]
Les quotidiens du 23 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Parisy Frantsa. Nisy Malagasy tao aminy Stade de France

Parisy Frantsa. Nisy Malagasy tao aminy Stade de France

Nidina teo am-pivoan'ny kianja ny mpijery alohan'ny nivoahany am-pilaminana

Fianakaviana teratany Malagasy, mizaka ny zom-pirenena makagasy, no nanatrika ny ady baolina kitra firahalahiana nihaonan’ny ekipan’ny Allemagne sy France. Nisy tamin’izy ireo avy aty Madagasikara ary mandalo fotsiny ihany mitsidika ny havany. Nifanoratra izahay ka mba niangaviako hitantara ny zavatra niainany, reny sy hitany tamin’io zoma 13 Novambra 2015 tao aminy Stade de France.

Tsy ho lazaiko eto ny anaran’ireo Malagasy ireo fa izao no nitantarainy:

Ny Filoha François Hollande tao amin'ny tribune d'honneur

« Tamin’ny 8 ora sy fahefany alina teo izahay no tonga tao amin’ny Stade de France. Taty aminy tribune inter sud no nisy anay rehetra, varavarana Y. Afaka 15 minitra teo ho eo, taorian’ny nanombohan’ny lalao France-Allemagne dia nisy fipoahana mafy re, saingy mbola tsy nisy taitra na izahay na ny mpijery rehetra. Tato koa moa tsy nisy nifandrenesana ny hiak’ireo supporters. Rehefa nisy kosa ilay fipoahana fanindroany, niampy ny fisiana hélicoptère nivezivezy teo ambon’ny Stade de France, vao nanomboka nanontany tena ny daholobe. Nino izahay fa io angindim-by io no naka ny Filoha frantsay, François Hollande izay nanatrika ny lalao.


« Telo polo minitra alohan’ny hifaranan’ny lalao no nahazo antso izahay momba ny zava-niseho tao ivelan’ny Stade de France. Teo izahay vao nijery ny vaovao farany haingana tamin’ny alalàn’ny finday. Ny manodidina anay rehetra ihany koa nanomboka nahazo antso sy niresaka ny vaovao ka nanomboka niala tamin’ny toerany moramora ny mpijery, indrindra ireo nitondra zaza. Minitra fohy tsy hiravan’ny lalao no nandeha namonjy ny fivohana izahay. Filaharam-be no nisy fa nahay nifandamina ny olona ka tsy nisy ny fifanosehana na tao aza ny fikoropahana.


« Raha niandry ny hifaranan’ny lalao izahay dia mety nitombo kokoa ny fitaintainana satria tonga teo am-pivoahana izahay no nanomboka nametraka ny dispositif d’évacuation ry zareo.  Ny mpijery tao anatiny moa dia nirohotra teny afovoan’ny kianja aloha. Rehefa tafavoaka taty ivelany tanteraka izahay vao afaka nijery tamin’ny vaovao ny zava-niseho rehetra teto Paris, ary nampalahelo tokoa. Tsy nisy tafatombina daholo ny olona satria sarotra ny fandraisan’ny lamasinina (train) teo Saint Denis, ary samy efa te hody mafy avokoa ny rehetra, ka voatery tonga nandamina ny mpitandro filaminana mba tsy hisian’ny fifanosehana satria saro-pady be ny teny amin’ny manodidina.


« Olona tsy manan-tsiny no maty (manodidina ny 120 hatreto ary betsaka ihany ny naratra). Hita tamin'ny tarehin'ny rehetra ny alahelo miaro fahatezerana satria mbola ao anatin’ny sain’ny maro ihany koa ny zavatra niseho taminy fiandohan’ny taona 2015 (Fanafihana ny Charlie Hebdo tamin’ny 7 Janoary). Aminay manokana aloha, dia firaisankina sy fihombonana tanteraka no ilaina amin’izao fotoana izao. Miombona alahelo tanteraka amin’ireo namoy olona akaiky na olom-pantatra ary mankahery ny fianakaviany rehetra. Rehefa tojo zavatra toa izao dia tsy misy intsony ny hoe Malagasy, Afrikana, Vazaha, Sinoa, Karana, sns. Olombelona nofo sy rà daholo no tafaraka amina toerana iray ary mifanontany tena hoe: miaratsy ny fiainana eto an-tany satria tsy hisy toerana tsy atahorana tranga toa izao intsony n'aiza n'aiza ».


Noraisin’i Jeannot Ramambazafy tamin’ny alàlan’ny e-mail
14 Novambra 2015

++++++++++++++++++

VAOVAO FARANY MAMPALEHELO

 

Véronique Geoffroy de Bourgies, maty tamin'ireny loaza nitranga tao Parisy, ny zoma 13 Novambra 2015 ireny. Anisan’ireo vazaha frantsay nanampy an’i Madagasikara. Mandrià am-piadanana ry Namàna sakaizan’ny ankizy malagasy.

 


TSINDRIO ETO RAHA HIJERY NY ASA VITAN'I VERONIQUE TETO AMIN'ITY TANY FANDALOVANA ITY

Mis Ă  jour ( Dimanche, 15 Novembre 2015 08:55 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety