]
Les quotidiens du 18 Apr 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Tsimbazaza. Resaka Nosy Malagasy tao aminy Antenimierampirenena

Tsimbazaza. Resaka Nosy Malagasy tao aminy Antenimierampirenena

Ankavia miankavanana: Holijaona Raboana, Freddie Mahazoasy (Filoha lefitry ny Antemierampirenena), JOEL Harison Marie René


FAMELABELARANA NATAON’Andriamatoa JOEL HARISON Marie René – Filohan’ny Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM) NANOLOANA IREO SOLOMBAVAM-BAHOAKAN’I MADAGASIKARA NANDRITRA NY « SEANCE PLENIERE » NY 18 DESAMBRA 2015 TAO AMIN’NY LAPAN’NY ANTINIMIERAM-PIRENENA TSIMBAZAZA

Faly miarahaba anao Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ianareo Mpikambanana amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ary ianareo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara rehetra manatrika anay etoana. Maneho fisaorana feno amin’ny fandraisana anay.

Ny anjara fitenenako dia ny famelabelarana ireo olana fototra manodidina ny resaka Iles Eparses (Nosy Malagasy) sy ireo vaha-olana maharitra hatolotray.

Mialohan’izany dia mamelà ahy ianareo hilaza fohy ny dingana nolalovan’ny CRAM sy ny Emergence de Madagascar tamin’ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy ireo satria ny tantara tsy fanadino sady mipetraka ho lovan’ny taranaka faramandimby.

Ny taona 2009 izahay no nanomboka nanao fanambarana amin’ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy ireo

Taorian’ny loza nihantra tamin’ireo mpanjono mpiray tanindrazana tao Mahajanga ny 29 mars 2014 dia nifandray tamin’ny fianakavian’ireo mpanjono sisa velona tamin’izany loza an-dranomasina izany ny CRAM ary nijery ifotony tany an-toerana ny tena zava-misy marina ny 20 jona ka hatramin’ny 22 jona 2014.

Ny 24 mai 2014 dia nanao antso avo ny CRAM amin’ny hananganana ny Filan-kevim-pirenena na ny « Conseil National pour la restitution des Iles Eparses et pour la revendication du plateau continental ».

Ny volana jolay 2014 dia tafatsangana ny « Association des pêcheurs Malagasy pour la restitution des Iles Eparses et pour la reconstruction de Madagascar ».

Amin’ny anaran’ny fifankatiavana misy eo amin’ny vahoaka Malagasy sy ny vahoaka Frantsay dia nandefa taratasy ho an’ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena sy ny Filohan’ny Antenimieran-doholona frantsay izahay tamin’ny 03 jolay 2014 ary ny dika mitovy tamin’ireo taratasy ireo dia nandefasana ho an’ny Loholona sy Solombavam-bahoaka frantsay rehetra tamin’ny 5-6 jolay 2014 miangavy ireo olom-boafidim-bahoaka frantsay ireo mba

hilaza amin’ny governemanta frantsay ny fanafoanana ny didim-panjakana na « abrogation du décret n° 60 – 555  du 1er avril 1960 et du décret n°78-146 du 3 février 1978 » satria manaja ny fanjakana tan-dalana (« Etat de droit ») sy ireo fehin-kevitra iraisam-pirenena tapaka teo anivon’ny Firenena Mikambana ary manaiky ny fifanarahana iraisam-pirenena nankatoaviny sy nataony sonia ny firenena frantsay.

Tafatsangana tamin’ny fomba ofisisaly ny « Comité National pour la Restitution des Iles Eparses et pour la Revendication du Plateau Continental » tamin’ny 15 septambra 2014.

Ny 22 septambra 2014 dia noraisin’Andriamatoa Jean Max RAKOTOMAMONJY – Filohan’ny Antenimieram-pirenena ireo mpikambana mpanorina ny Comité national izany.

Nahazo fanasana tamin’ny Réseau Africain du Secteur de la Sécurité izahay ny volana oktobra 2014. Ny solontenan’ny CRAM sy ny « Comité national pour la restitution des îles éparses et pour la revendication du plateau continental » dia niresaka nandritra ny ora maro sy nanolotra ireo antotan-taratasy mikasika ny fitakiana ny famerenana ireo « îles éparses » ho an’ireo mpikambana avy amin’ny Nations Unies, Union Européenne, Union Africaine, SADC, OIF sy ireo mpikambana ao amin’ny « Réseau Africain du Secteur de la Sécurité» ny 09 oktobra 2014.

Ny fiandohan’ny taona 2015 dia nametraka « lobbing » teo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena izahay amin’ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ireo.

Nifandray tamin’ireo Fikambakana any ivelany nitaky hatramin’ny ela ireo Nosy Malagasy ireo izahay dia ny « Madagascar Résistance » sy ny « Collectifs pour Madagascar à la Réunion » ary ny CRAM France.

Nisy ny firesahana tamin’ireo tompon’andraikitry ireo Firenen-dehibe maneran-tany.

Manomboka nahitam-bokany izany amin’izao fotoana.

Tonga eo amin’ny dingana farany izahay amin’izao fotoana izao ary izao tonga eto anatrehanareo Solombavam-bahoakan’i Madagasikara izao.

Raha izay no dingana efa nolalovanay dia hitondrako famelabelarana manaraka ny momban’ireo fototry ny olana momba ireo Nosy malagasy ireo.

Raha izay no dingana efa nolalovanay dia hitondrako famelabelarana manaraka ny momban’ireo fototry ny olana momba ireo Nosy malagasy ireo.

IREO OLANA FOTOTRA MOMBA IREO NOSY MALAGASY

Tsara ho fantatry ny mpiray tanindrazana ny tena olana fototra momba ireo Nosy malagasy ireo ka mitarika ny fitakiana ny famerenena azy ireo amin’izao fotoana izao. Tsy ady tany tsotra no misy fa fibodoana tany tsotra izao sy fakana fari-dranomasina malagasy no nataon’ny fitondram-panjakana frantsay samy irery. Inona avy ireo olana fototra momba an’ireo Nosy malagasy ?

1. Famerenana manontolo amin’ny tany voazanaka ny fiandrianam-pireneny

Ho fampiharana ny lalàna tamin’ny 6 août 1896 dia ny «acte du 31 octobre 1897» no namaritra fa zanatany frantsay ireo Nosy malagasy ireo. Niankina tamin’ny « province de Tananarive » ireo Nosy ireo tamin’ny 1921, avy eo dia tamin’ny « province de Morombe » (1930), ary farany tamin’ny « district de Nosy Be » (1932).

Tsy nohajain’ny fitondram-panjakana frantsay ny lalàna iraisam-pirenena mifehy ny fiverenan’ny fahaleovantenan’ny tany voazanaka sy ny zon’ny vahoaka malagasy araka ny « Résolution 1514 (XV) Déclaration sur l’octroi de l’indépendance aux pays et aux peuples coloniaux » nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tamin’ny 14 desambra 1960 satria raha nomena ny fahaleovantena isika malagasy tamin’ny 26 jona 1960 dia nalain’ny frantsay tamin’ny malagasy ireo « îles éparses » (Nosy malagasy) tamin’ny alalan’ny « décret n°60-555 du 1er avril 1960 » ary lasa teo ambany fiadidian’ny Ministère d’Outre-mer ary ny Préfet de la Réunion no niandraikitra ny fitantanana azy ireo hatramin’izao.

Notohizan’ny fitondram-panjakana frantsay izany politika mpanjanahana izany ary vao maika nogejainy ho an’isan’ny « Terres Antarctiques et Australes Françaises » (TAAF) ireo Nosy malagasy.

2. Ny namaritan’ny Frantsay samy irery ny fari-dranomasina ho azy manodidina ireo Nosy Malagasy ireo

Tamin’ny alalan’ny « Décret n°78-146 du 3 février 1978 » no namaritan’ny fitondram-panjakana frantsay ny « Zone économique exclusive ou ZEE » ho azy manodidina ireo Nosy malagasy ireo ho 188 milles, izany hoe mahatratra 347,80 km miala amin’ny morontsiraka ireo Nosy malagasy.

Nampiharan’ny frantsay izany « décret » izany ka mahatonga ireo tafika an-dranomasina frantsay mihetraketraka amin’ny mpanjono malagasy tato ho ato ka niafara tamin’ny fahafatesan’ny mpanjono malagasy maromaro tany an-dranomasina tamin’ny 29 mars 2014 sy ny fanagadrana ny sasany taty aoriana kanefa nanomboka tamin’ny 1898 no nanjono tany amin’ny faritra manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova izy ireo ary nipetraka tany ny sasany.

150 km miala ny morontsiraka andrefana no misy ny Nosy Juan de Nova, 220 km avaratra andrefan’Antsiranana no misy ny Nosy «L’archipel des Glorieuses », 380 km andrefan’i Morombe no misy ny Nosy Bassas Da India ary eo avaratra andrefan’ny Nosy Bassas Da India izay manodidina ny 130 km no ahitana ny Nosy Europa.

Raha hatao izany ny kajin’ny fari-dranomasina malagasy dia tsy misy afa-tsy 12 milles marins sisa no anjarantsika, izany hoe 22,2 km satria 1 mille marin dia manodidina ny 1,85 km. Amin’ny faritra manodidina ny Nosy Juan de Nova dia tsy manana fari-dranomasina intsony isika malagasy. Tena fanambakana tsotra izao ny firenena malagasy izany.

Tsy mifanaraka sady tsy manaja ny voalaza ao anatin’ny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » ao amin’ny andininy faha 57 izany. « Une zone économique exclusive s'étend à partir de la ligne de base de l'État jusqu'à 200 milles marins (environ 370,4 km) de ses côtes au maximum ».

Mba ho fanajana izany fifanarahana iraisam-pirenena izany dia voatery isika malagasy namaritra ho 200 milles marins ny fari-dranomasina manodidina an’i Madagasikara tamin’ny taona 1985 kanefa tsy nohajain’ny fitondram-panjakana frantsay izany.

Very zo tanteraka ny firenena malagasy eo amin’ny sehatry ny fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny ranomasina raha izao zava-misy izao no jerena ka mila mandray andraikitra feno ny mpitondra sy ny solombavam-bahoaka ary ny mpiray tanindrazana rehetra.

3. Fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena

Nivoaka tao amin’ny gazetim-panjakana Frantsay « TEXTES n° 20 et 21 – JORF n° 0303 du 30 décembre 2008 » ny fanomezan-dalana na « permis de recherches de mines d’hydrocarbures liquides ou gazeux » ho an’ireo orin’asa vahiny mpitrandraka solika miisa dimy izay miara-miasa manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova mandritra ny dimy taona izay nosandaina 75 220 000 euros.

« Fifanarahana ara-barotra iraisam-pirenena » mbola tsy tokony nataon’ny fitondram-panjakana frantsay izany satria mbola tsy niroso tamin’ny fampiraharahana tamin’ny fitondram-panjakana malagasy ry zareo araka ny fehin-kevitra noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena mikambana na ny « Résolution adoptée par l’Assemblée Générale de l’Organisation des Nations Unies 34/91 du 12 décembre 1979 au cours de sa trente-quatrième session ».

Nitory ny fitondram-panjakana frantsay indray ireo « compagnies pétrolières » ireo teo anivon’ny Tribunal administratif tao Saint-Denis de La Réunion tamin’ny volana septambra 2015. Nandresy ireo « compagnies pétrolières SOPRETO et MAREX » tamin’izany satria noteren’ny fitsarana ny fitondram-panjakana hanome azy ireo taratasy ho fanohizana ny fandavahana ny tany ambany ranomasina (« sondage ») sy ny famokarana « gaz naturel » sy solika manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova mandritra ny dimy taona indray.

Tsy andraikitry ny fitondram-panjakana frantsay mihitsy ny manome izany « permis de recheche d’hydrocarbures » vaovao izany satria mbola hifanolanana amin’ny firenena malagasy ny Nosy Juan de Nova. Raha ny marina dia tokony amin’ny fitondram-panjakana malagasy ireo « compagnies pétrolières » ireo no manohy ny fifampiraharahana.

Mazava ho azy fa na dia hangataka ny fanitarana ny fari-dranomasina malagasy mihotran’ny 200 milles marins aza isika amin’ny fangatahana ny « plateau continental » dia tsy afaka raha tsy foana io « Décret n°78-146 du 3 février 1978 » io kanefa manaraka ny morontsiraka andrefana ka hatrany atsimon’i Madagasikara, araka ny tombamtombana, dia ahitana « production pétrolière à 1,23 milliard de tonnes de gaz et le gaz naturel à 650 milliards de mètres cube ».

Tsy tokony ho variana amin’ny Nosy malagasy Juan de Nova fotsiny isika mpiray tanindrazana, indrindra fa ianareo Solombavam-bahoaka fa hijery amin’ny antsipirihiny ny tena zava-misy marina manodidina ny fifanarahana amin’ireo « Bloc offshore » manodidina ny fari-dranomasina malagasy na frantsay tsy lavitra an’Ambilobe, Cap d’Ambre, Presqu’île d’Ampasindava, Cap Saint André, Mahajanga offshore Profond sy ny hafa.

4. Fangatahana ny « plateau continental »

Tsy afaka misaraka ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy Malagasy sy ny fanohizana ny fitakiana ny « plateau continental ». Ny fanontaniana hilam-baliny amin-dRamatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy dia ny hoe : « Aiza ho aiza ny fanohizana ny fitakiana ny « plateau continental » eo anivon’ny Firenena Mikambana ho tohin’ny ezaka efa nataon’ny governemanta notarihan’ny Général Camille Vital nandritra ny 28e session des travaux de la commission des limites du plateau continental  teo anivon’ny Firenena Mikambana tany New York ny 27 aogositra 2011 ? »

Raha ny famaritana nataon’ny fitondram-panjakana frantsay dia ny Nosy malagasy Bassas da India dia manana zone économique exclusive manodidina ny 126 000 km². Raha miampy ny Nosy Europa sy Juan de Nova dia mahatratra 340 000 km². Ahitana harena sarobidy maro toy ny solika, gaz naturel, ary ireo tarihy goavana amin’ny harena an-dranomasina.

Lasa 860 000 km² ny velaran-tanin’i Madagasikara na ny « territoire terrestre » aorian’ny fankatoavan’ny Firenena Mikambana ny fanitarana ny fari-dranomasina mihoatra ny 200 milles marins ao atsimon’ny firenentsika.

Ny olana fototra faha dimy farany dia ny resaka :

5. « Commission mixte » na « commission ad hoc » na « accord cadre franco-malagasy de cogestion des Iles Eparses  »

Izany «commission mixte» na «commission ad hoc» na «accord cadre franco-malagasy de cogestion des Iles Eparses» izany dia mety afaka 20 na 30 taona vao mety ho vita ny fifanarahana kanefa ny fitrandrahana ny harem-pirenena Malagasy efa mizotra an-tsakany sy an-davany satria hisy ny fandrirarirana antsika Malagasy toy ny mahazo ny firenena Maorisiana amin’izao fotoana izao.

Jereo amin’ny maso tsy miangatra fa tamin’ny 2 desambra 1999 nandritra ny «2ème Sommet des chefs d’Etat et de Gouvernement de la Commission de l’Océan Indien » no nametrahana izany vaomiera iombonana nikarakara ny «accord cadre franco-mauricien de cogestion de Tromelin» izany fa mbola tsy mihatra izany hatramin’izao. 16 taona aty aoriana.

Voatery napaka-peo momban’io resaka « cogestion de Tromelin » io ny tompon’andraikitra Maorisiana nandritra ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana farany teo tany New York.

Izany zava-misy manjo ny firenena Maorisiana izany dia hatao ho fampiheritreretana antsika mivohy ny « baiko miainga any ho any manao hoe : « ALEO MIANDRY NY FIVORIAN’NY FRANCOPHONIE ISIKA VAO MITAKY AN’IREO NOSY IREO ». Tena miala tsiny raha milaza etoana fa tena fohy ny fomba fijerin’ireny olona ireny ny raharaham-pirenena satria manao vain-drahalahy tsy marary ka tsy mahadinika ny fahoriana mianjady amin’ireo mpanjono mpiray tanindrazana aminy tsy afaka manjo toy ny teo aloha ao anatin’ny fari-dranomasina malagasy. Dia mbola hiampy herintaona indray izany izy ireo tsy afaka hanjono ? Kanefa isika mianakavy ity dia ambara fa efa misotro ny kapoka mangidy ?

Raha foananan’ny fitondram-panjakana frantsay amin’ny alalan’ny Fikan-kevitry ny Minisitra ireo décrets anankiroa voalaza tetsy ambony amin’ny taona 2016 dia hafaliana tsy omby tratra no handraisan’ny vahoaka malagasy ny fivorian’ny francophonie amin’ny faraparan’ny taona 2016.

Raha izay no momban’ireo fototry ny olona manodidina ireo Nosy malagasy ireo. Inona avy ny vaha olana ?

Ry Solombavam-bahoakan’i Madagasikara isany,

Mitaky asa mivaingana ny mpiray tanindrazana amin’ny fitakiana ny famerenana ireo Nosy malagasy. Tsy ho lany andro indray isika amin’ny fananganana izany « komitin’ny olon-kendry » iza ny kanefa efa misy anareo Solombavam-bahoaka nametrahan’ny vahoaka malagasy manontolo ny fitokisany tamin’ny alalan’ny fifidianana mba hisolo vava azy sy hitondrana vaha-olana mahomby ho an’ny tombontsoa ambonin’ny vahoaka malagasy raha mandalo fotoan-tsarotra ny firenena na voakitikitika ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena. Tonga eo amin’ny kion-dalana tsy azo hidovirana i Madagasikara amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy ireo, koa :

1. Manao antso avo aminareo solombavam-bahoaka izahay mba hiaraka hientana amin’ny vahoaka malagasy amin’ny fitakiana ampilaminana (d’une manière pacifique) ireo Nosy malagasy ireo ka hiroso amin’ny famolavolana taratasy iray mangataka ny fanafoanana ny « Décret n°60-555 du 1er avril 1960 » sy ny « Décret n°78-146 du 3 février 1978 » izay halefa ho an’Andriamatoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena frantsay sy ireo solombavam-bahoaka mpikambana ao amin’ny « amitié franco-malgache ». Handefasana kopian’izany taratasy izany Andriamatoa isany Sekretera Jeneralin’ny Firenena Mikambana, ny Filoham-pirenena malagasy sy frantsay, ny Praiminisitra sady Lehiben’ny governemanta malagasy sy frantsay.

Izany taratasy izany no hatao dia ho fampisehoantsika mpiray tanindrazana amin’izao tontolo izao fa manana ny fahendrena mampiavaka azy ny vahoaka malagasy fa mahay mandady rariny na dia efa nataon’ny Firenena Mikambana aza fa antsika ireo Nosy malagasy ireo.

Io taratasy hatao amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy manontolo io dia porofo iray ho entin’ny fitondram-panjakana malagasy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena fa niala nenina farany isika nohon’ny fifankatiavana misy eo amin’ny vahoaka malagasy sy frantsay ary ny tantara mampifaningotra ny firenena roa.

Manome fe-potoana iray volana ny fitondram-panjakana frantsay hamaly izany taratasy izany ny vahoaka malagasy.

Toy ny nataon’ireo « compagnies pétrolières SOPRETO et MAREX » raha nitory ny fitondram-panjakana frantsay teo anivon’ny Tribunal administratif tao Saint-Denis de La Réunion ry zareo tamin’ny volana septambra 2015. Nanome fe-potoana iray volana ny fitondram-panjakana frantsay izy ireo hitsarana ny raharaha fa raha tsy izany dia mangataka onitra 5 000 euros isan’andro mandrapivoakan’ny didim-pitsarana. Nandresy ireo « compagnies pétrolières » ireo tamin’izany satria nivoaka tamin’ny 21 septambra 2015 ny didim-pitsarana manery ny fitondram-panjakana hanome azy ireo taratasy ho fanohizana ny fandavahana ny tany ambany ranomasina (sondage) sy ny famokarana « gaz naturel » sy solika mandritra ny dimy taona indray.

Vita izany fialana nenina farany izany ka raha tsy mamaly an’io taratasy io amin’ny fomba ofisialy ny fitondram-panjakana frantsay dia efa manana porofo ny fitondram-panjakana malagasy fa tsy mety hiditra amin’ny fifanakalozan-kevitra mihitsy ny fitondram-panjakana frantsay tao anatin’ny 36 taona mba ho fanajana izay rehetra voalazan’ny « Résolution adoptée par l’Assemblée Générale de l’Organisation des Nations Unies 34/91 du 12 décembre 1979 au cours de sa trente-quatrième session ».

2. Miditra amin’ny dingana faharoa isika malagasy dia fitoriana araka ny voalaza ao anatin’ny « Convention des Nations Unies sur le droit de la mer » izay nataon’ny firenena roa tonta sonia ka mitondra ny raharaha eo anivon’ny « Tribunal international du droit de la mer any Hambourg – Allemagne sy ny Cour Internationale de Justice ».

Rehefa laninareo Solombavam-bahoaka ny rijan-tenin’ny fitoriana dia hatolotra ny gouvernemanta sy ny Filoham-pirenena mba hataony fahefana mpanatanteraka sonia ary hapetraky ny Mpisolo vavan’ny firenena malagasy eo anivon’ny Fitsarana iraisam-pirenena. Iarahantsika rehetra mahita eo ny vokatry ny didim-pitsarana iraisam-pirenena sy ny fanohanan’ireo firenen-dehibe antsika malagasy izay tratry ny tsindry hazo lena amin’izao raharaha izao.

Raha sanatria ka tsy miray hiana ny Solombavam-bahoaka amin’ny fitakiana ireo Nosy malagasy dia mangataha izahay ny hananganana ny Collectif des députés de Madagascar pour la restitution des Iles Eparses.

Ho fiarovana ny fiandrianam-pirenena malagasy. Masina ny Tanindrazana !

Dia maneho ny fisaorana feno anareo rehetra naharitra nihaino ahy hatramin’ny farany. Misaotra Tompoko

JOEL HARISON Marie René

Mis Ă  jour ( Vendredi, 18 DĂ©cembre 2015 19:50 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

«La Passion du Christ». Concert de Pâques des enfants de l’Orphelinat Saint Paul Antananarivo. Dimanche 14 Avril 2024 à 15 heures en la Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro. ENTREE LIBRE QU'ON SE LE DISE!

CLIQUEZ ICI. MERCI Pour ce Concert de Pâques, les enfants du Centre -des adolescents Ă  prĂ©sent!-, s’entraĂ...

 

Président Andry Rajoelina 2024. Firarian-tsoa sy Faniriana – Vœux et Souhaits

 

Antananarivo. VIDEO DU CONCERT de l'Orchestre de l'Orphelinat Saint Paul. Concert de Noël du 17.12.2023

 

Antananarivo HWPL. 2è Édition de la Symphonie de la Paix avec l'Orchestre de l’Orphelinat Saint Paul

 

Andry Rajoelina Filoham-pirenena. Didim-pitsarana laharana faha 08-HCC/AR tamin’ny 1 desambra 2023 anambaràna ny vokatra ofisialin’ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Le Bazar de Noël de son 60è Anniversaire

Qu'est-ce que le Wednesday Morning Group ? Le Wednesday Morning Group (WMG) a été créé en 1963 par un group...

 

Rasolonjatovo Honoré. Solombavambahoaka nandao antsika teo amin’ny faha-66 taonany

 

Madagascar. Élection présidentielle du 16 novembre 2023. Mme Christine Razanamahasoa piétine l'article 5 de la Constitution, stipulant, entre autres que "la Souveraineté appartient au peuple" et non à sa plateforme de bras cassés politiques

 

FILOHA ANDRY RAJOELINA, 2019-2023. FANTARO NY ZAVA-BITANY MARO LAVITRY NY LAINGA SY NY TSAHO

 

CHRISTIAN ANDRIANARISOA. Lasa omaly Alatsinainy 16 Oktobra 2023 i Rakrisy zandry mpanao gazety tsy dia nisy mpahalala satria olo-tsotra izy kanefa nanana fahaizana manokana eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety