]
Les quotidiens du 19 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Hery Rajaonarimampianina. Filoha kitoatoa tokoa

Hery Rajaonarimampianina. Filoha kitoatoa tokoa

Nariany any anaty zaoridira ny Sata Repoblikana fa tiany haverina eto Madagasikara ny fitondrana tamin'ny Tany Gasy (taloha'ny niverenan'ny Fahaleovantena)

Efa nilaza aho tao aminy radio Antsiva (ETO) fa aza ampiasaina intsony ny voambolana « Fanjakana » satria ao anatin’io teny io misy ny Mpanjaka, misy ny fanjanahana ary misy ny fanjakazakana.


Inona tokoa ? Rehefa mijery, mihaino ary mamaky ireto fanambaran’ilay filoha feno 57 taona manaraka ireto ianareo, dia hatsapa fa tsy repoblika intsony no misy eto Madagasikara fa lasa niverina tamin’ny Tany Gasy ka tsy ampiarina intsony ilay Lalampanorenena repoblikana izay teo amboniny anefa io filoha io no nanao fianianana eo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka malagasy fa hajainy sy ho tandremany toa ny anakandriamaso. Fa filoha inona re ity ry zalahy a ! Tena filoha kitoatoa tokoa. Io ambony io ny video, porofo tsy azo ivalozana ho an’ny fitsaran’ny Tantara.


«Nametraka fanontaniana ianao teo momba ny fifandraisako amin’ny «Assemblée nationale». Izaho moa dia efa niresaka tamin’ireo foana hatramin’izay an, fa misy ilay «mémorandum de stabilité». «Mémorandum de stabilité», amin’ny ankapobeny, heu, no ilazana azy. Io moa izany dia iantsoko ny maro an’isa ao anatin’ny, heu, Assemblée nationale, mba ivondrona manodidina ny praograma izay natolotro. Hoy aho hoe: ny Filohampirenena anie no nanao fanamby tamin’ny vahoaka e! Ny Filohampirenena anie no nametraka ny praogramany amin’ny alalàn’ny «Politique générale de l’Etat»; amin’ny alalàn’ny «Programme national de développement» notsinjaraina amin’ny alalàn’ny PMO izany.


«Ka io, izay efa nolanian’ny governamenta, efa nolanian’ny «Assemblée nationale», io no ivondronan-tsika hampandroso ny firenena. Iza ianareo no vonona manodidina izany. Dia nisy ny nolazaiko hoe 90. Misy nanao tamiko hoe: avohay ny taratasy. Teo anoloan’izay tonga tao amin’ny biraoko dia navoakako ny taratasy. Fa hoy aho mantsy an’ilay niresaka tamiko, nisy maromaro; fa maninona ianareo no mitaky taratasy foana. Be dia be anie izay olona nanao sonia izay, nefa rehefa avy tsy nanàja ny soniany. Fa hoy aho hoe: ny tena zava-dehibe dia ny olona resy lahatra ao amin’ny fony sy ao amin’ny sainy fa tombontsoam-pirenena no jerena ka miroso mifanohana amin’ny alalàn’izany maro an’isa izany.


Rehefa niresaka tamina «députés» samihafa moa aho dia hoy aho mantsy azy hoe: eto amintsika anie no mifanaraka ny Malagasy fa tsy any e. Dia ranom-bolamena fotsiny alaina dia atao ao anatin’ny rano iny an, dia iny no iaraha-misotra ary mifanaraka isika. Angaha misy zavatra soratàna izany. Nefa dia matotra ny fiaraha-monina. Vonoina ny omba an, dia atsatsika ny hena aminy an, dia iny no ifanarahana. Misy aza didiany mihitsy ny tenany dia misotro amin’iny, izay ny fanarahana. Mihoatra noho ny sonia! Izany rehefa resy lahatra ny olona, mihoatra ny sonia. Fa ny sonia (Ttf: ireo hoe miisa 90) tena misy./.»

Izao no tian'ny Mpanjaka Mampiesona I ataon'ny solombavambahoaka "maro an'isa". Tsy mila sonia tokoa aloha e

Koa inona tokoa moa izany fa tsy firenena no entiny fa fanjakana kely, ka izy ny Mpanjaka ary amin’ny alalàn’ny hoe fati-drà no hitondrany izany fanjakana kely izany. Tsy arahina intsony ny Lalampanorenana izay mamaritra no toeran’ny tsirairay ao anatin’ny fiaraha-monina fa dia io. Ny loza dia ny HCC tarihin’ingahikely Jean Eric Rakotoarisoa mihitsy no nanome alalàna satria izy ny namoaka didy fa tsy maintsy misy ny « pacte de responsabilité » izay ivelan’io Lalampanorenena io.


Fa dia vahoaka dondrona sy kentrona daholo no misy hatreto. Matoa izy sahy manaotao foana toa io satria manaiky daholo. Ianao mimenomenona any anaty « couloir », fa mifitsaka rehefa mifanatrika aminy anie no mandoa ny karamany e! Tsy milaza aho hoe aza hajaina izy fa izy no tsy mahay manaja-tena velively.

Jean-Eric Rakotoarisoa, Filohan'ny HCC sy Panja Ramanoelina, Filohan'ny Oniversite Antananarivo. Ity faharoa ity moa nanao "fati-drĂ " fony Marc Ravalomanana Filoham-pirenena, nahazoan'ity farany ny tany etsy Andohatapenaka, amin'ny anaran'ny orinasa Tiko

Ka tsotra: avelao izy eo hatramin’ny taona 2013. Any indray manarina fa ny taranakareo aloha dia voa mainka hahantra mihoatra ianareo noana lava amin’izao fotoana izao. Tsy mandatsa aho fa izany no hitranga satria raha ny ara-dalàna voasoritra ao anatin’ny Lalampanorenena no hantenaina dia e e e! Ao Ramose kely Jean Eric Rakotoarisoa hanolana azy tsy afahan’iza n’iza hihetsika satria izy no lalàna eto Madagasikara. Ny mainty ho lasa fotsy ary hivadika manga tanteraka (manga Hvm io an). Mitomania ry Tanindrazako fa mbola mafy kokoa no hanjo anao satria tsy ho Malagasy intsony.

Jeannot Ramambazafy – 7 Novambra 2015

Mis Ă  jour ( Mardi, 10 Novembre 2015 20:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety