]
Les quotidiens du 20 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Béatrice Atallah. Mpanao gazety tsy hiditra «cafouillage» amin’ny ahoana e?

Béatrice Atallah. Mpanao gazety tsy hiditra «cafouillage» amin’ny ahoana e?

Raha nisy olona mba noderaiko dia ity Bétatrice Atallah ity, fony izy napetraka ho filohan’ny CENIT: tso-po, vonona, tsy manaiky lembenana. Saingy indrisy, nifindran’ny aretina avy amin’ny otrik’aretina Hvm izy, any ka dia tena mirediredy sisa no any avelan’ny Tantara momba azy. Hoy mantsy izy, mikasika ireo Nosy Malagasy bodoin’ny Frantsay nanomboka ny 1 Avrily 1960, rehefa avy nitanisanao ny tantaran’izy ireo izay fantatr’izao tontolo izao tsy an-jery:


« Tsara ho soritana ary tsara ho lazaiko hoe: ny raharaha ara-diplomatika anie dia raharaha mangina ary raharaha atao ampitoniana e ! Fa raha isika izany no miditra amina ady, dia ho very io « victoire » io. Ka andao, ianareo mpanao gazety no aptetrako hoe : aza miditra ao anatin’ilay « cafouillage » hoentin’olona hiady isika ka havery  io « victoire » io. Fa io « victoire » io miteny ary manery ny Frantsay hanao « négociations » amintsika, ary amin’izao fotoana izao, isaky ny « Assemblée générale »-ny « Nations Unis » dia tafiditra ao anaty « ordre du jour » foana ny « îles « éparses » fa misy ny fangatahin’ny sasany hoe aleho ahemotra indray dia mihemotra amin’ny herintaona indray io ».

Ny Praiminisitra, Jean Ravelonarivo sy ilay ambasadaoro Véronique Vouland-Aneini. Natsipin'iry voalohany tany amin'ny filohan'ny repoblika ny baolina, mikasika ireo Nosy Malagasy ireo. Nefa vao avy tany Frantsa izy nihaona tamin'ny Praiminisitra Manuel Valls. Ao raha...

Ity fitondrana Rajaonarimampianina ity dia mampianatra ny taranaka ho resy tsy miady ary tsy mahay manapa-kevitra sy mandray andraikitra eo no eo ho an’ny tombontsoam-bahoaka rehefa tratry ny tampoka. Ny 19 Oktobra 2015 anie ilay masoivoho vaovao, Véronique Vouland-Aneini no nanao fanambarana fa an’ny Lafrantsa ireo nosy ireo e! Ary tao amin’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara malala e! F’angaha r’itony tsy « raharaha mangina » ny raharaha ara-diplomatika rehefa ny vazaha no miteny? F’angaha izy io tsy diplomaty? Tsy vitany akory ny nampiantso azy hanome fanazavana be be kokoa mikasika io fanambarana io. Kanefa, hoy ihany koa izy (tsy ao anatin’ilay vidéo) hoe « nisy fifanarahana » ary « hatsangana ny commission mixte ». Tsy tokony « nangina » ve io ambasadaoro frantsay io.

Feno 57 taona androany 6 Novambra 2015 tokoa ny lehilahy

Fa dia tsy nandrenesana teny na iray segondra mihitsy ity ministry ny raharaha hafahafa (« ministre des Etranges affaires ») ity. Nandrasana hihetsika daholo ny tia tanindrazana rehetra, ary nitsangana daholo fa e e e ! Ilay filoha komika moa dia nangina na gina (mitovy ireo) satria tsy fantany mihitsy izany hoe « gouverner c’est prévoir, tout prévoir » na koa rehefa mitondra dia tokony ampoizina daholo ny mety hitranga. Ary tokony maka fepetra entitra satria ny Fiandrianampirenena (« Souveraineté nationale ») no voahosohoso. Fa e e e !

Tsy mbola izao ve ny zava-misy amin'izao taona 2015 ity miakaraka amin-dry Hvm isany izay tsangan'olona fotsiny ihany fa tsy tia tanindrana izany velively? Seranam-piaramanidina, Air Madagascar, Jirama... Vazaha daholo ny tena mandray vola be ao.


Rehefa avy nanao fanambarana mamaivay ny Rosia mikasika ireo Nosy Malagasy ireo izay vao mody taitra. Nilaza mazava an’i Lafrantsa mantsy ny governemanta rosiana fa tokony haverina amin’ny Malagasy ireo nosiny ireo. Ny 5 Novambra 2015, izany hoe tapa-bolana taorian’ilay fanambaran’i Ramatoa Vouland-Aneini vao hoe « noresahina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ireo Nosy ireo ». Tsara izany, aleho tara toa izay tsy misy. Fa tsy fantatra hoe inona marina ny fepetra noraisina na ho raisina. Matoa mangina dia tsy nisy fa miaritra ny jadon’ny Frantsay satria hikarakara ny « Sommet de la Francophonie » amin’ny 2016.

Fitondra mpanararaotra tanteraka moa ity fitondrana ity. Ka nararaotina ny fianianana (ahahahaha !) nataon’ilay soavaly Hvm hafa ao anatin’ilay CENI tsy hitondra hafa tsy jadona. Dia io Ramatoa Atallah nanao io fanambarana eo ambony io. Tsotra ny valin-teniko : mihevera tena ianao. Tsy niady tamin’ny vazaha tokoa angaha ny ray aman-reninao fa ny anay niady ho an’ny fahafahana. Ary hiadiana izy io fa tsy fanomezana velively avy amin’i Dadabe Noely (« Cadeau »). Mpanao gazety aho izao ary mbola mitohy ny tolona ho an’izany fahahafana izany. « Victoire » inona no ho azonao raha mita-takolaka miandry ny rariny tsy ho avy ? Ary inona marina no ataonao hoe « cafouillage ». Sady tsy mahay miteny malagasy no tsy mahay mifehy teny frantsay?


Efa nitranga io tsy fahaizanao io tany amin’ny Firenena mikambana vao aingana. « Perpétrer des actions efficaces », hoy ianao nefa « perpétuer » no tena izy. « Perpétrer » midika manao zavatra ratsy, manao asana dahalo. Sady voateny no voasoratra io fanambaranao io (ETO). Ary ny soratra mitoetra.

Manaraka: iza ireo « sasany » mangataka fanemorana lava ireo? Tsy ny mpitondra malagasy ihany ve? Efa tamin’ny taona 1980 no mipetraka ao amin’ny « Ordre du jour » io resaka nosy io. Ianareo izao no karamainay vahoaka hitondra ny firenena amin'izao vaninandro izao. In-droa ianareo no tany New York : 2014 sy ity 2015 ity; in-droa nihemotra io « Ordre du jour » io. Tsy nandrenesam-peo na iray segondra ianao sy ilay filoha komika tamin’ny fandraisam-pitenenana nataonareo fa fangataham-bola ankolaka no nibahana. Dia toa izay ihany ny amin’ny taona 2016. Asa koa raha mbola ho minisitra ianao amin’io taona io. Ka raha ireo fanambarana nataonao ireo aloha dia izao ny didim-pitsarako: tsy tia tanindrazana izany ianao io, ianareo rehetra mpitondra, mpasanay vahoaka alagasy.


Lazao fa adala koa ry Ravoahangy, Raseta sy Rabemananjara (avia miankavanana eo amin'ny sary), niditra « cafouillage », dia ho an'ny fahafahan'ny Tanindrazana iombonana ka voaheloka ho faty mihitsy!

Dia hihevitra fa hitsotsotra fotsiny ianao rehefa tsy eo amin’ny fitondrana intsony ? diso ianao. Samia velon’aina hahita ny tohin’ity tantara ity. Fa raha ny asanao maha minisitra anao no tsy voafehinao aza ny asanay mpanao gazety no idirana. Hiverenako ilay hoe « cafouillage ». Mba mandeha any Andafy ihany ianao, mba mamaky gazety vahiny ihany ianao ka asa inona marina no tianao ambara amin’ny io « cafouillage ». io? Voavidy daholo izany ny mpanao gazety malagasy? Mandinia tena lalina, Tompoko!

Jeannot Ramambazafy -6 Novambra 2015

Mis à jour ( Vendredi, 06 Novembre 2015 07:58 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents à présent!-, s’entraÃ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety