]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Antananarivo. Hampiofana mpanao gazety aminy ahoana ry Neny a !

Antananarivo. Hampiofana mpanao gazety aminy ahoana ry Neny a !

Ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny Ambasadaoro frantsay Véronique Vouland-Aneini. Efa tamin’ny taona 1989 no nisy ny fiaraha-miasan’ny tanànan’Antananarivo sy ny « Région Île-de-France » fa tsy vao izao akory

O Ramatoa Ravalomanana a! F'inona ary ity? Vao manomboka ve ianao dia toa manome baiko ny mpanao gazety? Fa iza moa ianao io aloha toa tsy mahatsapa-tena? Efa nambarako tao aminy radio Antsiva fa averiko an-tsoratra eto satria toa mitohy indray ilay toe-tsaina mihevi-tena ho andriamanitra kely latsaka an-tany.

Ianareo rehetra voafidy ireo anie dia mpiasam-bahoaka e! Ary ny vadinao mihitsy no nilaza sy nampiatra izany saingy tsy nisy tohiny... Tsy ny vahoaka, ary indrindra indrindra ny mpanao gazety, no ho mpiasanao. Ny fifanajàna dia tokony miantomboka aminao aloha fa tsy izany resaka « positif » sy « négatif » izany. Mbola tsy hita akory ny zavatra ataonao, hafa-tsy ny mandray vazaha aloha, dia efa toa mampitandrina fatratra.

Ataovy aloha izay hahasoa ny tanàna fa ny asanay fantatray foana. Ary rehefa misy ny tsy mety tsy maintsy hitsikera izahay satria io no tena asanay. Sa misy zavatra afenina any ho any? Mamerina ihany koa aho eto fa ianao io anie mandalo fotsiny ihany fa ny vahoaka mitoetra e! Ny fitsikerana dia natao hanatsarana zavatra, hanitsiana ny tsy mety. Raha mpitondra no tsy azo tenenina sy atoro dia mpanao jadona no anarany. Amin’ny fiainako manokana koa aloha dia tsy olàna amiko na eo ianao na tsy eo. Fa ity ianao sahisahy manome lesona ny mpanao gazety ity no tena fahagagana.

Vao herinandro vitsy anie ianao io no ben’ny tanàna e! Ary izaho efa 30 taona mahery no mpanao gazety. Sa lasa orinasanao koa ny tanànan’Antananarivo ka dia mpiasanao daholo ny mponina ao aminy? Tsy mety an! Ianao indrindra no tokony hitandrina fa tsy izahay vahoaka mihitsy. Io fiheveran-tena ho zavatra io anie no nahavoa ny vadinao sao adinonao e! Hoy izy fony ben’ny tanàna: « Raha mbola misy tany totofana any dia mbola ho totofako »; izao indray ny naloaky ny vavany fony izy filoham-pirenena: « Tsapaho aloha ny herin’ny tena vao mitsapa ny aty ». Fantatrao ny tohin’ny tantara. Mahaiza maka lesona e! Fa tsy hoe voafidy dia lasa mpanjakan’ny zava-boary…

Ka tsotra ny « règle de jeu »: ataovy ny asanao. Rehefa mety dia lazaina ny rehetra, ary rehefa misy tsy mety dia torak’izany: hambara ho fantatry ny be sy ny maro. Izay ihany ka miankina aminao tanteraka io. Tsy misy resaka nifidy na tsy nifidy anao izany. Ianao aloha izao no lehiben’ny mpiasam-bahoaka eto Antananarivo ka henohy ny soso-keviny rehetra. Satria izy ireo ny mahalala -ary tena mahalala- ny hahasoa azy fa tsy ianao mitady hametraka rafitra avy any ivelany tsy mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny toe-tsaina eto.

Ianareo moa karazan’ireo olona mora tohina ka asa raha ho lany andro amin’ny fitoriana mpanao gazety eo indray. Ka dia efa manambara eto aho fa meloka milaza ny marina. Ary tsy ianao mihitsy aloha no hampanofàna ahy. Hampanofàna amin’ny ahoana koa moa? Omeo aloha ny praogramanao mazava, raha misy, dia ho hita eo na mitombo na revin-gadra. Io tsy resaka zanak’i Dada na Mapar na Arema na Hvm na inona. Ny maha mponina eto Antananaivo ireo rehetra aloha no jerena fa tsy tsangan’olona. Dia mitandremà kely aloha sao hanery olona hiditra antoko indray, raha tsy izany dia tsy kaonty.

Ka dia misaotra anao mialoha ry anabaviko (tsy ho neniko mihitsy aloha ianao satria mitovy taona isika) mpiasam-bahoaka raha mànana finiavana marina hanasoa vahoaka ary ao anatin’ny ara-dalàna.

Jeannot Ramambazafy – 20 octobre 2015

Mis Ă  jour ( Mardi, 20 Octobre 2015 05:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety