagasy nefa nesorina taminy fotoana kely talohan’ny fiverenan’ny fahaleovantenany.

Araka ny nomena loharanom-baovao mari-pototra dia mitovy ny any Ranomasina Avaratra (« Mer du Nord ») ny tahirin-tsolika ao amin’ny lakandranon’ny Mozambika.

Juan de Nova, les Glorieuses, Europa, Bassas de India… Anarana tsy zoviana ho an’ireo Reonione mais tsy fantatry ny ankamaroan’ny Frantsay. Kanefa dia mety hiankina amin’ireo atao hoe « îles éparses » ny ho avin’ny Lafrantsa ara-angovo.

Mivelatra eo amin’ny atsasa-manilan’ny velaran’ny lakan-draon’ny Mozambika ireo ranomasina eo amban’ny fiahian’ny Frantsay, rehefa miampy ireo nosy ireo. Ary ireo drafitr’asa maro natao momba azy ireo dia nahafantarana fa any amin’ny 6-12 lavitrisa miliara « barils » solitany sy entona 3-5 lavitrisa miliara tora-telo ny tahiry misa ao amin’ireo nosy ireo. Any ka nisy misy manam-pahaizana tsy nisalasala nilaza fa ireo tahiry ireo dia mira ny any amin’ny Ranomasina Avaratra izay mamatsy ny any Angletera iray manontolo.

Izany harem-be nipoitra tampoka dia nahatonga nanaitra firenena maro ankoatra i Madagasikara izay mbola tsy nahalany vavony fa nendahina taminy fotsiny izao ireo nosy ireo teo aloha kelin’ny niverenan’ny Fahaleovantenany, ny taona 1960. Sady nisy koa ilay fanambaran’ny Firenena Mikambana, ny 12 Desambra 1979, milaza fa Malagasy ireo nosy ireo ary tokony averina ho an’i Madagasikara.


Ny taona 1980 anefa, satria toa tsy nisy taitra ny ao amin’ny fitondrana malagasy, dia niangavy ny fitondrana frantsay ny Firenena Mikambana fa tsy maintsy ataony laharampahamehany, miaraka amin’ny governemana malagasy, ny fifampidinihina, ka hitadiavana vahaolana arak’ireo foto-kevitra sy tanjon’ny Satan’ny Firenena Mikambana.

Fahagagana no nitranga rehefa any nihaona ny filoha Rajaonarimampianina sy Hollande, ny taona 2014. Raha tsy nasian’ny fanjakana frantsay resaka mihitsy ireo nosy ireo tao anatin’ny fanambarany taorian’io fihaonana io, ny prezidansin’ny repoblika malagasy kosa namoaka fanambarana nilaza fa « nandroso soso-kevitra ny Filoha Rajaonarimampianina fa dia hiaraha-mitantana ny fitrandrahana ao amin’ireo nosy ireo ka resy lahatra ny filoha frantsay fa ho tohizina ny fifampidinihina ».


Kabarin'i Sir Anerood Jugnauth ETO

Tsy nanamarina izany anefa ny Frantsay fa any no nahatonga fa hoe mangatala andro ny Frantsay dia tamin’ny nanambaran’ny governemanta Manuel Valls fa : « maniry ny haka fotoana kely ka tsy handroso fanapahan-kevitra mety hanohina ny namana malagasy ». Tsiahivina etoana moa fa, tamin’ny taona 2000, dia nanao sonia fifanarahana mitantana amin’ny governementa maorisianina, ny nosy Tromelin (Ndlr : ny 2 Octobra anefa, tao amin’ny Firenena Mikambana dia nangataka ny fameranana io nosy io ny Praiminisitra Sir Anerood Jugnauth na i SAJ, miampy ireo nosy Chagos).

Ségolène Royal

Ny zava-nisy koa dia ireto : ny taona 2008 dia nahazo fahazoan-dàlana mikaroka (« permis d’exploration ») eny amoron’ny nosy Juan de Nova, ny orinasa Sapetro (South Atlantic Petroleum Nigeria) sy Marex Petroleum (U.S.A.). Ary efa nandoavany vola mitentina 75 tapitrise euros, ho an’ny fanjakana frantsay, izany fahazoan-dàlana mikaroka. Kanefa, nandritra izay roa taona lasa izay dia tsy nomen’i Ségolène Royal, minisitra frantsay misahana ny Angovo sy ny Tontolo iainana mihitsy ny fahazoan-dàlana mitrandraka (« permis d’exploitation »), tokony ho tohin’ny fahazoan-dàlana mikaroka.

Rehefa tafakatra tany amin’ny tribonaly ary ny raharaha dia izao ny zavatra nitranga. Volana aogositra 2015 : Satria ao La Réunion no misy ny foiben’ny « préfecture des Terres australes et antarctiques françaises », dia fitsarana ao St-Denis no mamoaka izao didy izao : nomelohiny ny fanjakana frantsay ary tsy maintsy manapak’hevitra ao anatiny iray volana. Dila io fe-potoana io dia didina ny fanjakana frantsay handoa 5.000 euros isan’andro ho an-dry Sapetro sy Marex Petroleum.


May ny endim-boanjon’i Ségolène Royal ka telo andro taorian’ilay didy dia nanaiky nanome ilay fahazoan-dàlana hitrandraka izy. Tsy vitan’izany ihany fa nisy « arrêté » frantsay tamin’ny 21 Septambre 2015, milaza fa hitarina hatramin’ny 30 Desambra 2018 izany fahazoan-dalàna mitrandraka izany hoe an-dry Sapetro sy Marex Petroleum. Izany hoe, avy hatrany dia afaka « miasa » ireto roa ireto. Raha toa moa ka voamarina fa mbola misy solitany amina miliara « barils » ilay paosy noloarany nanomboka ny 25 Septambra teo, dia vonona izy ireo hanampy 54 tapitrisa euros hamatsiana io asa io.

Orinasa misahana ny fitrandrahana solitany sy entona miisa 21 no nahazo alàlana mikaroka (« permis de prospection »), ao anatin’ireo rano mizaka zo (« eaux territoriales ») malagasy, mozambikana, tanzanianina sy frantsay, nandritra izay folo taona lasa izay. Kanefa misahana ny 30%-ny velaran-tany fotsiny ihany izany alàlana mikaroka izany (Ndrl : mino isika fa nanome izany alalàna izany ny Omnis ary ho tanteriko eto izany atsy ho atsy…).

Sabotsy 3 Oktobra 2015


Pierrot Dupuy

Ny fehiny? Tena tsy raharahin’ny filoha Rajaonarimampianina mihitsy izany harem-be adala tompo izany. Isika vahoaka malagasy izany no atao mangetaheta eo ambony lakana. Fa ny fihetsiky ny filoha dia azo ambara fa « haute trahison envers sa nation et son peuple ». Mba adikao io fehezan-teny io ry zareo a !

Talata 6 Oktobra 2015


Nandika : Jeannot Ramambazafy

**************************

Nosy Malagasy “Iles Eparses” : “tsy laharam-pahamehana”, hoy ny filohampirenena

Hotsiahivina indray ve fa ny 21 septambra teo no nanaovan'ny minisitra frantsay misahana ny tontolo iainana sy ny angovo, Ségolène Royal, sonia ny fanomezan-dalana ny orinasa “Marx Petrolueum” sy ny “Spatro” hanohy ny asa fikarohana solika ao amin'ny nosy "Juan de Nova". Fanomezan-dalana izay hanome fahafahana azy ireo hanao ny fandavahana ambanin'ny tany sy ranomasina antsoina hoe "forage", ahafahana mamantatra ny tena fisian'ny solika sy ny entona ao amin'ilay faritra. Telo andro monja taorian'ny didy navoakan'ny fitsarana frantsay atsy Saint Denis – La Reunion no nandraisan'i Ségolène Royal, Minisitra frantsay misahana ny angovo sy ny ekolojia io fanapahan-kevitra io. 150 kilometatra miala ny morontsiraka malagasy no misy ny nosy "Juan de Nova", iray amin'ireo nosy kely dimy Malagasy antsoina amin'ny hoe "Iles Eparses". Nosy Malagasy noho izy tafiditra anatin'ny « zone économique exclusive Malagasy ».

Raha ny kajikajy no voamarina, misy solitany (pétrole) 6 hatramin'ny 10 na 12 miliara baril ao amin'io fari-dranomasin'ny Nosy malagasy « Juan de nova » izay nomen'ny frantsay hotrandrahan'ireo orinasa roa ireo, dia ny

« Sapetro » sy ny « Marex Petroleum », orinasa nizerianina sy amerikanina. Ambonin'io anefa, tombanana hisy entona na "gaz" manodidina ny 2 hatramin'ny 4 miliara metatra tora-telo (m3) ihany koa amin'io faritra io.

Ho an'i Frantsa, mitovy lanja amin'ny fari-dranomasina any avaratra izay tena manan-danja amin'ny anglisy io fari-dranomasin'ny lakan-dranon'i Mozambika manodidina ny "Juan de Nova" io. Tena manan-danja noho izy afaka mamaha ny olan'ny angovo frantsay sy eoraopeanina mihitsy. Raha ny kajikajy tsotsotra, raha voatrandraka ny solika ambany ranomasina ao amin'io fari-dranomasin'i "Juan de Nova" io, dia tsy hanafatra solika intsony i Frantsa. Mety ho afaka ny hanondrana aza izy. Izany harem-be afaka mamaha ny olantsika amin'ny resaka angovo sy solika izany anefa no ariantsika fotsiny na omentsika ny hafa. Tsy nihetsi-bolo-maso ny mpitondra fanjakana malagasy manoloana izany.

Tany New-York farany teo, nandritra ny fivorian'ny firenena mikambana, tsy nanisy resaka momba io i Hery Rajaonari-mampianina. Nohamafisiny omaly raha tafaverina an-tanindrazana izy fa “tsy laharam-pahamehana ny fitakiana ireo Nosy madinika ireo raha miohatra amin’ny mahadodona antsika eo amin’ny fampandrosoana sy ny fampandriana fahalemana.

Nahoana moa no tsy heverin’ny filohampirenena ho fanoitran’ny fampandrosoana ny fahazoana an’ireo nosy malagasy ireo? Ary nahoana no tsy tsapan’ingahy filohampirenena fa isan’ny mampiroborobo ny tsy fandriampahalemana ny fihomboan’ny fahantrana sy ny olana andavanandron’ny vahoaka eto?

Isan'ireo nanapa-kevitra ny hanemotra amin'ny fotoana hafa ny fandinihana ny raharaha momba ireo nosy malagasy ireo mihitsy aza ny fitondram-panjakana malagasy. Ny momba ireo nosy antsoina hoe "iles éparses" ireo, izay tafiditra foana anatin'ny laha-diniky ny firenena mikambana saingy tsy mety voadinika mihitsy.

Tsiahivina fa nandritra ny fihaonany tamin'i François Hollande tany Parisy, ny filoha malagasy mihitsy no nanolo-kevitra ny amin'ny hiaraha-mitantana (co-gestion) ireo nosy kely ireo, na dia voaporofo araka ny lalàna iraisam-pirenena misy rehetra aza, fa an'ny Malagasy madiodio ireo nosy ireo ary halatra mivandravandra miendrika fandrobana no nataon'ny fitondram-panjakana frantsay. Eo anatrehan'ny lalàna velona eto amintsika, tsara ampahatsiahivina ny filohampirenena sy ny mpiara-miasa aminy fa fanimbazimbana ny fiandrianam-pirenena no isokajiana izany, ary fanombinana amin'ny tanin'ny Repoblika ny famelana malalaka ny hafa hanjakazaja amin'ireo tany kely an'ny Malagasy ireo.

Publié le mercredi 7 octobre 2015


Mis à jour ( Mercredi, 07 Octobre 2015 14:40 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entra...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety